Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manatòna An’Andriamanitra

‘Hiondrika eo Amiko Ianao’

‘Hiondrika eo Amiko Ianao’

TOETRA tsara ny fanetren-tena. Mora hatonina ny olona manetry tena. Olona maro anefa no tsy manetry tena, indrindra fa ireo manana fahefana. Toy izany koa ve i Jehovah Andriamanitra, ilay manam-pahefana lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao? Mba hamaliana izany, dia andeha isika handinika ny tenin’i Jeremia mpaminany ao amin’ny Fitomaniana 3:20, 21.—Vakio.

Tao anaty fotoan-tsarotra ny firenen’Israely tamin’i Jeremia nanoratra ny Fitomaniana. Navelan’i Jehovah horavan’ny Babylonianina i Jerosalema tamin’izay, satria nanota ny Israelita. Nanatri-maso ny nandravana an’io tanàna tsy foiny io i Jeremia ka nalahelo be, na dia fantany aza hoe famaizana avy amin’i Jehovah ilay izy. Kivy ve anefa izy? Nihevitra ve izy fa mafy fo sy tsy miraharaha ny hafa mihitsy i Jehovah, ka tsy mba mahita ireo mibebaka sady tsy manampy ny kivy? Andeha isika hijery izay nolazain’i Jeremia rehefa nitalaho ho an’ny vahoakany izy.

Nalahelo be ny ankamaroan’ny olona tamin’izay. Be fanantenana anefa i Jeremia ka hoy izy tamin’i Jehovah: “Hahatsiaro izany tokoa ianao ka hiondrika eo amiko.” (Andininy 20) Natoky tanteraka i Jeremia fa tsy hanadino azy sy ireo vahoakany nibebaka i Jehovah. Inona anefa no hataon’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra?—Apokalypsy 15:3.

Azon’i Jeremia antoka fa “hiondrika” eo amin’ireo tena mibebaka aminy i Jehovah. Hitantsika amin’izany fa tsara fanahy i Jehovah, ilay “Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo.” (Salamo 83:18) Toy ny hoe hiondrika mantsy izy rehefa hamela ny heloky ny mpivavaka aminy, mba hahazoan’izy ireo sitraka aminy indray. Latsa-paka tany am-pon’i Jeremia izany fanantenana izany ka nanjary tony ny fony. Vonona hiandry ny fotoana hanafahan’i Jehovah ny vahoakany mibebaka io mpaminany tsy nivadika io.—Andininy 21.

Mampianatra antsika toetra roa ananan’i Jehovah ny tenin’i Jeremia. Voalohany, manetry tena izy. (Salamo 18:35) “Lehibe amin’ny hery” izy nefa toy ny hoe vonona hiondrika hitovitovy amintsika, mba hanampy antsika rehefa kivy isika. (Joba 37:23; Salamo 113:5-7) Tsy mampahery ve izany? Faharoa, be famindram-po i Jehovah ka “vonona hamela heloka” an’izay tena mibebaka, ary hankasitraka azy ireo indray avy eo. (Salamo 86:5) Hita amin’izany fa mifampiankina ny fanetren-tena sy ny famindram-po.

Tena mankasitraka an’i Jehovah isika satria mamindra fo sy miahy antsika izy, fa tsy mba toa an’ireo mpitondra olombelona. Vonona “hiondrika” izy rehefa hanampy ny mpanompony kivy sy hanome fanantenana azy ireo. Tsy mandrisika anao hianatra bebe kokoa momba an’io Andriamanitra manetry tena io ve izany?

Famakiana Baiboly amin’ny Jona:

Jeremia 51-52; Fitomaniana 1-5Ezekiela 1-5

[Teny notsongaina, pejy 14]

Toy ny hoe vonona hiondrika hitovitovy amintsika i Jehovah, mba hanampy antsika rehefa kivy isika