Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Zavatra Tsy Azo Tanterahina Mihitsy Ve?

Misy Zavatra Tsy Azo Tanterahina Mihitsy Ve?

Misy Zavatra Tsy Azo Tanterahina Mihitsy Ve?

SAMBO lehibe indrindra sy raitra indrindra tamin’ny androny ny Titanic. Noheverina ho “tsy mety rendrika” izy satria tena avo lenta ny fomba nanamboarana azy. Inona anefa no nitranga? Nidona tamin’ny vongan-dranomandry tany Atlantika Avaratra izy tamin’ny diany voalohany tamin’ny 1912 ary rendrika. Mpandeha 1 500 teo ho eo no maty. Nilentika tany ambanin’ny ranomasina, tao anatin’ny fotoana fohy, ilay sambo nolazaina fa tsy mety rendrika.

Betsaka ny zavatra heverin’ny olona hoe tsy ho tanteraka mihitsy. Mety hieritreritra izy hoe tsy ho vita ny miatrika an’ilay izy, na tsy azo tanterahina, na tsy takatry ny saina. Betsaka ny zava-bitan’ny teknolojia ankehitriny nefa noheverina hoe tsy ho vita mihitsy taloha satria tsy hain’ny olombelona sady tsy novinavinainy akory. Diniho ny zavatra tsy ninoan’ny olona hoe hitranga, vao 50 taona lasa izay, nefa tena niseho tatỳ aoriana: Mandefa olona eny amin’ny volana, mametraka fiara kely eny amin’ny planeta Marsa ary mibaiko azy io avy etỳ an-tany, mijery ny fototarazon’ny olona, mampiseho mivantana zava-mitranga iray mba ho hitan’ny olona ao amin’ny faritra iray na maneran-tany. Hoy i Ronald Reagan, filoha amerikanina taloha, tamin’ny manam-pahaizana maromaro: “Lasa zavatra mahazatra ankehitriny ny zavatra tsy ninoana mihitsy taloha, noho ianareo mampandroso ny teknolojia.”

Betsaka ny zava-bita miavaka ankehitriny. Hoy i John Brobeck mpampianatra: “Tsy afaka miteny amim-pahatsorana intsony ny mpahay siansa hoe tsy hitranga mihitsy ny zavatra iray. Ny azony lazaina dia hoe mety tsy hitranga ilay izy. Mety ho afaka hiteny anefa izy hoe tsy hitranga ilay izy, raha ny zavatra fantatsika hatramin’izao no jerena.” Nilaza ihany io mpampianatra io hoe raha misy zavatra tsy mampino antsika, dia mila fanazavana hafa isika. “Hery hafa tsy voazavan’ny siansa” izany, hoy izy. “Ny herin’Andriamanitra no ilazana azy ao amin’ny Soratra Masina.”

Tsy misy tsy vitan’Andriamanitra

Efa ela be talohan’ny fanamarihan’io mpampianatra io i Jesosy avy any Nazareta, ilay lehilahy niavaka indrindra, no niteny hoe: “Ny zavatra tsy hain’olombelona dia hain’Andriamanitra.” (Lioka 18:27) Ny fanahy masin’Andriamanitra no hery matanjaka indrindra eo amin’izao rehetra izao. Tsy misy fitaovana maoderina azo andrefesana ny heriny. Afaka manao zavatra tsy vitantsika samirery isika, noho io fanahy masina io.

Matetika isika no tojo zava-tsarotra heverintsika hoe tsy ho zaka mihitsy. Nodimandry, ohatra, ny olona akaiky antsika, na mafy loatra ny fiainantsika ao an-tokantrano. Mety ho nisy zavatra nahakivy be antsika koa ka toa tsy misy na inona na inona azontsika atao intsony. Mahatsiaro ho kivy sy tsy afa-manoatra isika. Inona àry no azo atao?

Misy olana toa tsy ho voavaha mihitsy indraindray. Milaza anefa ny Baiboly fa hahavita hiatrika azy ireny ny olona iray raha mino an’ilay Mahery Indrindra sy mangataka ny fanahiny masina ary miezaka mafy hampifaly azy. Nanome toky i Jesosy hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa na iza na iza miteny amin’ity tendrombohitra ity hoe: ‘Mialà eto ka mianjerà any an-dranomasina’, ary tsy misalasala ao am-pony fa manam-pinoana hoe hitranga tokoa izay lazainy, dia ho tanteraka izany.” (Marka 11:23) Hahavita hizaka sy hiatrika an’izay rehetra mitranga isika raha manaiky hotarihin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahiny masina.

Diniho, ohatra, ny lehilahy iray efa 38 taona nanambadiana. Tena vaky fo izy satria matin’ny kansera ny vadiny. Tsy zakany ny hoe tsy teo intsony ny vadiny ka imbetsaka izy no naniry ho faty. Nilaza izy fa nanjombona tanteraka ny fiainany. Rehefa mamisavisa ny lasa izy, dia hitany fa lasa zakany ny zavatra noheveriny fa tsy ho zakany noho izy nivavaka tamin-dranomaso sy namaky Baiboly isan’andro ary nitady mafy ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra.

Efa saika ratsy fiafara ny tokantranon’ny mpivady iray. Nahery setra ilay lehilahy ary zatra nanao zava-dratsy be dia be. Tsy nahazaka intsony ilay vadiny ka efa nanandrana namono tena. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ilay rangahy tatỳ aoriana. Niala tamin’ny fahazaran-dratsiny izy ary tsy nahery setra intsony, noho ny zavatra nianarany. Nahagaga an’ilay vehivavy ny fiovana nataon’ny vadiny izay noheveriny hoe tsy ho afaka hiova mihitsy.

Kivy tanteraka ny lehilahy iray mpidoroka zava-mahadomelina sy naloto fitondran-tena. Hoy izy: “Tsy nanana ny hajako intsony aho.” Nivavaka mafy izy hoe: “Tompo ô, fantatro fa tena misy ianao. Mba ampio aho!” Nivaly ny vavaka nataony. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ary tsy nampino ny fiovana nataony vokatr’izany. Hoy izy: “Matetika aho no nanamelo-tena sy nahatsiaro ho tsy nisy vidiny. Kivy tanteraka aho indraindray. Nanampy ahy anefa ny Tenin’Andriamanitra. Averimberiko ny andinin-teny nianarako tao amin’ny Baiboly, rehefa tsy mahita tory aho amin’ny alina. Tena nanampy ahy hanadio ny saiko izany.” Sambatra am-panambadiana izy izao ary mazoto manampy ny olona hatoky ny herin’ny Tenin’Andriamanitra izy mivady. Raha tamin’izy mbola tanora, dia tsy ho nino mihitsy hoe hahavita hiova toy ny amin’izao.

Asehon’ireo fitantarana ireo fa tena mahery ny Tenin’Andriamanitra ary mahavita zavatra tsy mampino ny fanahy masina. Mety hiteny anefa ianao hoe: “Mila finoana izany!” Marina izany satria hoy ny Baiboly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra.” (Hebreo 11:6) Eritrereto hoe olona ambony ao amin’ny banky na manam-pahefana ny namanao iray ary miteny aminao hoe: “Aza matahotra fa raha misy zavatra ilainao dia antsoy fotsiny aho.” Azo inoana fa hampahery anao izany. Mampalahelo anefa fa mandiso fanantenana antsika ny olombelona matetika. Mety hisy zava-mitranga tsy ahafahan’ilay namanao manatanteraka an’ilay fampanantenany na dia tsara fikasa aza izy. Tsy ho afaka hanampy anao intsony koa izy raha sanatria ka maty. Tsy misy mahazo an’Andriamanitra anefa ny zavatra rehetra mety hanjo ny olombelona. “Tsy hisy tsy ho tanteraka mantsy izay lazain’Andriamanitra”, hoy ny Baiboly.—Lioka 1:37.

“Mino izany ve ianao?”

Voaporofo tokoa hoe vitan’Andriamanitra izay rehetra lazainy, rehefa jerena ny tantara maro ao amin’ny Baiboly. Diniho ireto:

Nihomehy i Saraha, 90 taona, rehefa nilazana hoe hitera-dahy. Niteraka tokoa anefa izy ary ny Israelita no taranany. Natelin’ny trondro ngezabe i Jona. Nijanona tao an-kibon’io trondro io nandritra ny telo andro izy nefa velona ihany ka afaka nanoratra ny tantarany. Fantatr’i Lioka dokotera ny tsy mampitovy ny hoe tsy mahatsiaro tena sy hoe maty. Nilaza izy fa nianjera avy teny am-baravarankely teny ambony rihana ilay tovolahy antsoina hoe Eotyka. Maty izy io nefa natsangana ka velona indray. Tsy angano ireo. Diniho tsara ireo tantara ireo dia ho hitanao ny fahamarinany.—Genesisy 18:10-14; 21:1, 2; Jona 1:17; 2:1, 10; Asan’ny Apostoly 20:9-12.

Mahagaga ny tenin’i Jesosy tamin’i Marta namany. Hoy izy: “Izay rehetra velona ka maneho finoana ahy dia tsy ho faty mihitsy.” Toa sarotra inoana izany ka nametraka an’izao fanontaniana lalina izao i Jesosy: “Mino izany ve ianao?” Tokony hodinihintsika koa io fanontaniana io.—Jaona 11:26.

Hisy tokoa ve ny fiainana mandrakizay eto an-tany?

Hoy ny tatitra iray nataon’ny manam-pahaizana: “Mety ho efa kely sisa isika dia ho afaka hiaina elaela kokoa, mety hoe mandrakizay mihitsy aza.” Milaza Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy) fa tsy hoe sela mihasimba na zavatra toy izany no mahatonga antsika ho faty, fa zavatra tsy fantatra mihitsy ka mahatonga ny vatantsika tsy hiasa tsara sy tsy hiasa intsony amin’ny farany. * Hoy izy io: “Mihantitra ny olona, angamba satria tsy miasa tsara intsony ny zavatra mpibaiko ao amin’ny vatany nefa tena ilaina ireo mba hahatonga ny vatana hiasa tsara.”

Mahaliana daholo izany fanazavana omen’ny siansa izany. Maharesy lahatra kokoa anefa ny porofo omen’ny Baiboly momba ny hoe hisy fiainana mandrakizay. Mampanantena i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona sady Loharanon’aina, fa “hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana.” (Salamo 36:9; Isaia 25:8) Mino izany ve ianao? I Jehovah no mampanantena an’izany ary tsy vitany ny mandainga.—Titosy 1:2.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 Manazava bebe kokoa momba ny fahanterana sy ny halavan’ny androm-piainana ireo lahatsoratra voalohandohany ao amin’ny Mifohaza! Mey 2006 hoe “Ho Velona Firy Taona Ianao?”, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 27]

“Lasa zavatra mahazatra ankehitriny ny zavatra tsy ninoana mihitsy taloha.”—RONALD REAGAN

[Teny notsongaina, pejy 28]

Iza no itodihanao rehefa mitady tsy ho zakanao ny fiainana?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 27]

NASA photo