Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahazoana “Fiainana Mandrakizay”

Ahazoana “Fiainana Mandrakizay”

Ahazoana “Fiainana Mandrakizay”

“Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—JAONA 17:3.

METY hamonjy aina ny fahalalana. Narary, ohatra, i Nouhou, zaza folo volana any Niger. Tonga dia fantatry ny reniny izay tokony hatao satria mpitsabo mpanampy izy. Naka rano madio sy siramamy ary sira izy, ary nafangarony ireo mba hosotroin’ilay zaza. Namerina ny rano tsy ampy tao amin’i Nouhou izany. Nilaza ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza (UNICEF) fa “voavonjy ilay zaza, satria nahalala momba ny fitsaboana ilay reniny sady tonga dia nanao zavatra.”

Mamonjy aina koa ny fahalalana ao amin’ny Baiboly. Hoy i Mosesy, mpanoratra Baiboly: “Tsy teny tsy misy vidiny ireo, fa ireo no antoky ny fiainanareo. Ary ireo teny ireo no hahalava andro iainana anareo.” (Deoteronomia 32:47) Mahalava andro iainana tokoa ve ny Baiboly? Amin’ny fomba ahoana?

Hita tao amin’ireo lahatsoratra dimy teo aloha fa miavaka ny Baiboly. Tanteraka foana mantsy izay lazainy mialoha, marina ny tantara ao, mifanaraka amin’ny siansa sy mirindra ny zavatra lazainy, ary tsy lany andro ny toroheviny. Koa raha manoro anao ny fomba hahazoana fiainana mandrakizay àry izy io, tsy tokony handinika izay lazainy ve ianao?

Hiadan-tsaina ianao dieny izao ary ho sambatra amin’ny hoavy, raha mahalala ny marina ao amin’ny Baiboly. Asainay àry ianao hianatra Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa ho faly hanampy anao izy ireo.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Miavaka koa ny Baiboly satria izy io irery no mahavaly tsara an’ireto:

• Inona no antony namoronana antsika?

• Nahoana no be dia be ny fijaliana?

• Mbola hahita ny havantsika efa maty ve isika?

Manampy anao hahita ny valin’ireo ity boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ity. Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?