Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Resadresaka Mahaliana: Andriamanitra ve i Jesosy?

Resadresaka Mahaliana: Andriamanitra ve i Jesosy?

Resadresaka Mahaliana: Andriamanitra ve i Jesosy?

TIAN’NY Vavolombelon’i Jehovah ny miresaka momba ny Baiboly amin’ny mpiara-belona aminy. Misy fanontaniana manitikitika ny sainao ve? Misy tianao ho fantatra ve momba izay inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fanaon’izy ireo? Aza misalasala àry manontany an’izay Vavolombelona mihaona aminao. Ho faly izy hamaly anao.

Toy izao ny resadresaka fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny olona. Aoka hatao hoe Nathalie no anaran’ilay Vavolombelona, ary Sarah ilay olona iresahany.

Ianareo, hono, tsy mino an’i Jesosy?

Sarah: Tsy mino an’i Jesosy, hono, ianareo Vavolombelon’i Jehovah? Izany no nolazain’ny pasiteranay.

Nathalie: Tena mino an’i Jesosy izahay ka! Raha tsy mino azy ange isika tsy ho voavonjy e!

Sarah: Izaho koa aloha mino an’izany e!

Nathalie: Hay? Mitovy izany isika. Nathalie aloha no anarako e! Ary ny anao?

Sarah: Sarah. Faly mahafantatra anao.

Nathalie: Izaho koa torak’izany. Fa, angamba ianao izao mieritreritra hoe maninona àry izany ny olona no milaza fa tsy mino an’i Jesosy izahay.

Sarah: Eny ho’ah! Fa maninona tokoa?

Nathalie: Na dia tena mino an’i Jesosy aza mantsy izahay, dia tsy mino an’izay rehetra lazain’ny olona momba azy.

Sarah: Ohatra hoe inona?

Nathalie: Misy izao miteny hoe olona tsara fanahy fotsiny i Jesosy, dia tsy ekenay izany.

Sarah: Izaho koa aloha tsy manaiky an’izany e!

Nathalie: Hay koa ve ianao mieritreritra an’izany e? Fa tsy ekenay koa raha vao zavatra mifanohitra amin’izay lazain’i Jesosy.

Sarah: Tsy azoko izany.

Nathalie: Be dia be ny fivavahana mampianatra hoe i Jesosy no Andriamanitra. Izany koa angamba no nampianarina anao e?

Sarah: Ie, izany no tenin’ny pasiteranay.

Nathalie: Tsy ekenao ve anefa fa raha tena te hahalala an’i Jesosy isika, dia mila mandinika an’izay nolazainy momba azy?

Sarah: Marina aloha izany e!

Inona no nolazain’i Jesosy?

Nathalie: Andao ange hojerentsika ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 6:38 e! “Tsy ny hanao ny sitrapoko no nidinako avy any an-danitra, fa ny hanao ny sitrapon’ilay naniraka ahy.” Hoatran’ny hafahafa io andinin-teny io raha i Jesosy ihany no Andriamanitra.

Sarah: Fa ahoana?

Nathalie: Jereo tsara fa niteny i Jesosy eo hoe tsy ny hanao ny sitrapony no antony nidinany tetỳ.

Sarah: Ie. Fa hanao ny sitrapon’ilay naniraka azy.

Nathalie: Raha i Jesosy ihany anefa no Andriamanitra, dia iza izany no naniraka azy hanketỳ an-tany? Fa maninona izy no tsy niteny hoe mba hanao ny sitrapony no nidinany avy any an-danitra, fa hoe mba hanao ny sitrapon’ilay naniraka azy?

Sarah: Azoko ny tianao holazaina. Kanefa tsy maharesy lahatra ahy raha io andinin-teny iray io fotsiny.

Nathalie: Jereo koa àry ity nolazain’i Jesosy ato amin’ny Jaona 7:16 ity e. Hoatr’izany koa no lazainy ato. Tsy maninona raha vakinao?

Sarah: Tsy maninona ka! “Hoy ny navalin’i Jesosy azy: ‘Tsy ahy ny fampianarako, fa an’ilay naniraka ahy.’ ”

Nathalie: Misaotra anao. Araka io andininy io, izay tao an-tsain’i Jesosy fotsiny ve no nampianariny?

Sarah: An an an, ny fampianaran’ilay naniraka azy ka!

Nathalie: Marina izany! Dia iza àry izany no naniraka an’i Jesosy? Iza no nampianatra azy ny zavatra nampianariny? Tsy tokony ho lehibe noho izy ve izany ilay naniraka azy? Lehibe noho ny irahina foana mantsy ny mpaniraka.

Sarah: Marina izany! Tena izay aho vao nahita an’io andinin-teny io an!

Nathalie: Jereo koa ange ny tenin’i Jesosy ato amin’ny Jaona 14:28 e! Hoe: “Efa renareo fa nilaza taminareo aho hoe: Handeha aho, ary hiverina eo aminareo indray. Raha tia ahy ianareo, dia ho ravoravo satria handeha ho any amin’ny Ray aho, fa ny Ray dia lehibe noho izaho.” Araka io andinin-teny io, ahoana no fiheveran’i Jesosy ny tenany raha ampitahaina amin’Andriamanitra?

Sarah: Nilaza izy hoe ny Ray mbola lehibe noho izy, izany hoe noheveriny ho ambony noho izy izany Andriamanitra.

Nathalie: Izay mihitsy. Dia jereo koa ange ny tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany ato amin’ny Matio 28:18 e! Hoe: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” Nilaza ve i Jesosy eo fa efa nanana ny fahefana rehetra foana izy hatramin’izay?

Sarah: Nomena azy ilay izy ka!

Nathalie: Raha i Jesosy ihany àry no Andriamanitra, nahoana moa izy no mbola homena fahefana indray? Dia iza no nanome azy an’izany?

Sarah: Hoatran’ny mampieritreritra tokoa izany an!

Iza no noresahiny?

Nathalie: Ity koa misy andinin-teny hafa. Ato amin’ny Lioka 3:21, 22. Mitantara ny zava-nitranga tamin’i Jesosy natao batisa izy ity. Tsy maninona raha vakinao indray?

Sarah: “Rehefa natao batisa daholo ny olona rehetra, dia natao batisa koa i Jesosy. Ary nisokatra ny lanitra raha mbola nivavaka izy. Dia nidina nankeo amboniny ny fanahy masina izay niendrika voromailala, ary nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: ‘Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.’ ”

Nathalie: Hitanao eo ve hoe inona no nataon’i Jesosy tamin’izy natao batisa?

Sarah: Nivavaka?

Nathalie: Ie. Ka raha i Jesosy ihany no Andriamanitra, tamin’iza izany izy no nivavaka?

Sarah: Izy tokoa ve moa dia hivavaka amin’ny tenany ihany? Andraso fa horesahiko amin’ny pasiteranay izany.

Nathalie: Jereo koa fa lazainy eo hoe nisy feo avy tany an-danitra tamin’izy niakatra avy ao anaty rano. Inona no nolazain’ilay izy?

Sarah: Hoe Zanany malalany i Jesosy sady tena sitrany.

Nathalie: Ie, marina izany. Ka raha i Jesosy ihany no Andriamanitra, dia iza izany no niteny an’ireo?

Sarah: Tena mbola tsy tao an-tsaiko indray izany.

Nahoana no hoe “Ray” sy “Zanaka”?

Nathalie: Fa izao koa! Hitantsika teo fa niantso an’Andriamanitra hoe Rainy i Jesosy. Dia rehefa vita batisa indray izy, dia nisy feo avy tany an-danitra niteny hoe Zanany i Jesosy. I Jesosy mihitsy aza no nilaza hoe Zanak’Andriamanitra izy. Raha te hanaporofo anefa ianao fa mitovy fahefana ny olona roa, dia ohatra momba ny ray sy zanaka ve no horaisinao?

Sarah: An an an.

Nathalie: Fa mety hoe inona?

Sarah: Mety hoe mpirahalahy?

Nathalie: Ie. Kambana mihitsy aza angamba. I Jesosy anefa eo niantso an’Andriamanitra hoe Ray, ary izy hoe Zanaka. Inona izany no tiany holazaina araka ny hevitrao?

Sarah: Te hiteny izy hoe efa lehibe kokoa noho izy sady manana fahefana be kokoa noho izy Andriamanitra.

Nathalie: Izay mihitsy. Isika izao teo niresaka hoe matoa mitovy ny olona roa, dia mety ho mpirahalahy ry zareo na kambana. Ka raha mitovy i Jesosy sy Andriamanitra, tsy ho nilaza ve i Jesosy hoe kambana na mpirahalahy ry zareo? Tsy tokony hoe ohatra mazava kokoa noho izany aza ve no nampiasainy? Izy aza mantsy antsoina hoe Mpampianatra Lehibe.

Sarah: Izay aloha e!

Nathalie: Tsy mitovy izany izy ireo matoa i Jesosy niantso an’Andriamanitra hoe “Ray” fa izy “Zanaka.”

Sarah: Marina izany!

Inona no nolazain’ny mpanara-dia an’i Jesosy fahiny?

Nathalie: Misy zavatra tiako horesahina aminao ity alohan’ny handehanako, raha mbola manam-potoana kely ianao.

Sarah: Alefaso e! Tsy maninona.

Nathalie: Raha i Jesosy ihany no Andriamanitra, dia azo antoka fa nilaza an’izany ny mpianany. Sa ahoana?

Sarah: Tokony aloha e!

Nathalie: Tsy misy an’izany mihitsy anefa ao amin’ny Baiboly. Mifanohitra amin’izany aza no nolazain’i Paoly, mpanara-dia an’i Jesosy. Nitantara an’izay nitranga izy, rehefa tafatsangana tamin’ny maty i Jesosy. Niteny izy ao amin’ny Filipianina 2:9 hoe: “Izany indrindra koa no antony nanandratan’Andriamanitra azy [izany hoe i Jesosy] ho amin’ny toerana ambony kokoa sy ny nanomezany azy tamin-katsaram-panahy anarana ambony noho ny hafa rehetra.” Inona no nataon’Andriamanitra tamin’i Jesosy, araka ny voalaza eo?

Sarah: Nasandratr’Andriamanitra ho amin’ny toerana ambony kokoa izy.

Nathalie: Andeha àry atao hoe nitovy Andriamanitra sy Jesosy talohan’izy maty. Dia nasandratr’Andriamanitra ho ambony kokoa izy rehefa tafatsangana. Tsy ho lasa ambony noho Andriamanitra ve izany izy? Aiza anefa no hisy olona ambony noho Andriamanitra?

Sarah: Tsy hisy mihitsy aloha izany e!

Nathalie: Ie. Raha izay porofo rehetra izay àry no jerena, dia mampianatra ve izany ny Baiboly hoe Andriamanitra i Jesosy?

Sarah: Dia tsy izay izany, fa hoe Zanak’Andriamanitra izy.

Nathalie: Izay mihitsy. Fa na izany aza, dia tena mino sy manaja be an’i Jesosy izahay Vavolombelon’i Jehovah. Mino izahay hoe raha tsy maty izy dia tsy ho voavonjy ny olona tsy mivadika.

Sarah: Izaho koa mino an’izany.

Nathalie: Tianao ho fantatra ve anefa hoe inona no tokony hataontsika raha tena mankasitraka ny sorona nataon’i Jesosy ho antsika isika? *

Sarah: Ie, mahaliana ahy mihitsy izany.

Nathalie: Afaka miverina atỳ aho amin’ny heriny hoatr’izao, dia resahintsika izay. Mety aminao ve?

Sarah: Ie! Tongava fa ato foana aho.

Nathalie: Hay, misaotra betsaka fa amin’ny heriny izany! Veloma an!

[Fanamarihana ambany pejy]