Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanteraka Foana Izay Lazainy Mialoha

Tanteraka Foana Izay Lazainy Mialoha

“Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny fampanantenana rehetra nolazain’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo.”—JOSOA 23:14.

INONA NO MAMPIAVAKA NY BAIBOLY? Malaza ho tsy mazava sy tsy azo itokisana izay nolazain’ny mpisikidy fahiny momba ny hoavy. Toy izany koa ny tononandro ankehitriny. Misy indray maminavina ny hoavy arakarak’izay zava-misy ankehitriny. Tsy vitan’izy ireo anefa ny milaza amin’ny an-tsipiriany izay hitranga afaka taonjato maro. Ny Baiboly kosa “manambara hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao.” (Isaia 46:10) Lazainy mihitsy aza ny tsipiriany ary tanteraka foana izany avy eo.

OHATRA: Nahazo fahitana i Daniela mpaminany, tamin’ny taonjato fahenina Talohan’i Kristy (T.K.), hoe ho resin’i Gresy i Media sy Persa. Hitany koa fa raha vao avy mandresy ny mpanjakan’i Gresy ka lasa ‘matanjaka’, dia ho rava ny fanjakany. “Hisy fanjakana efatra” avy eo hisolo azy, ary avy amin’ny fireneny ihany izy ireo “saingy tsy hitovy hery aminy.”—Daniela 8:5-8, 20-22.

INONA NO LAZAIN’NY MPAHAY TANTARA? Lasa mpanjakan’i Gresy i Aleksandra Lehibe, 200 taona mahery taorian’ny andron’i Daniela. Resiny ny Fanjakana Medianina sy Persianina, ka nitariny hatrany amin’ny Reniranon’i Indus (any Pakistan ankehitriny) ny fanjakany. Maty tampoka anefa i Aleksandra tamin’izy 32 taona. Nisy ady avy eo teo akaikin’i Ipsos, any Azia Minora, ka ny jeneraliny efatra no nandresy. Nifampizaran’izy ireo ilay fanjakany tatỳ aoriana, saingy tsy nitovy tamin’ny fahefan’i Aleksandra ny fahefan’izy ireo.

AHOANA NY HEVITRAO? Misy boky mahavita milaza mialoha izay hitranga ve, ka tanteraka daholo avy eo izay lazainy? Sa hafa mihitsy ny Baiboly?

‘Be dia be ny zavatra lazain’ny Baiboly efa tanteraka ka tsy mitombina mihitsy ny hoe kisendrasendra fotsiny no nahatonga izany.’—MANDINIKA NY BAIBOLY NY MPAHAY LALÀNA IRAY (ANGLISY), NOSORATAN’I IRWIN LINTON