Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fiainana Fahiny: Ny Mpamboly

Ny Fiainana Fahiny: Ny Mpamboly

Ny Fiainana Fahiny: Ny Mpamboly

‘Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Koa iangavio ny Tompon’ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.”’—MATIO 9:37, 38.

MATETIKA i Jesosy no nampiasa ohatra momba ny fambolena rehefa nampianatra. (Matio 11:28-30; Marka 4:3-9; Lioka 13:6-9) Mpamboly mantsy ny ankamaroan’ny olona nihaino azy. Fomba fambolena efa fanao hatramin’ny ela be no narahin’izy ireo. Azon’izy ireo tsara àry ny ohatra nolazain’i Jesosy satria fanaon’izy ireo andavanandro. Fantatr’i Jesosy tsara izy ireo, ary nisy vokany tamin’izy ireo ny fampianarany.—Matio 7:28.

Vao mainka ho tiantsika ny ohatra nampiasain’i Jesosy sy ny tantara hafa ao amin’ny Baiboly, raha mahafantapantatra momba ny fambolena fahiny isika. Ohatra hoe ny voa nambolena, ny fitaovana nampiasaina, ary ny olana nahazo ny mpamboly.

Andeha àry isika handinika an’izany, ka vakio ny andinin-teny ary makà lesona.

Fotoana ambolena

Vao maraina ny andro ary mifoka rivotra madio avy eo am-baravarany ilay mpamboly. Mitaratra be ny masoandro ka arovany amin’ny tanany ny masony. Tokony hasaina amin’izay ny tany satria efa malemilemin’ny orana. Lanjain’ilay mpamboly eo an-tsorony ny angadinomby ary lasa izy mankany an-tsaha.

Asiany zioga ny ombiny, ary tairiny hiasa avy eo. Atsatony lalina amin’ny tany ny lelan’ilay angadinomby. Tsy mamadika bainga ilay izy fa manisy soritra fotsiny, ka lasa misy hoatran’ny tatatra marivo (1) eo amin’ilay tanimboly. Mitady hianjera mihitsy ilay mpamboly satria miezaka mafy manao izay hampahitsy an’ilay soritra. Tsy miherikerika mihitsy izy raha tsy izany mivilana ilay izy. (Lioka 9:62) Tsy mihoatra ny faritry ny tanimboliny izy, ary ataony izay hikarakarana tsara azy io.

Azo ambolena amin’izay izao ilay tany, satria efa misy an’ilay hoatran’ny tatatra marivo. Mitazona harona misy vary orza amin’ny tanany iray ilay mpamboly, ary ny tanany ilany kosa mamafy voa (2). Misy tany mafy be fandehanana eo amin’ilay tanimboly, ka mitandrina tsara izy mba tsy hilatsaka eny ny voa fa eny amin’ny “tany tsara.”—Lioka 8:5, 8.

Aravona amin’izay ny tany rehefa avy eo. Misy hazo misy kinifinifiny, afatotr’ilay mpamboly amin’ny ombiny, ka iny no taritina eo amin’ilay tanimboly. Mikiririoka sy mitsaingoka an’ireo voa mbola tsy tototry ny tany ny vorona. Mampiasa lapìka (3) avy eo ilay mpamboly mba hiavana ny tany sy hanesorana ny ahidratsy. Mety hangeja ny voa mitsiry mantsy izy ireny.—Matio 13:7.

Fotoana ijinjana

Lasa ny volana maro ary milatsaka ny orana. Masaka amin’izay ilay vary orza. (Jaona 4:35) Tsotsofin’ny rivotra ilay izy ka mihofahofa erỳ. Fotsifotsy be no fijery an’ilay tanimboly rehefa tarafin’ny masoandro.

Be atao ilay mpamboly sy ny fianakaviany rehefa fotoam-pijinjana. Izao avy no ataon’izy ireo amin’izany: Maka tahom-bary vitsivitsy amin’ny tanany havia ilay mpijinja, ary ny tanany havanana no manapaka izany amin’ny antsim-bilona (4). Ny hafa manangona an’izay voajinja, ka manambatra azy ho lasa amboara (5). Atao eo ambony ampondra na sarety (6) ilay izy avy eo mba hoentina any am-pamoloana.

Mipoaka be ny masoandro. Maka aina kely vetivety eo ambany alokaloky ny aviavy ilay mpamboly sy ny fianakaviany. Miara-mihomehy sy miresadresaka izy ireo, ary miara-misakafo. Mofo, voa nohamainina, oliva, aviavy maina, ary voaloboka no sakafon’izy ireo. Misotro rano avy amin’ny loharano izy ireo avy eo.—Deoteronomia 8:7.

Misy olona mitsimpona salohim-bary latsaka (7), eo amin’ilay tanimboly eo akaiky eo. Mahantra ny sasany amin’izy ireo ka tsy manana tanimboly.—Deoteronomia 24:19-21.

Rehefa voatitra any am-pamoloana ny salohim-bary, dia aparitak’ilay mpamboly eo amin’ny tany ambony toerana sady mafy tsara. Hosihosena ny salohim-bary avy eo, ka ny ombiny no asainy mihodinkodina mitarika fitaovana mavesatra hanaovana izany (8). (Deoteronomia 25:4) Misy vato maranitra sy vy ao ambanin’io fitaovana io, ka iny no manapatapaka an’ireo salohim-bary.

Miandry an’ilay tsio-drivotra amin’ny hariva iny ilay mpamboly vao mikororoka ny vary. (Rota 3:2) Mampiasa fitaovana hafa indray (9) izy, ka ingainy amin’iny ireo salohim-bary efa voahosihosy dia atsipiny. (Matio 3:12) Milatsaka amin’ny tany ny vary amin’izay satria mavesatra, fa ny mololo kosa entin’ny rivotra. Izay foana no averimberiny mandra-pahavitan’ny fikororohana.

Sivanina indray ny vary ny ampitso maraina ka ny vadin’ilay mpamboly sy ny zanany vavy no manao izany (10). Ahetsiketsik’izy ireo ilay fanasivanana feno vary sy vatokely. Milatsaka ao anaty harona ny vary orza, fa ny vato kosa ariana. Be dia be ny vokatra ka ataon’ireo mpiasa ao anaty siny (11) ny vary sasany, fa ny ambiny alefa ao anaty lavaka fitehirizam-bokatra.

Vita ny asa rehetra! Vizana ilay mpamboly ka somary henjaniny ny tanany sy ny vatany mba hahazoany aina. Mijoro eo amin’ilay famoloana izy sady mijery ny manodidina. Afa-po erỳ izy mitazana an’ilay tanimboliny feno mololo. Izany mantsy no porofo fa niasa mafy nandritra ny andro maro izy. Variana koa izy mitazana mpiasa mikarakara tanimboly. Misy voaloboka, oliva, ampongabendanitra, ary aviavy eo amin’ilay izy. Misy mpiray tanàna aminy miasa tany eo akaiky eo, mikopakopaka miarahaba azy. Kôkômbra, voanemba, tsaramaso, poarô, voanjobory, ary tongolobe no amboleny. Faly erỳ ilay mpamboly ka miandrandra ny lanitra, sady manao vavaka fohy mba hisaorana an’Andriamanitra noho ny zava-tsoa nomeny.—Salamo 65:9-11.

[Sary, pejy 28, 30]

(Jereo ny gazety)