Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Nahoana ny godorao no nampiasain’ny olona fahiny hanaovana rihitra?

Hoy ny Baiboly momba an’ireo nanorina ny Tilikambon’i Babela: “Biriky no nataony solom-bato, ary godorao no nataony solon-drihitra.”—Genesisy 11:3.

Akora voajanahary avy amin’ny solitany ny godorao ary feno azy any Mezopotamia. Mivoaka avy any anaty tany ilay izy ary mihamaina. Voamariky ny olona fahiny fa miraikitra tsara izy io. Milaza ny boky iray fa “mety tsara hatao amin’ny trano biriky” ny godorao.

Miresaka momba ny tempoly iray miendrika piramida, tany amin’ny tanànan’i Ora fahiny, any Mezopotamia ny gazetiboky iray. Hoy ilay mpanoratra: “Mbola hita eny anelanelan’ireo biriky ny rihitra godorao, izay anisan’ny nampiasana voalohany ny solitany tany amin’ny faritra atsimon’i Irak. Ilay ranoka mainty maditidity izay nampiray ny olona tany amin’iny faritra iny fahiny no lasa fototry ny korontana sy ny herisetra any ankehitriny. Raha tsy nampiasana rihitra godorao ireo rindrina sy arabe somerianina dia ho mora simba ireo birikin-tany nanaovana azy. Tsy tantera-drano anefa izy ireo noho ny rihitra godorao ka naharitra an’arivony taona.”

Inona no karazana “taratasy” nampiasaina fahiny?

Hoy i Jaona mpanoratra Baiboly: “Manan-javatra maro tiako hosoratana aminareo aho. Tsy te hanao izany an-taratasy sy amin’ny ranomainty anefa aho.” (2 Jaona 12) Fa inona no karazana taratasy nampiasaina fahiny?

Taratasy vita amin’ny papyrus no dikan’ilay teny grika hoe kartes, izay nadika hoe “taratasy” teo. Karazan-jozoro ny papyrus. Toy izao no anazavan’ny boky iray ny fanamboarana taratasy avy amin’ny tahon’io zavamaniry io: “Mirefy telo metatra indraindray ny halavan’ny tahony. Voasana izy ireny ary tetehina manaraka ny lavany. Araikitra izy ireny mba hahazoana antontany iray ary tsindriana amin’ny antontany hafa mitsivalana. Totoina amin’ny kanonta hazo izy ireo avy eo ary kikisana mba halamalama.”

Nahita taratasy papyrus maro tany Ejipta sy tany amin’ny faritra manodidina ny Ranomasina Maty ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Hita teny amin’ireny toerana ireny ny taratasy papyrus sasany mirakitra ny Soratra Masina, ary tamin’ny andron’i Jesosy na talohan’izay mihitsy aza no nisiany. Azo inoana fa avy tamin’io karazana taratasy io no nanoratana voalohany an’ireo taratasy ao amin’ny Baiboly, toy ireo nosoratan’ny apostoly.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 11]

© FLPA/David Hosking/age fotostock

Spectrumphotofile/ photographersdirect.com