Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy Avy any Rosia

Nahita Harena Miafina Izahay

Nahita Harena Miafina Izahay

VOLANA Mey tamin’izay ary tsara be ny andro. Atỳ atsimoandrefan’ny faritr’i Siberia no misy anay, izany hoe atỳ amin’ny Repoblikan’i Altaï. Mahafinaritra be ny tanàna atỳ. Misy alana kesika, ohatra, tazana avy eo am-baravarankelinay. Misy tendrombohitra rakotra lanezy ao ambadik’izy io, ary hoatran’ny manga kely ny lokony. Tendrombohitra Altaï no iantsoana azy ireny, ary avy amin’ny teny tiorka-mongol midika hoe “volamena” io anarana io. Lavitra be sady mikintoantoana ny lalana any. Aziatika manana ny fiteniny manokana no mipetraka any.

Efa ela ihany izahay mivady no nianatra Tenin’ny Tanana Rosianina, ka nitsidika ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy antoko-mpitory amin’ny tenin’ny tanana. Misy foko 170 mahery atỳ, fa samy mahay teny rosianina izy rehetra. Ny tenin’ny tanana kosa no ifandraisan’ny marenina, ary tena mifankatia ry zareo. Tena tia mitantara ny fiainany ny marenina hitanay sady tia mandray vahiny.

Misy marenina mipetraka any amin’ny tanàna kely iray, 250 kilaometatra miala avy eto Gorno-Altaïsk. Tsy mahay tenin’ny tanana anefa ny mpitory any, ka nanapa-kevitra ny hankany izahay. Nahita anay nazoto be i Yury sy ny vadiny, izay samy marenina, ka niaraka taminay koa. Nandeha fiara izahay, ary nitondra DVD misy fanazavana ara-baiboly amin’ny tenin’ny tanana sy fitaovana fijerena azy. Nitondra termôsy lehibe koa izahay, mofo nasiana saosisy ary mofo misy laisoa sy ovy. Nasianay ody bibikely avy eo ny vatanay sy ny akanjonay ary kiraronay. Be bibikely mpitondra aretina mamely ny atidoha mantsy atỳ.

Tsara tarehy ny tendrombohitra nandalovanay. Feno jasmina sy karazam-boandelaka teny an-dalana, ka nanentohento erỳ ny fofony. Nahafinaritra koa ny nahita andiana serfa niraoka ahitra. Feno trano hazo misy tafo fanitso mitangorongorona eny amin’ny manodidina. Matetika no misy trano hazo hafa atao hoe ayyl eo an-tokotanin’izy ireny. Somary boribory matsoko loha ny tafony. Ny sasany hoatran’ny tranolay fa hodi-kazo ny tafony. Ao ny olona no mipetraka rehefa volana Mey ka hatramin’ny Septambra, fa ao amin’ilay trano iray kosa rehefa ankoatra an’izay.

Faly nandray anay ireo mpitory tany rehefa tonga izahay, ary nentin’izy ireo tany an-tranon’ny mpivady iray izahay. Marenina izy ireo, ary faly be nahita anay sady tena te hahafantatra hoe avy aiza izahay ary inona no anton-dianay. Manana ordinatera ry zareo ka raha vao nasehonay ilay DVD, dia tsy nanaiky izy ireo raha tsy nijery an’ilay izy. Nihatokato-doha ry zareo indraindray, sady naveriny izay tenin’ny tanana hitany tao. Variana be teo izy ireo ka hadinony tanteraka izahay. Saika tsy vitanay mihitsy ny nanajanona an’ilay DVD. Tianay haverina hatrany amin’ny voalohany mantsy ilay izy, satria misy sarina paradisa ao. Najanonay teo amin’ny fizarana iray ilay izy, ka nohazavainay tamin’izy ireo hoe inona no tian’Andriamanitra hatao ho an’ny olombelona ary iza no hiaina ao amin’ny paradisa. Faly erỳ izahay fa liana be ry zareo. Rehefa handeha iny izahay dia nilaza izy ireo fa mahafantatra mpivady marenina hafa koa, fa somary lavidavitra avy eo fotsiny.

Nankany indray àry izahay, ka nanivaka tany an-tendrombohitra. Be vatovato ny lalana sady miolakolaka be. Tonga tany amin’ilay tanàna kely ihany izahay tamin’ny farany, ka nihaona tamin’ilay fianakaviana. Samy marenina izy rehetra, na izy mivady na ny zanany lahikely na ny renin’ilay vehivavy. Faly erỳ ry zareo nandray vahiny tsy nampoizina. Nampandrosoiny tao amin’ny ayyl izahay. Manitra fofon-kazo sy ronono tao. Iva kely ny varavaran’ilay izy, ary misy goaka hidiran’ny hazavana eo amin’ilay tafony matsokotsoko loha. Misy lafaoro sy fatana vita amin’ny biriky nolokoana fotsy eny an-joron’ilay trano. Misy lamba volom-biby matevina koa eo amin’ny rindrina. Nanaovan’izy ireo mofo mamy nendasina sy dite izahay. Nanontanianay izy ireo avy eo raha efa nieritreritra hoe azo atao ve ny minamana amin’Andriamanitra. Nieritreritra aloha izy ireo. Nitantara avy eo ny renin’ilay vehivavy hoe nitondra sakafo tany an-tendrombohitra izy indray mandeha, tamin’izy mbola kely, mba hatolony ho an’ireo andriamanitra ivavahany. Hoy izy sady nitsiky: “Tsy haiko aloha ny tena dikan’izany fa izay fotsiny no fombanay dia nanao aho.”

Niara-nijery DVD momba an’Andriamanitra izahay ka gaga be ry zareo. Nilaza izy ireo avy eo fa tena tiany raha mbola tohizina ilay resaka amin’ny manaraka. Sarotra be anefa ny hifandraisana amin’izy ireo satria tsy mbola tongan’ny telefaonina any, ka tsy afaka mifandefa SMS izahay. Nampanantena àry izahay hoe hanoratra taratasy.

Efa hariva ny andro vao niainga izahay. Faly be izahay na dia efa reraka sy mbola hody lavitra aza. Nisy vokany ve, hoy ianareo, ny nandehananay tany? Faly be izahay satria nilaza ny mpitory namanay mipetraka any fa efa mianatra Baiboly ilay raim-pianakaviana, ary mandeha mivory isan-kerinandro any amin’ny tanàna hafa mihitsy. Misy mpitory mahay tenin’ny tanana mantsy any.

Toy ny harena miafina any an-tendrombohitra ireo marenina ireo. Nila nikaroka ela be izahay vao nahita azy ireo, ary tsy nampoizinay mihitsy hoe hahita maromaro izahay. Tena volamena tokoa ny Tendrombohitra Altaï, satria tany no nahitanay an’ireo marenina ireo.