Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Miala Amin’ny Teniko”

“Tsy Miala Amin’ny Teniko”

“Tsy Miala Amin’ny Teniko”

“Raha tsy miala amin’ny teniko ianareo dia tena mpianatro tokoa, ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.”—JAONA 8:31, 32.

Inona no dikan’izany? Ilay hoe ‘tenin’i Jesosy’ eo, dia ny fampianarany. Avy amin’Andriamanitra anefa izany, satria hoy izy: “Ny Ray izay naniraka ahy no nandidy ahy ny amin’izay holazaiko sy hoteneniko.” (Jaona 12:49) Hoy koa izy tamin’io Rainy io: “Ny teninao no fahamarinana.” Matetika izy no nilaza ny tenin’Andriamanitra rehefa nampianatra. (Jaona 17:17; Matio 4:4, 7, 10) Inona àry no amantarana ny tena Kristianina? ‘Tsy miala amin’ny tenin’i Jesosy’ izy ireo, izany hoe ekeny fa ny Tenin’Andriamanitra na ny Baiboly no “fahamarinana.” Izay zavatra voalaza ao sy ny fitsipika ao ihany no inoany sy arahiny.

Nanao izany ve ny Kristianina voalohany? Anisan’ny Kristianina voalohany ny apostoly Paoly. Zava-dehibe taminy ny Tenin’Andriamanitra, toa an’i Jesosy ihany. Hoy mantsy izy: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa.” (2 Timoty 3:16) Nisy lehilahy nampianatra ny fiangonana koa tamin’izany. Tsy niala tamin’ny Tenin’Andriamanitra na ilay “teny azo antoka” izy ireo rehefa nampianatra. (Titosy 1:7, 9) Niezaka koa ny Kristianina voalohany mba tsy hino ny filozofia sy ny hevitr’ity tontolo ity, satria tsy araka ny fampianaran’i Kristy ireny.—Kolosianina 2:8.

Iza no manaraka ny tenin’i Jesosy ankehitriny? Hoy ny Katesizin’ny Eglizy Katolika (anglisy): ‘Tsy avy amin’ny Soratra Masina ihany ny zavatra inoan’ny Eglizy Katolika, fa avy amin’ny lovantsofina masina koa. Samy tokony hekena sy hajaina àry na ny lovantsofina masina na ny Soratra Masina.’ Hoy ny pasitera iray any Kanada, ao amin’ny gazetiboky Maclean’s: “Fa nahoana moa isika no tsy maintsy manaraka ny tenin’i Jesosy sy ny Soratra Masina, izay efa tamin’ny 2 000 taona lasa? Manana hevitra tsara be koa isika amin’izao, nefa lasa tsy misy dikany ilay izy, satria hoe tsy maintsy ampifanarahana amin’ny an’i Jesosy sy ny Baiboly.”

Hoy kosa ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy) momba ny Vavolombelon’i Jehovah: “Izay lazain’ny Baiboly ihany no inoan’izy ireo, ary ny fitsipika ao ihany no arahiny.” Malaza ho mampiasa Baiboly koa izy ireo. Nitory tamin’ny lehilahy iray tany Kanada, ohatra, ny Vavolombelona iray. Vao saika hiteny izy hoe Vavolombelon’i Jehovah, dia tonga dia nilaza ilay lehilahy hoe: “Vao hitako fotsiny iny Baiboly iny, dia efa fantatro hoe iza ianareo.”