Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manatòna An’Andriamanitra

“Tsy Hotsarovana Intsony ny Zavatra Taloha”

“Tsy Hotsarovana Intsony ny Zavatra Taloha”

MAHAFINARITRA indraindray ny mahatsiaro ny lasa. Ohatra hoe ny fotoana mamy niarahana tamin’ny havana na namana. Mandreraka kosa anefa raha zavatra mahasosotra no tadidy foana. Izany ve no mahazo anao izao? Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Rahoviana àry izany vao ho voafafa ato an-tsaiko?’ Vakio àry ny Isaia 65:17 fa hampahery anao.

Hataon’i Jehovah izay hanadinoantsika an’ireo zavatra mampalahelo antsika rehetra. Hofoanany tanteraka mantsy ity tontolo ratsy ity sy ny fijaliana rehetra, ka hosoloany fiainana faran’izay tsara. Efa nampanantena izy fa “hamorona lanitra vaovao sy tany vaovao”, araka ny Isaia 65:17. Lasa manana fanantenana indray isika rehefa fantatsika ny dikan’izany.

Inona ilay lanitra vaovao? Niresaka momba azy io i Petera sy Jaona. Nilaza izy ireo fa “hitoeran’ny fahamarinana” izy io, ka hitondra fiovana be eto an-tany. (2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1-4) Matetika koa no midika hoe fitondram-panjakana ny “lanitra”, ao amin’ny Baiboly. (Isaia 14:4, 12; Daniela 4:25, 26) Fanjakana vaovao àry ilay lanitra vaovao, ary hampanjaka ny fahamarinana eto an-tany, izany hoe hanafoana ny faharatsiana rehetra. Ilay Fanjakan’Andriamanitra nasain’i Jesosy hangatahintsika amin’ny vavaka izy io, satria izy io ihany no hahavita an’izany. Any an-danitra io Fanjakana io, fa hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra eran-tany.—Matio 6:9, 10.

Inona kosa ilay tany vaovao? Voalohany, matetika no olona fa tsy tany ara-bakiteny no tiana holazaina amin’ny hoe “tany”, ao amin’ny Baiboly. (Salamo 96:1, Fandikan-teny Protestanta) Faharoa, milaza ny Baiboly fa hianatra ny fahamarinana ny olona eran-tany rehefa hitondra Andriamanitra. (Isaia 26:9) Iza àry ilay tany vaovao? Ny olona mankatò ny fitsipik’Andriamanitra sy manaiky fa izy no mpitondra.

Tsy ho ela dia hotanterahin’i Jehovah ilay fampanantenany hoe hisy lanitra vaovao sy tany vaovao. * Tsy hijaly intsony ny olona amin’izay satria hofoanana ny faharatsiana sy fijaliana rehetra. Hahafinaritra be ny fiainan’ny olona isan’andro, ka lasa zavatra mahafinaritra foana no hotsaroany.

Ahoana àry ny amin’ilay zavatra mahasosotra tsy mety miala ao an-tsainao? Hoy i Jehovah ao amin’ilay Isaia 65:17: “Tsy hotsarovana intsony, na hitamberina ao am-po, ny zavatra taloha.” Ho hadinonao tsikelikely izay rehetra nampijaly anao taloha sy amin’izao. Azo antoka fa tena tianao izany. Nahoana àry raha miezaka mifandray bebe kokoa amin’ilay Andriamanitra mampanantena an’izany?

Famakiana Baiboly amin’ny Martsa:

Isaia 63-66Jeremia 1-16

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Manazava bebe kokoa momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy izay hataony tsy ho ela ny toko 3 sy 8 ary 9 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 19]

Hataon’i Jehovah izay hanadinoantsika an’ireo zavatra mampalahelo antsika rehetra