Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza Ilay Mpihaino Vavaka?

Iza Ilay Mpihaino Vavaka?

Iza Ilay Mpihaino Vavaka?

RAHA misy ny Mpihaino vavaka dia tsy maintsy ho izy no Mpamorona. Iza ankoatra an’izay namorona ny atidoha moa no hahavita hamantatra ny eritreritra? Iza ankoatra azy no ho afaka hamaly vavaka sy hanampy ny olombelona? Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Mety ve ny hinoana ny Mpamorona?’

Maro no mihevitra fa tsy maintsy mandà ny porofo aroson’ny siansa ny olona te hino ny Mpamorona. Tsy marina anefa izany araka izao manaraka izao:

▪ Asehon’ny fanadihadiana vao haingana natao tamin’ny mpampianatra siansa 1 646, tany amin’ny oniversite 21 any Etazonia, fa ny ampahatelony fotsiny no nifidy an’ilay hoe “Tsy mino an’Andriamanitra aho.”

Mpahay siansa maro, raha ny marina, no mino an’Andriamanitra.

Porofo fa misy ny Mpamorona

Tokony hanaiky ve isika hoe misy ny Mpihaino vavaka nefa tsy misy porofo akory? Tsy izany mihitsy. Tsy hoe manaiky befahatany ny dikan’ny hoe mino. Milaza ny Baiboly fa ‘ny finoana dia fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.’ (Hebreo 11:1) Milaza koa Ny Baiboly Anglisy Vaovao fa ‘ny finoana dia manome antoka antsika fa misy zavatra tsy hitantsika maso nefa tena misy.’ Tsy hitanao, ohatra, ny onjam-peo. Rehefa mampiasa finday anefa ianao dia miaiky fa misy izy ireny satria mandre feo ianao. Tsy hitantsika koa ilay Mpihaino vavaka nefa eo ireo porofo mandresy lahatra antsika fa tena misy izy.

Aiza no ahitantsika porofo fa tena misy Andriamanitra? Jereo fotsiny ny manodidina antsika. Hoy ny Baiboly: “Mazava ho azy fa nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.” (Hebreo 3:4) Tsy hitanao hoe mitombina ve izany? Hiaiky ianao hoe misy manan-tsaina kokoa noho ny olombelona any ho any, rehefa dinihinao ny filaminana eo amin’izao rehetra izao, ny niandohan’ny zavamananaina, na ny firafitr’ilay zavatra be pitsiny indrindra eto an-tany, dia ny atidohantsika. *

Voafetra ihany anefa ny azontsika fantarina avy amin’ny zavaboary. Manazava izany ity ohatra ity: Renao fa misy olona manatona ao am-baravarana. Fantatrao fa misy olona ao nefa tsy ho fantatrao izy raha tsy sokafanao ilay varavarana. Mila manao zavatra toy izany koa ianao raha te hahalala an’ilay nanao ny zavaboary.

Toa an’ilay varavarana ny Baiboly. Hahita ny porofon’ny fisian’Andriamanitra ianao rehefa sokafanao ilay izy, ka dinihinao ny tsipirian’ny faminaniana sasany sy ny fahatanterahany. * Hahafantatra ny toetran’ilay Mpihaino vavaka koa ianao rehefa vakinao ao ireo tantara mahakasika ny fomba nifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olona.

Hoatran’ny ahoana ilay Mpihaino vavaka?

Asehon’ny Baiboly fa Andriamanitra azo fantarina tsara ilay Mpihaino vavaka. Afaka mihaino izy sady mahazo an’izay resahina aminy. Hoy ny Baiboly: “Ry Mpihaino vavaka ô, ianao no hohatonin’ny karazan’olona rehetra.” (Salamo 65:2) Henoiny izay mivavaka aminy sy izay mino hoe hamaly vavaka izy. Manana anarana izy satria hoy ny Baiboly: “Lavitra ny ratsy fanahy i Jehovah, fa ny vavaky ny marina no henoiny.”—Ohabolana 15:29.

Manana fihetseham-po koa i Jehovah. “Andriamanitry ny fitiavana” izy ary antsoina hoe “Andriamanitra falifaly.” (2 Korintianina 13:11; 1 Timoty 1:11) Milaza ny Baiboly fa “nalahelo ny fony” rehefa niely be ny faharatsiana. (Genesisy 6:5, 6) Tsy marina ny hoe mampijaly ny olona Andriamanitra mba hitsapana azy ireo. Hoy ny Baiboly: “Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy.” (Joba 34:10) Mety hilaza ihany anefa ianao hoe: ‘Raha Andriamanitra no Mahery Indrindra, nahoana no mbola avelany hijaly isika?’

Manaja antsika Andriamanitra matoa isika navelany hifidy izay tiantsika hatao. Tsy mahafaly antsika ve izany? Mampalahelo fa maro no manao safidy ratsy ka lasa mijaly sady mampijaly ny hafa. Intỳ anefa misy fanontaniana mila saintsainina tsara: Ahoana no hanesoran’Andriamanitra ny faharatsiana sady hamelany antsika hanan-tsafidy ihany? Izany no horesahin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Raha mila fanazavana bebe kokoa momba ny porofon’ny fisian’Andriamanitra ianao, dia vakio ilay bokikely hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 10 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay boky hoe Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, mba hanampiana anao hahita porofo fa avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Baiboly.

[Efajoro, pejy 5]

Ny Fivavahana ve no Mahatonga Anao Hisalasala?

Mampalahelo fa ny fivavahana no mahatonga ny olona maro hisalasala raha misy Mpihaino vavaka mangoraka antsika. Voarohirohy amin’ny ady sy ny asa fampihorohoroana ny fivavahana ary milefitra amin’ny fametavetana ankizy, ka na ny mpivavaka aza lasa tsy mino an’Andriamanitra intsony.

Nahoana ny fivavahana no mahatonga ny olona hanao ratsy? Raha tsorina dia ny fivavahana no entin’ny olona hanaovana zava-dratsy. Nilaza mialoha ny Baiboly fa hampiasain’ny olona hanaovana zava-dratsy ny Fivavahana Kristianina. Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny mpiandraikitra kristianina: “Avy aminareo ihany no hipoiran’ny olona manolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.”—Asan’ny Apostoly 20:29, 30.

Maharikoriko an’Andriamanitra ny fivavahan-diso. Tompon’andraikitra amin’ny ‘ran’izay rehetra naripaka teny ambonin’ny tany’ ny fivavahan-diso, araka ny voalazan’ny Baiboly. (Apokalypsy 18:24) Fitiavana no toetran’ilay tena Andriamanitra nefa tsy mampianatra momba azy ny fivavahan-diso, ka meloka ho mandatsa-dra izy ireo eo imason’Andriamanitra.—1 Jaona 4:8.

Malahelo an’ireo ampijalin’ny fivavahana ilay Mpihaino vavaka. Tian’Andriamanitra ny olombelona ka tsy ho ela izy dia hampiasa an’i Jesosy mba hitsara ny mpivavaka mihatsaravelatsihy rehetra. Hoy i Jesosy: “Maro no hilaza amiko amin’izany andro izany hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô, moa ve izahay tsy efa naminany tamin’ny anaranao?’ ... Hotsoriko aminy anefa amin’izay fotoana izay hoe: Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mialà amiko, ianareo mpandika lalàna.”—Matio 7:22, 23.