Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Mpamaky

Telo Izay Iray ve Andriamanitra?

Telo Izay Iray ve Andriamanitra?

▪ Be dia be ny fanazavana momba ny Andriamanitra telo izay iray. Izao, ohatra, no hamaritan’ny boky iray azy io: ‘Samy Andriamanitra na ny Ray na ny Zanaka na ny Fanahy Masina, ary iray ihany izy ireo. Samy mahery indrindra izy ireo sady tsy misy hoe ambony sy ambany. Samy tsy mety maty koa izy ireo.’

Izao tenin’i Jesosy izao matetika no anaporofoan’ny olona an’izany: “Mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.” (Matio 28:19, Prot.) Marina fa notanisainy miaraka ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina. Tsy nilaza anefa izy hoe iray ihany izy ireo. Naniraka ny Jiosy mpanara-dia azy fotsiny izy, mba hampianatra sy hanao batisa ny olona amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina. Nino ny Andriamanitra telo izay iray ve anefa ny Jiosy fahiny?

Nomen’Andriamanitra didy izy ireo hoe: “Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.” (Deoteronomia 5:7, Prot.) Andriamanitra firy no niteny teo? Mazava be ny ilazan’ny Deoteronomia 6:4 azy hoe: “I Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.” Vao nafahana avy tany Ejipta ny Jiosy tamin’io. Fanaon’ny olona tany ny nivavaka tamin’ny andriamanitra telo izay iray, toa an’i Osiris sy Isis ary Horus (eo amin’ny sary). Nomen’Andriamanitra didy àry ny Jiosy mba hivavaka aminy irery ihany, fa tsy hanao toa an’ny Ejipsianina. Tena nila nankatò an’izany izy ireo. Hoy i Joseph Hertz, mpitondra fivavahana jiosy: “Mazava be avy amin’io didy io fa iray ihany Andriamanitra. Manohitra tanteraka an’ilay fampianarana momba ny andriamanitra maro izy io ... Tsy tao amin’ny Sema [izay vavaka fanaon’ny Jiosy miorina amin’ny Deoteronomia 6:4] koa ilay fampianarana hoe telo izay iray Andriamanitra.” *

Jiosy i Jesosy ka nahalala tsara an’ilay didy hoe Andriamanitra iray ihany no tokony hivavahana. Rehefa naka fanahy azy àry ny Devoly, taorian’ny batisany, dia hoy izy: “Mandehana hianao, ry Satana; fa voasoratra hoe: ‘Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.’ ” (Matio 4:10, Prot.; Deoteronomia 6:13) Nasain’i Satana hivavaka tamin’andriamanitra ankoatra an’i Jehovah i Jesosy tamin’io. Samy hafa mihitsy àry i Jehovah sy Jesosy, satria tsy hita izay maha fakam-panahy an’ilay izy raha i Jesosy ihany no Andriamanitra. Mariho koa ilay hoe “Izy irery.” Midika io fa iray ihany Andriamanitra, satria raha tsy izany dia tokony ho niteny i Jesosy hoe “izahay.”

Inona àry no dikan’ilay hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”? (Matio 28:19, Prot.) Atao batisa ny olona iray rehefa mahay tsara sy manaiky hoe i Jehovah no manana fahefana lehibe indrindra, ary i Jesosy no nasainy hanatanteraka ny fikasany. (Salamo 83:18; Matio 28:18) Fantatr’ilay olona koa fa hery ampiasain’Andriamanitra ny fanahy masina. (Genesisy 1:2; Galatianina 5:22, 23; 2 Petera 1:21) Mila mahalala tsara an’Andriamanitra sy te hanompo azy àry ny olona iray vao hatao batisa.

Efa ela no sarotra tamin’ny olona ilay fampianarana hoe telo izay iray Andriamanitra. Nohazavain’i Jesosy tsara anefa fa iray ihany Andriamanitra, dia i Jehovah.—Jaona 17:3.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Hita tamin’ny vavaka fanaon’ny Jiosy tao amin’ny Synagoga fa anisan’ny foto-pinoan’izy ireo ilay hoe iray ihany Andriamanitra.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Musée du Louvre, Paris