Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manatòna An’Andriamanitra

Mpamaly Soa An’izay Manompo Azy i Jehovah

Mpamaly Soa An’izay Manompo Azy i Jehovah

FALY isika rehefa isaoran’ny olona satria nanome zavatra azy na nahavita zavatra tsara. Mahafinaritra mantsy izany. Vao mainka aza isika faly raha olona tiantsika no misaotra antsika. I Jehovah Andriamanitra no tiantsika indrindra. Mankasitraka ny ezaka ataontsika mba hanompoana azy ve anefa izy? Andeha hojerentsika izay nataony tamin’i Ebeda-meleka, ilay lehilahy nanao vivery ny ainy mba hamonjena ny mpaminaniny.—Vakio ny Jeremia 38:7-13 sy 39:16-18.

Tandapan’i Zedekia mpanjakan’ny Joda i Ebeda-meleka. Nanao ratsy ny olona tao Joda tamin’ny androny, ka nirahin’i Jehovah i Jeremia hilaza hoe tsy ho ela dia horinganina izy ireo. Natahotra an’Andriamanitra i Ebeda-meleka sady tena nanaja an’i Jeremia, na dia tsy toy izany aza ny andriana niaraka taminy. Nampangain’ireo andriana ratsy fanahy ireo i Jeremia hoe nanozona ny fireneny. Natsipin’izy ireo tao anaty lavaka fanangonan-drano feno fotaka àry izy, ary navelan’izy ireo ho faty tao. (Jeremia 38:4-6) Tamin’izay no tena nahitana hoe tsara toetra i Ebeda-meleka.

Be herim-po izy ka tonga dia nanao zavatra. Tsy natahotra izy na dia hamaly faty aza ireo andriana ireo. Teo imason’ny olona rehetra izy no niteny tamin’i Zedekia fa tsy rariny ny nataon’ireo andriana tamin’i Jeremia. (Jeremia 38:9) Notondroiny mihitsy aza angamba izy ireo tamin’izy niteny an’izany. Nasain’i Zedekia nitondra 30 lahy hamonjy an’i Jeremia àry i Ebeda-meleka.

Tsara fanahy koa i Ebeda-meleka. ‘Naka voro-damba sy tapa-damba tonta izy, ka nampidininy tamin’ny tady tao amin’i Jeremia izany.’ Amin’izay mantsy tsy maratra ny helik’i Jeremia rehefa sintonina avy ao amin’ilay lavaka lalina be izy.—Jeremia 38:11-13.

Nankasitrahan’i Jehovah ve izany zavatra nataon’i Ebeda-meleka izany? Nomen’i Jehovah toky tamin’ny alalan’i Jeremia i Ebeda-meleka fa ho voavonjy izy rehefa haringana i Joda. Naveriny indimy mihitsy aza izany, hoe: ‘Hanafaka anao aho. Tsy hatolotra eo an-tanan’ireo olona ireo ianao. Hataoko afa-mandositra ianao. Tsy ho lavon-tsabatra ianao. Ary ny ainao no ho babonao.’ Nahoana i Jehovah no nampanantena an’izany? Fantany mantsy fa tsy hoe te hanampy an’i Jeremia fotsiny i Ebeda-meleka, fa tena nino sy “natoky” an’Andriamanitra mihitsy koa.—Jeremia 39:16-18.

Hita avy amin’izany fa tena mankasitraka ny fanompoana ataontsika i Jehovah. Manome toky antsika izy fa tadidiny foana izay zavatra nataontsika ho azy na dia kely aza, satria nataontsika tamin’ny fo manontolo. (Marka 12:41-44) Tsy mba tianao ve ny ho naman’izany Andriamanitra mahay mankasitraka izany? Ho hitanao amin’izay fa “mpamaly soa an’izay mitady mafy azy” tokoa izy.—Hebreo 11:6.

Famakiana Baiboly amin’ny Mey:

Jeremia 32-50