Ianaro ny Tenin’Andriamanitra
Nahoana Ianao no Tokony Hampiasa ny Anaran’Andriamanitra?
Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.
1. Nahoana no manana anarana Andriamanitra?
Azo antoka fa tianao kokoa raha antsoina amin’ny anaranao ianao, fa tsy hoe “ramose” na “madama.” Ny anaranao mantsy no anavahana anao. Antsoina hoe “Tompo Fara Tampony”, “Andriamanitra Mahery Indrindra”, ary “Mpamorona Be Voninahitra” koa Andriamanitra. (Genesisy 15:2; 17:1; Mpitoriteny 12:1) Nifidy anarana iantsoana azy anefa izy mba hahatonga antsika ho akaiky kokoa azy. Jehovah no anarany.—Vakio ny Isaia 42:8.
Nisy mpandika Baiboly nanolo ny anaran’Andriamanitra tamin’ny hoe “Andriamanitra” na “Tompo.” Miverina im-7 000 eo ho eo anefa ny anarany ao amin’ny Baiboly amin’ny soratra hebreo fahiny. Hita amin’izany fa tian’Andriamanitra ho fantatry ny olona ny anarany.—Vakio ny Isaia 12:4.
2. Nahoana isika no tokony hahafantatra ny anaran’Andriamanitra?
Tsy hoe mahay manonona ny anaran’Andriamanitra fotsiny ny olona mahafantatra ny anarany, fa minamana aminy koa. Ny hoe Jehovah dia midika hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” Manome toky antsika izany fa afaka manao izay rehetra ilaina izy mba hanatanterahana ny fikasany. Mino àry ny olona mahafantatra sy mampiasa ny anaran’Andriamanitra fa hotanterahiny izay nampanantenainy. (Salamo 9:10) Lasa matoky an’i Jehovah izy ireo ary ataony loha laharana eo amin’ny fiainany izy. Harovan’Andriamanitra àry izy ireo.—Vakio ny Salamo 91:14.
3. Nahoana no tian’Andriamanitra ho fantatry ny olona ny anarany?
Mahasoa ny mahafantatra ny anaran’Andriamanitra. Manampy antsika ho lasa namany sy hanantena fiainana mandrakizay izany. Tsy mahagaga raha tian’Andriamanitra hampahafantatra ny anarany isika.—Vakio ny Jaona 17:3; Romanina 10:13, 14.
Nampianatra momba ny zavatra nataon’Andriamanitra sy ny lalàny ary ny fikasany i Jesosy, mba hampahafantarana ny anaran’Andriamanitra. Mbola manao toy izany ny mpanara-dia azy ankehitriny. Toy ny vahoaka tafaray ‘mitondra ny anaran’Andriamanitra’ izy ireo.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:14; Jaona 17:26.
4. Inona no hataon’Andriamanitra mba hanomezana voninahitra ny anarany?
Tian’Andriamanitra homena voninahitra ny anarany satria misy manala baraka. Misy milaza, ohatra, hoe tsy namorona ny zava-drehetra izy ka tsy mila hankatoavina. Ny hafa indray milaza fa tsy miraharaha antsika izy ary avy aminy ny fijaliana. Maniratsira ny anaran’Andriamanitra ny olona toy izany. Tsy ho afaka hanao izany intsony anefa izy ireo rehefa horinganin’Andriamanitra.—Vakio ny Salamo 83:17, 18.
Handringana ny fitondran’olombelona i Jehovah ary hampisy fiadanana sy filaminana, mba hanomezana voninahitra ny anarany. (Daniela 2:44) Tsy ho ela ny rehetra dia hahafantatra fa i Jehovah no tena Andriamanitra.—Vakio ny Ezekiela 36:23; Matio 6:9.
Inona àry no tokony hataonao? Manatòna an’Andriamanitra ka ianaro ny Teniny ary miaraha amin’ireo olona tia azy. Tsy hohadinoin’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika rehefa hanome voninahitra ny anarany izy.—Malakia 3:16.
Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 1, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary, pejy 16]
Ny anaran’Andriamanitra tamin’ny soratra hebreo