Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampianaro ny Zanakao

“Nifikitra Tamin’i Jehovah Foana Izy”

“Nifikitra Tamin’i Jehovah Foana Izy”

EFA naheno olona niteny hoe mifikitra amin’i Jehovah ve ianao?... * Lazain’ny Baiboly fa ‘nifikitra foana tamin’i Jehovah’ i Hezekia, izany hoe zava-dehibe taminy ny hoe naman’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Andeha hojerentsika hoe inona no azonao atao mba hitovy aminy ianao.

I Ahaza, mpanjakan’i Joda, no dadan’i Hezekia. Nampalahelo be i Hezekia tamin’izy mbola kely. Tsy nanompo an’i Jehovah intsony mantsy ny dadany fa nanompo sampy. Novonoiny mihitsy aza ny rahalahin’i Hezekia, ka nodorany mba homena ny andriamaniny.

Nankatò an’i Jehovah foana anefa i Hezekia, na dia nanao ratsy aza ny dadany. Mora tamin’i Hezekia ve ny nanao an’izany, araka ny hevitrao?... Tsy maintsy hoe mafy taminy izany, nefa tsy kivy mihitsy izy. Inona àry no nanampy azy hifikitra tamin’i Jehovah foana?

Nahafantatra olona maro nifikitra tamin’i Jehovah i Hezekia, anisan’izany i Davida. Efa ela be i Davida no maty tamin’izay, nefa nahafantatra zavatra maro momba azy i Hezekia rehefa namaky ny Soratra Masina. Fantany, ohatra, ny tenin’i Davida hoe: “Na mandao ahy aza ny raiko sy ny reniko, dia handray ahy kosa i Jehovah.”

Inona no mety ho nanampy an’i Davida hankatò an’i Jehovah?... Natoky an’i Jehovah izy. Nino izy fa raha mankatò foana, dia hanampy azy i Jehovah. Azo antoka fa nieritreritra an’i Davida i Hezekia, ary izay no tena nanampy azy hifikitra tamin’i Jehovah ka hankatò azy. Afaka matoky koa ianao fa hampian’i Jehovah raha mifikitra aminy foana ka mankatò azy.

Ahoana anefa raha tsy mivavaka amin’i Jehovah ny dadanao na ny mamanao?... Milaza Andriamanitra fa tokony hankatò ray aman-dreny ny ankizy. Tokony hankatò azy ireo àry ianao. Ahoana anefa raha zavatra tsy tian’Andriamanitra no asainy ataonao? Tsy tokony hanao an’izany ianao ka hazavao amin’izy ireo ny antony. Tsy tian’Andriamanitra, ohatra, ny mandainga sy mangalatra. Tsy tokony hanao an’izany àry ianao, na iza na iza mampirisika anao hanao an’izany. Hendry ianao raha mankatò an’Andriamanitra.

Be dia be ny olona azontsika tahafina. Tsy i Davida ihany, ohatra, no azon’i Hezekia notahafina, fa i Jotama dadabeny koa. Afaka niana-javatra taminy i Hezekia. Hoatr’izany koa isika. Lasa mahafantatra azy ireo isika rehefa mamaky Baiboly. Iza koa no fantatrao hoe azontsika tahafina?...

Marina fa milaza ny Baiboly hoe nanao zavatra tsy nety i Hezekia sy Davida ary Jotama, satria tsy lavorary izy ireo. Tia an’i Jehovah anefa izy ireo ka niaiky fa diso ary niezaka nanao ny tsara. I Jesosy, Zanak’Andriamanitra, ihany no lavorary, ka izy no tena tokony ho fantarintsika sy hotahafintsika.

^ feh. 3 Raha mamaky miaraka amin’ny ankizy ianao, dia tokony hiato sy hampirisika azy hilaza ny heviny, rehefa mahita teboka telo toa an’io.