Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mifankatia”

“Mifankatia”

“Mifankatia”

“Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba hifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”—JAONA 13:34, 35.

Inona no dikan’izany? Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy mba hifankatia, toy ny nitiavany azy ireo. Tena tia azy ireo tokoa i Jesosy, satria tsy nanavakavaka sady tsy nanambany vehivavy, na dia nanao izany aza ny olona tamin’izany. (Jaona 4:7-10) Tsy nanao izay hampiadana ny tenany koa izy, fa nahafoy ny fotoanany sy ny heriny mba hanampiana azy ireo. (Marka 6:30-34) Nanome ny ainy mihitsy aza i Jesosy, satria hoy izy: “Izaho no mpiandry tena tsara. Ny mpiandry tena tsara mahafoy ny ainy ho an’ny ondry.”—Jaona 10:11.

Nanao izany ve ny Kristianina voalohany? Nifampiantso hoe ‘rahalahy’ sy ‘anabavy’ izy ireo. (Filemona 1, 2) Noraisin’izy ireo tsara koa izay olona te ho anisan’ny fiangonana kristianina, na inona na inona fiaviany. Nino, ohatra, izy ireo fa “tsy misy fahasamihafana ny Jiosy sy ny Grika. Iray ihany mantsy ny Tompo izay ambonin’izy rehetra.” (Romanina 10:11, 12) “Nivarotra ny taniny sy ny fananany” koa ny mpianatr’i Jesosy tany Jerosalema, taorian’ny Pentekosta taona 33, ka “ny vola azo dia nozarainy” tamin’ireo vao avy natao batisa. Afaka nijanona tany Jerosalema ireo Kristianina vaovao ireo tamin’izay, ka “nifantoka tamin’ny fampianaran’ny apostoly.” (Asan’ny Apostoly 2:41-45) Roanjato taona latsaka taorian’ny nahafatesan’ny apostoly, dia nilaza i Tertullien fa hitan’ny olona hoe ‘tena nifankatia ny Kristianina, ary vonona ho faty ho an’ny namany mihitsy aza.’

Iza no manaraka ny tenin’i Jesosy ankehitriny? Hoy i Edward Gibbon, tao amin’ny bokiny iray: “[Efa an-taonany maro ireo olona milaza fa Kristianina no] nampijaly ny Kristianina namany, ary mbola mihoatra lavitra noho ny nataon’ny tsy mpino tamin’izy ireo aza izany.” Hita tamin’ny fandinihana vao haingana tany Etazonia koa, fa be dia be ny olona manavakavaka nefa milaza fa mpivavaka, indrindra fa ny Kristianina. Tsikaritra koa fa tsy mifandray amin’ny mpiangona any amin’ny faritra iray ny mpiangona any amin’ny faritra hafa, na dia mitovy fivavahana aza izy ireo. Tsy afaka mifanampy na tsy te hifanampy mihitsy àry izy ireo, rehefa misy olana.

Iza àry ny fivavahana tena mifankatia amin’izao? Diniho izay nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy rivo-doza efatra tany Floride tao anatin’ny roa volana, tamin’ny 2004. Nanara-maso ny fizarana fanampiana ny lehiben’ny Komity Mpamonjy Tra-boina, ka hitany fa hafa mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah satria tena voalamina tsara. Nilaza àry izy fa afaka manome izay ilain’ireo Vavolombelona, raha mila fanampiana izy ireo. Nisy Vavolombelon’i Jehovah tra-boina koa tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo, tamin’ny 1997. Nankany avy hatrany ny Vavolombelona vitsivitsy anisan’ny ekipa mpanampy tra-boina. Nitondra fanampiana avy tamin’ny Vavolombelona tany Eoropa izy ireo, ary efa nitentina 2 000 tapitrisa ariary tany ho any ilay izy. Nitondra fanafody sy sakafo ary akanjo ho an’ny mpiray finoana taminy sy ny olon-kafa izy ireo.