Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hatao Ahoana ny Fivavahan-diso Amin’ny Hoavy?

Hatao Ahoana ny Fivavahan-diso Amin’ny Hoavy?

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra

Hatao Ahoana ny Fivavahan-diso Amin’ny Hoavy?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Marina daholo ve ny fivavahana rehetra?

Maro ny mpivavaka tena maniry hampifaly an’Andriamanitra. Hitan’i Jehovah sy tena tiany izy ireny. Misy olona mody miseho ho mpivavaka be koa anefa mba hanaovan-dratsy. Nampijalijaly izay olona nanohitra azy mihitsy aza, ohatra, ny mpitondra fivavahana fahiny. (2 Korintianina 4:3, 4; 11:13-15) Hita amin’ny fampahalalam-baovao koa ankehitriny fa manohana ady sy asa fampihorohoroana ny mpitondra fivavahana sasany, ary misy aza mametaveta ankizy.—Vakio ny Matio 24:3-5, 11, 12.

Milaza ny Baiboly fa misy karazany roa ny fivavahana, dia ny fivavahana marina sy diso. Tsy mampianatra ny marina momba an’Andriamanitra ny fivavahan-diso, nefa tian’i Jehovah hahafantatra ny marina momba azy ny olona.—Vakio ny 1 Timoty 2:3-5.

2. Hatao ahoana ny fivavahan-diso?

Milaza fa tia an’Andriamanitra ny fivavahana sasany, nefa mampianatra zavatra diso momba azy. Tsy tian’i Jehovah ho voafitak’ireny isika. Mifandray be amin’izao tontolo izao ny mpivavaka ao amin’ireny fivavahana ireny, nefa i Satana Devoly no mitondra an’izao tontolo izao. (Jakoba 4:4; 1 Jaona 5:19) Antsoin’ny Baiboly hoe mpivaro-tena ny fivavahan-diso satria manohana ny fitondran’olombelona. Antsoiny koa hoe “Babylona Lehibe” izy ireny. Tao amin’ilay tanàna hoe Babylona mantsy no nisy fivavahan-diso voalohany, taorian’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Kely sisa dia horinganina izay fivavahana mamitaka sy mampijaly ny olona.—Vakio ny Apokalypsy 17:1, 2, 5, 17; 18:8, 23, 24.

3. Inona no zavatra mahafaly hitranga eran-tany?

Vaovao tsara izany hoe horavana tsy ho ela izany ny fivavahan-diso. Tsy hijaly intsony ny olona eran-tany amin’izay. Tsy hamitaka na hampisaratsaraka ny olona intsony ny fivavahan-diso. Iray ihany ny fivavahana amin’izay, ka hiara-manompo an’ilay tena Andriamanitra ny olona rehetra.—Vakio ny Isaia 11:9; Apokalypsy 18:20, 21; 21:3, 4.

4. Inona no tokony hataontsika?

Tsy hadinon’Andriamanitra ny olona tia azy, na dia mbola miparitaka any amin’ny fivavahan-diso maro eran-tany aza. Efa mampianatra azy ireny ny marina izao izy, satria tiany hangonina ho ao amin’ny fivavahana marina izy ireny. Mila manaraka ny fivavahana marina àry isika.—Vakio ny Mika 4:2, 5.

Raisin’i Jehovah ho anisan’ny fianakaviany izay manompo azy, ka miala amin’ny fivavahan-diso. Mety hahatezitra ny namany sy ny havany izany. Hahazo valisoa be dia be anefa izay manompo an’i Jehovah satria ho lasa namany, hahazo “fianakaviana” vaovao sady tena tia azy, ary hiaina mandrakizay amin’ny hoavy.—Vakio ny Marka 10:29, 30; 2 Korintianina 6:17, 18.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 15, sy 16, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

The Complete Encyclopedia of Illustration/J. G. Heck