Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

I Coverdale sy ny Baiboly Anglisy Voalohany

I Coverdale sy ny Baiboly Anglisy Voalohany

I Coverdale sy ny Baiboly Anglisy Voalohany

I MILES COVERDALE no nandika voalohany ny Baiboly manontolo tamin’ny teny anglisy. Navoaka tamin’ny 1535 izy io saingy tsy hita ao hoe iza no namoaka azy. Tany am-ponja i William Tyndale namany tamin’izay noho izy nandika Baiboly. Novonoina ho faty mihitsy aza izy tamin’ny 1536.

Nampiasa ny asa soratr’i Tyndale i Coverdale rehefa nandika Baiboly. Nahavita nanao pirinty azy io koa izy, nefa tsy novonoina ho faty toy ny mpandika teny hafa tamin’izany. Fa ahoana no nataony? Inona no vitan’i Coverdale tamin’ny farany?

Ny niandohan’ny asa nataony

Teraka tany Yorkshire, any Angletera, tamin’ny 1488 tany ho any i Miles Coverdale. Nianatra tany amin’ny Oniversiten’i Cambridge izy ary lasa pretra katolika tamin’ny 1514. Liana tamin’ny fanavaozana ny Eglizy izy, ary vao mainka nampirisika azy hanao izany i Robert Barnes, mpampianatra azy. Nitsoaka tany Eoropa i Barnes tamin’ny 1528. Nodoran’ny mpitondra fiangonana teo amin’ny tsato-kazo izy, 12 taona taorian’izay.

Noresahin’i Coverdale tany am-piangonana, tamin’ny 1528, fa tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny fivavahana amin’ny sary sy ny fanaovana konfesy ary ny lamesa. Notandindomin-doza àry ny ainy ka voatery nandositra tany Eoropa izy, ary nijanona tany fito taona teo ho eo.

Nijanona tany Hambourg, any Alemaina, niaraka tamin’i William Tyndale i Coverdale. Niara-niasa izy ireo satria samy te hamoaka Baiboly azon’ny rehetra vakina. Afaka nianatra nandika Baiboly tamin’i Tyndale i Coverdale tamin’izay.

Fotoanan’ny fiovana

Niova ny zava-nisy tany Angletera nandritra izany fotoana izany. Tsy nanaiky ny fahefan’ny papa intsony ny Mpanjaka Henri Faha-8, tamin’ny 1534. Nekeny koa ny hamoahana Baiboly amin’ny teny anglisy ho an’ny rehetra. Nanomboka an’ilay asa àry i Coverdale. Tena nahay teny anglisy izy, saingy tsy nahay teny hebreo sy grika toa an’i Tyndale, ilay namany sady mpampianatra azy. Dikan-teny latinina sy alemà àry no nampiasainy rehefa nanavao ny fandikan-tenin’i Tyndale izy.

Natao pirinty tany Eoropa ny Baibolin’i Coverdale tamin’ny 1535, herintaona talohan’ny namonoana an’i Tyndale. Misy teny fandokafana an’i Henri Mpanjaka ao amin’ny teny fampidirana azy io. Nanome toky an’i Henri i Coverdale fa tsy nampidirina ao izay fanamarihana nataon’i Tyndale ka mety hiteraka adihevitra. Nolazain’i Tyndale tao amin’ny fanamarihany mantsy fa misy zavatra ampianarin’ny Eglizy Katolika tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina. Nanaiky ny hamoahana an’ilay Baiboly àry i Henri. Nanomboka nihatsara ny zava-nisy.

Nisy Baibolin’i Coverdale karazany roa natao pirinty tany Angletera, tamin’ny 1537. Neken’i Henri Mpanjaka koa ny hamoahana ny Baibolin’i Matthew, tamin’io taona io ihany. Ny asan’i Tyndale sy Coverdale no natambatra tao, ary tany Anvers izy io no natao pirinty.

Hitan’i Thomas Cromwell, mpanolo-tsain’ny mpanjaka, fa nila nohavaozina ny Baibolin’i Matthew. Nanohana ny heviny i Cranmer, Arsevekan’i Cantorbéry. Nasaina nohavaozin’i Coverdale àry izy io. Nantsoina hoe Baiboly Lehibe ilay dikan-teny nohavaozina noho ny habeny. Neken’i Henri Mpanjaka ny hamoahana an’io Baiboly io tamin’ny 1539. Nasainy nasiana azy io tany am-piangonana mba hovakin’ny rehetra, ka faly erỳ ny olona eran’i Angletera.

Lova avy amin’i Coverdale

Voatendry ho evekan’i Exeter i Coverdale tamin’ny 1551, rehefa lasa mpanjaka i Édouard Faha-6 taorian’ny nahafatesan’i Henri Faha-8. Voatery nandositra tany Danemark anefa izy tamin’ny 1553 rehefa i Marie no lasa mpanjaka solon’i Édouard. Katolika mantsy i Marie ka nanenjika an’izay tsy nety niova ho Katolika. Nifindra tany Soisa i Coverdale tatỳ aoriana mba hanohy ny asany. Namoaka Testamenta Vaovao karazany telo tamin’ny teny anglisy niaraka tamin’ny teny latinina koa izy. Natao hianaran’ny mpitondra fivavahana izy ireo.

Nahagaga fa tsy nampiasa ilay anarana hoe “Jehovah” i Coverdale tao amin’ny Baiboly nadikany. In-20 mahery anefa i Tyndale no nampiasa an’io anarana io tamin’izy nandika ny Soratra Hebreo. Hoy i J. Mozley tao amin’ny boky I Coverdale sy ny Baiboliny (anglisy): “Tsy nety nampiasa an’ilay teny [Jehovah] mihitsy i Coverdale tamin’ny 1535.” Taorian’izay anefa, dia naveriny intelo tao amin’ny Baiboly Lehibe ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah.

Misy ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo (litera efatra) eo amin’ny fonon’ny Baibolin’i Coverdale. Izy io no Baiboly anglisy voalohany indrindra misy an’izany. Izy io koa no Baiboly voalohany tsy nampiditra an’ireo boky tsy anisan’ny Soratra Masina tao anelanelan’ireo boky ao amin’ny Soratra Hebreo. Natambany any amin’ny fanazavana fanampiny kosa izy ireny.

Nampiasain’ny mpandika teny tatỳ aoriana ny voambolana manokana fampiasan’i Coverdale. Anisan’izany ny hoe “lohasaha aloky ny fahafatesana” (Fandikan-teny Protestanta) sy ny hoe “hatsaram-panahy feno fitiavana.” (Salamo 23:4, 6) Nanazava an’ilay hoe “hatsaram-panahy feno fitiavana” ny Profesora S. Greenslade. Nilaza izy fa izy io no “teny manokana anavahana ny fitiavan’Andriamanitra ny vahoakany amin’ny fitiavany ny olon-drehetra sy ny famindram-pony.” Mampiasa an’io teny io koa Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

Milaza ny boky hoe Ireo Baibolin’i Angletera (anglisy) fa ilay Baiboly Lehibe nataon’i Coverdale no ‘vokatra azo avy tamin’ny ezaka rehetra natao handikana ny Baiboly tamin’ny teny anglisy. I Tyndale no nanomboka an’izany rehefa nandika ny Testamenta Vaovao izy.’ Nahatonga ny olona miteny anglisy ho afaka namaky ny Baiboly tamin’ny fiteniny àry ny fandikan-teny nataon’i Coverdale.

[Sary, pejy 11]

Ankavia: Anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo, eo amin’ny fonon’ilay Baiboly tamin’ny 1537

[Sary nahazoan-dalana]

Avy amin’ny boky The Holy Scriptures of the Olde and Newe Testamente With the Apocripha nosoratan’i Myles Coverdale

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Avy amin’ny boky Our English Bible: Its Translations and Translators