Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Arovy ny Fonao!”

“Arovy ny Fonao!”

“Arovy ny Fonao!”

Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah

FOTO-KEVITRA ZOMA

‘Mijery ny Fo i Jehovah’—1 SAMOELA 16:7.

FOTO-KEVITRA ASABOTSY

“Izay Mameno ny Fon’ny Olona no Lazain’ny Vavany”—MATIO 12:34.

FOTO-KEVITRA ALAHADY

‘Manompoa An’i Jehovah Amin’ny Fo Manontolo’—1 TANTARA 28:9.

Imbetsaka ny Baiboly no miresaka momba ny fo. Tsy fo ara-bakiteny anefa matetika no tiany horesahina, fa ny maha izy ny olona iray mihitsy. Anisan’izany ny faniriany sy ny eritreriny ary ny fihetseham-pony.

Nahoana àry isika no tokony hiaro ny fontsika? Nasain’Andriamanitra hanoratra an’izao i Solomona Mpanjaka: “Arovy ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony harovana, fa avy ao aminy ny loharanon’aina.” (Ohabolana 4:23) Misy vokany eo amin’ny fiainantsika amin’izao sy amin’ny hoavy ny fontsika. Mijery ny fontsika mantsy Andriamanitra. (1 Samoela 16:7) Arakaraka ny fontsika na ny toetrantsika no itiavan’i Jehovah antsika na tsia.—1 Petera 3:4.

Ahoana àry no hiarovantsika ny fontsika? Hodinihina amin’ny an-tsipiriany any amin’ny fivoriambe ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany izany. Manomboka amin’ity volana ity ilay fivoriambe, ary haharitra telo andro. * Asainay ianao ho tonga mandritra ny telo andro satria hanampy anao hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra ny zavatra hianaranao any.—Ohabolana 27:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Jereo ny www.pr418.com raha te hahafantatra ny fivoriambe any akaikinareo ianao. Azonao atao koa anefa ny miresaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo na manoratra any amin’ny mpamoaka an’ity gazety ity.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Aus dem Fundus der MÜNCHNER OLYMPIAPARK GMBH, München