Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo ny Finoan’izy Ireo

“Izay Alehanao no Halehako”

“Izay Alehanao no Halehako”

INY i Rota miaraka amin’i Naomy mamakivaky an’ilay lemaka avo any Moaba. Izy mianaka irery no mandeha eo amin’ilay toerana midadasika sady mandrivotra. Voamarik’i Rota fa efa mitehin-ko hariva ny andro ka mihalava ny aloky ny zavatra manodidina azy. Mijery an’ilay rafozany izy sady mieritreritra raha tokony hitady toerana hatoriana amin’izay. Tiany be i Naomy ary te hikarakara azy izy.

Samy vontom-pahoriana izy mianaka. Efa an-taonany maro i Naomy no maty vady. Maty vao haingana koa anefa ny zanany roa lahy, dia i Kiliona sy Malona. Malahelo be koa i Rota satria vadiny i Malona. Samy handeha ho any Betlehema any Israely izao izy mianaka. Hody any amin’ny taniny i Naomy fa i Rota kosa nandao ny fianakaviany, ny taniny, ny fomba amam-panaony rehetra, ary ny andriamaniny mba ho any amin’ny tany tsy fantany.—Rota 1:3-6.

Nahoana i Rota no vonona hanao an’izany fiovana lehibe izany? Ahoana no hahafahany hanorina fiainam-baovao sy hikarakara an’i Naomy? Hiana-javatra maro azo tahafina momba ny finoan’i Rota, tovovavy moabita, isika rehefa mandinika ny valin’ireo. Hojerentsika aloha ny nahatonga an’ireo vehivavy roa ireo hanao dia lavitra ho any Betlehema.

Fianakaviana nosarahin’ny fahafatesana

Teraka tany Moaba, firenena kely any atsinanan’ny Ranomasina Maty, i Rota. Marin-tampona ilay toerana, be tevana, ary tsy dia misy hazo. Matetika no nahavokatra ny “ambanivohitr’i Moaba”, na dia rehefa nisy mosary aza tany Israely. Izany, raha ny marina, no nahatonga an’i Rota hihaona voalohany tamin-dry Malona.—Rota 1:1.

Nisy mosary tany Israely ka tapa-kevitra i Elimeleka vadin’i Naomy fa hitondra ny vadiny sy ny zanany roa lahy any Moaba ka hanorim-ponenana any. Tsy maintsy ho nitsapa ny finoan’ny tsirairay tamin’izy ireo izany, satria tokony hivavaka tsy tapaka any amin’ny toerana masina nofidin’i Jehovah ny Israelita. (Deoteronomia 16:16, 17) Nahavita nihazona finoana matanjaka foana i Naomy. Vonton’alahelo anefa izy rehefa maty ny vadiny.—Rota 1:2, 3.

Nety ho nalahelo koa izy tatỳ aoriana rehefa nanambady vehivavy moabita ny zanany. (Rota 1:4) Fantatr’i Naomy fa nanao ezaka mafy i Abrahama razambeny mba ho olona avy amin’ny havany nanompo an’i Jehovah ihany no ho vadin’i Isaka zanany. (Genesisy 24:3, 4) Nampitandreman’ny Lalàn’i Mosesy ny Israelita, tatỳ aoriana, mba tsy hamela ny zanany hanambady hafa firenena, sao ho voatarika hanompo sampy ny vahoakan’Andriamanitra.—Deoteronomia 7:3, 4. *

Nanambady vehivavy moabita ihany anefa i Malona sy Kiliona. Mety ho nanahy na diso fanantenana i Naomy, nefa hita fa tena tsara fanahy tamin’i Rota sy Orpa vinantovaviny ary tena tia azy ireo. Nanantena angamba izy fa nety ho lasa mpanompon’i Jehovah toa azy izy ireo. Na ahoana na ahoana, dia tena tia an’i Naomy i Rota sy Orpa. Nanampy azy ireo izany rehefa nidonam-pahoriana izy ireo. Mbola tsy niteraka akory izy roa vavy dia efa maty vady.—Rota 1:5.

Toa tsy nanampy an’i Rota hiatrika loza toy izany ny fivavahany. Nivavaka tamin’ny andriamanitra maro ny Moabita, ary i Kemosy no lehibe indrindra taminy. (Nomery 21:29) Toa mitovy amin’ny ankamaroan’ny fivavahana tamin’izany ihany ny fivavahan’ny Moabita, ka nanao zavatra feno habibiana sy tsy mifaditrovana toy ny fanaovana sorona zazakely izy ireo. Azo antoka fa voamarik’i Rota hoe hafa mihitsy i Jehovah, Andriamanitry ny Israely, rehefa niresaka momba azy i Malona sy Naomy. Be fitiavana sy mamindra fo i Jehovah fa tsy mampihorohoro. (Deoteronomia 6:5) Rehefa maty ny vadin’i Rota dia vao mainka izy niaraka tamin’i Naomy. Tiany ny nihaino azy niresaka momba an’i Jehovah Andriamanitra Mahery Indrindra, ny asany mahagaga, ary ny fitiavany ny vahoakany sy ny famindram-pony tamin’izy ireo.

Tsy andrin’i Naomy kosa izay haharaisana vaovao avy any an-tanànany. Henony, indray mandeha, fa tsy misy mosary intsony any Israely. Mpivaro-mandeha angamba no niteny izany taminy. Nitsinjo ny vahoakany i Jehovah ka lasa “Tranon’ny Mofo”, araka ny dikan’ny anarany, indray i Betlehema. Tapa-kevitra ny hody i Naomy.—Rota 1:6.

Inona izao no hataon’i Rota sy Orpa? (Rota 1:7) Vao mainka nifankatia tamin’i Naomy izy roa, indrindra fa i Rota, noho ny fahoriana niarahan’izy ireo nizaka. Tsara fanahy sy nino an’i Jehovah foana i Naomy ary izany no nitiavan’i Rota azy. Niara-niainga ho any Joda izy telo mianaka.

Hita avy amin’ny tantaran’i Rota fa mety hidonam-pahoriana daholo na ny olona tsara sy marina, na ny olon-dratsy. (Mpitoriteny 9:2, 11) Hita avy amin’izany koa fa rehefa mila tsy ho zaka ny fahoriantsika dia hendry isika raha mitady fampaherezana sy fampiononana avy amin’ny hafa, indrindra fa avy amin’ireo mialoka amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra nivavahan’i Naomy.—Ohabolana 17:17.

Nanana fitiavana tsy miovaova i Rota

Nisy zavatra hafa nampiasa saina an’i Naomy rehefa lasa lavidavitra izy telo mianaka. Nieritreritra azy roa vavy sy ny fitiavana nasehon’izy ireo taminy sy tamin’ny zanany lahy izy. Tsy zakany ny hanampy enta-mavesatra azy ireo. Tsy hisy azony atao ho azy ireo mantsy raha handao ny taniny izy ireo ka hankany Betlehema hiaraka aminy.

Hoy i Naomy, nony farany: “Samia mody any an-tranon’ny reninareo avy ianareo. Ary i Jehovah anie haneho hatsaram-panahy feno fitiavana aminareo, toy ny nasehonareo tamin’ireo maty sy tamiko!” Nirary ny fitahian’i Jehovah ho azy ireo koa izy mba hahitan’izy roa vady sy fiainam-baovao. “Dia nanoroka azy roa vavy izy. Koa nitomany mafy izy ireo.” Tsy mahagaga raha niraiki-po tamin’io vehivavy tsara fanahy sy tsy tia tena io i Rota sy Orpa. Namerimberina niteny izy roa hoe: “Tsia, fa hiara-mody aminao any amin’ny firenenao izahay.”—Rota 1:8-10.

Tsy mora noresena lahatra anefa i Naomy. Nampisaintsaina azy ireo izy hoe tsy ho afaka hanampy azy ireo rehefa tonga any Israely, satria tsy manana vady hikarakara azy sady tsy manan-janakalahy azony omena azy ireo ho vady. Nilaza izy fa mafy taminy ny hoe tsy ho afaka hikarakara azy roa.—Rota 1:11-13.

Hitan’i Orpa fa marina ny tenin’i Naomy. Any Moaba ny havany, any ny reniny, ary any ny tranony. Toa ny mijanona any Moaba tokoa no mety aminy. Nalahelo àry izy nanoroka an’i Naomy ary lasa niverina.—Rota 1:14.

Ary i Rota? Nihatra taminy koa ny tenin’i Naomy. Hoy anefa ilay fitantarana: “I Rota kosa nifikitra taminy.” Nanohy ny diany angamba i Naomy ary nahatsikaritra fa mbola nanaraka azy ihany i Rota. Somary nibedy àry izy niteny an’i Rota hoe: “Jereo fa lasa nody any amin’ny fireneny sy ny andriamaniny ny rahavavinao maty vady. Modia miaraka aminy koa.” (Rota 1:15) Inona no voamaritsika eo? Tsy hoe nody tany amin’ny fireneny fotsiny i Orpa fa niverina nivavaka tamin’ny “andriamaniny” koa. Ampy azy ny nivavaka tamin’i Kemosy sy ny andriamani-diso hafa. Toy izany koa ve i Rota?

Fantatr’i Rota fa tiany tamin’ny fony i Naomy sy ilay Andriamaniny. Feno toky àry izy niteny toy izao, rehefa nifanatrika tamin’i Naomy teo amin’ilay lalana tsy misy mpandeha: “Aza manery ahy handao anao sy hisaraka aminao, fa izay alehanao no halehako, ary izay atorianao no hatoriako. Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro. Izay toerana ahafatesanao no hahafatesako, ary any no hilevenako. Hofaizin’i Jehovah anie aho, ary mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka ahy aminao!”—Rota 1:16, 17.

Tena miavaka ireo tenin’i Rota ireo ka mbola tsaroan’ny olona foana, 3 000 taona atỳ aoriana. Hita avy amin’ireo fa nanana fitiavana tsy miovaova izy ary toetra sarobidy izany. Tena mahery sy tsy miovaova ny fitiavan’i Rota ka nifikitra tamin’i Naomy izy na taiza na taiza nalehany, ary faty ihany no nisarahan’izy ireo. Vonona handao ny zava-drehetra tany Moaba i Rota, anisan’izany ireo andriamanitra moabita, ka ny firenen’i Naomy no ho lasa fireneny. Tsy toa an’i Orpa izy fa afaka niteny tamin’ny fony manontolo hoe tiany ho Andriamaniny koa i Jehovah, ilay Andriamanitr’i Naomy. *

Nanohy an’ilay dia lavitra nizotra ho any Betlehema izao izy mianaka. Mety haharitra herinandro ilay dia, araka ny tombantombana iray. Azo antoka anefa fa tsy dia nalahelo izy mianaka rehefa niaraka teny.

Tsy lany mihitsy ny fahoriana eto amin’ity tontolo ity. Betsaka ny zavatra mety hafointsika ary mety halahelo isika amin’izao fotoana iainantsika izao, izay antsoin’ny Baiboly hoe “fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” (2 Timoty 3:1) Vao mainka àry tena ilaina ny toetra toy ny an’i Rota, satria mahatonga ny olona iray hanao zavatra tena tsara na dia tsy toy izany aza ny manodidina azy. Ny fitiavana tsy miovaova mantsy mifikitra amin-javatra iray ary tsy miala amin’izany mihitsy. Mila azy io ny mpivady, ny mpianakavy, ny mpinamana, ary ny iray fiangonana. Manahaka an’i Rota isika rehefa miezaka hanana an’io karazana fitiavana io.

Tonga tany Betlehema

Mazava ho azy fa samy hafa ny miteny hoe manana fitiavana tsy miovaova sy ny manaporofo izany. Afaka nanaporofo tamin’i Naomy sy tamin’i Jehovah, ilay Andriamanitra nofidiny, i Rota fa tsy miovaova ny fitiavany azy ireo.

Tonga tany Betlehema ihany izy mianaka. Folo kilaometatra eo ho eo any atsimon’i Jerosalema izy io. Toa olona nanana ny naha izy azy ry Naomy mianakavy tao amin’io tanàna kely io, matoa naresaka be ny fiverenan’i Naomy. Nandinika azy ny vehivavy tao an-tanàna ary niteny hoe: “I Naomy ve io?” Niova be izy. Hita tamin’ny endriny sy ny paoziny fa niaritra ny mafy sy nijaly nandritra ny taona maro izy, tany Moaba.—Rota 1:19.

Nolazain’i Naomy tamin’ireo vehivavy havany sy mpiray tanàna taminy taloha ireo fa nangidy ny fiainany. Nolazainy mihitsy aza fa tokony hovana ny anarany ka tsy hatao intsony hoe Naomy, izay midika hoe “Mahafinaritra Ahy”, fa hoe Mara, izany hoe “Mangidy.” Nampalahelo be izy! Toa an’i Joba, izay velona talohany, dia nino izy fa i Jehovah Andriamanitra no nampangidy ny fiainany.—Rota 1:20, 21; Joba 2:10; 13:24-26.

Nanomboka nieritreritra ny fomba hiveloman’izy sy Naomy i Rota rehefa nipetraka tao Betlehema. Fantany fa nisy fandaharana feno fitiavana hanampiana ny mahantra, tao amin’ny Lalàna nomen’i Jehovah ho an’ny Israelita. Afaka nankeny an-tsaha ny mahantra rehefa fotoam-pijinjana, ka nanaraka ny mpijinja ary naka izay latsaka sy izay naniry teny amin’ny sisin’ny saha. *Levitikosy 19:9, 10; Deoteronomia 24:19-21.

Fotoana fijinjana orza tamin’izay, tokotokony ho tamin’ny volana Aprily. Nankeny an-tsaha i Rota ary nijery hoe tanin’iza no azony itsimponana orza. Sendrasendra no nahatongavany teo amin’ny sahan’i Boaza. Lehilahy mpanankarena izy io ary havan’i Elimeleka vadin’i Naomy. Afaka nitsimpona orza avy hatrany i Rota, raha ny Lalàna no jerena. Niera tamin’ilay tovolahy niandraikitra ny mpijinja anefa izy aloha. Navelan’ilay tovolahy izy ka nanomboka niasa.—Rota 1:22–2:3, 7.

Alao sary an-tsaina i Rota manaraka an’ireo mpijinja. Manapaka orza amin’ny antsy fijinjana izy ireo ary i Rota kosa miondrika maka an’izay latsaka. Atambatr’i Rota ho lasa amboara ireo salohy ary angoniny amin’ny toerana iray mba hovelezina. Ela be sy mandreraka izany ary mihamafy arakaraka ny fandrosoan’ny ora. Tsy nijanona mihitsy anefa i Rota raha tsy hoe hamafa ny hatsembohana eo amin’ny handriny na hisakafo kely, angamba tao amin’ny toerana iray natao hialofan’ny mpiasa amin’ny masoandro.

Tsy nieritreritra na nanantena ny ho voamarika i Rota nefa nisy nahamarika. Nahita azy i Boaza ary nanontany an’ilay tovolahy nasaina niandraikitra ny mpijinja hoe iza io tovovavy io. Toy ny zanaka no fiheveran’io lehilahy tia an’i Jehovah io an’i Rota. Lehilahy nanam-pinoana i Boaza ary niarahaba an’ireo mpiasany hoe: “Homba anareo anie i Jehovah!” Izany koa no navalin’izy ireo azy. Mpiasa isan’andro angamba ny sasany amin’izy ireo na vahiny mihitsy aza.—Rota 2:4-7.

Nataon’i Boaza hoe “anaka” i Rota ary nasainy hitsimpona ao amin’ny sahany foana sy hiaraka amin’ireo tovovavy mpanompony, mba tsy hadalain’ireo tovolahy. Nataony azo antoka hoe nahazo sakafo antoandro foana izy. Niezaka nidera sy nampahery azy koa i Boaza.—Rota 2:8, 9, 14.

Nanontany i Rota hoe nahoana i Boaza no tsara fanahy taminy nefa izy hafa firenena. Nilaza i Boaza fa henony izay rehetra nataon’i Rota tamin’i Naomy rafozany. Azo antoka fa nidera an’i Rota teo anatrehan’ireo vehivavy tao Betlehema i Naomy ary ren’i Boaza izany. Fantatr’i Boaza koa fa lasa nanompo an’i Jehovah i Rota satria hoy i Boaza: “Hamaly soa ny nataonao anie i Jehovah, ary hahazo valisoa tonga lafatra avy amin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely anie ianao! Teo ambany elany mantsy ianao no tonga nitady fialofana.”—Rota 2:12.

Tsy maintsy ho nampahery an’i Rota izany! Nanapa-kevitra ny hialoka teo ambany elatr’i Jehovah Andriamanitra tokoa izy, toy ny voronkely mitampify eo amin’ny rainy na ny reniny. Nisaorany i Boaza satria nanome toky azy, ary nanohy niasa indray izy mandra-paharivan’ny andro.—Rota 2:13, 17.

Ohatra tsara ho an’izay rehetra miady mafy amin’ny fiainana ny finoana nasehon’i Rota. Tsy nanantena zavatra be tamin’ny hafa izy ary nankasitraka an’izay rehetra nomena azy. Tsy menatra izy nanao asa mafy sy asa nitaky fotoana mba hikarakarana ny olona tiany, na dia asa ambany aza ilay izy. Faly izy nanaiky sy nampihatra ny torohevitra mahakasika ny fomba fiasa sy ny olona iaraha-miasa. Notadidiny foana koa hoe i Jehovah Andriamanitra Rainy no tena fialofany.

Ho ohatra tsara ho an’ny hafa koa ny finoantsika raha manahaka an’i Rota isika ka mampiseho fitiavana tsy miovaova, manetry tena, mazoto miasa, ary mahay mankasitraka. Ahoana anefa no nanomezan’i Jehovah an’izay nilain’i Rota sy Naomy? Izany no hodinihintsika amin’ny lahatsoratra manaraka amin’ity andian-dahatsoratra ity.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 22 Tsara homarihina fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah i Rota fa tsy ilay anaram-boninahitra hoe “Andriamanitra” fotsiny, toy izay mety ho nataon’ny ankamaroan’ny hafa firenena. Hoy ny Baibolin’ny Mpanazava Teny (anglisy): “Asongadin’ny mpanoratra àry fa mpanara-dia an’ilay tena Andriamanitra io olona hafa firenena io.”

^ feh. 29 Hafakely io lalàna io ary mbola tsy nahita toy izany mihitsy i Rota tany aminy. Tsy noraharahaina ny mpitondratena tany amin’ireo firenena nanodidina ny Israely. Hoy ny boky iray: “Voatery niantehitra tamin’ny zanany lahy ny vehivavy maty vady. Raha tsy nanan-janaka lahy izy dia tsy maintsy nivarotra ny tenany ho andevo, na nivaro-tena, na maty.”

[Efajoro, pejy 26]

Sangan’asa Miavaka

Misy milaza fa toy ny vatosoa kely sy sangan’asa miavaka ny bokin’i Rota. Marina fa tsy be tsipiriany toy ny bokin’ny Mpitsara, izay boky eo alohany, izy sady tsy manazava be ny fotoana nitrangan’ny tantara raketiny. (Rota 1:1) Toa samy nosoratan’i Samoela mpaminany koa ireo boky ireo. Hiaiky anefa isika, rehefa mamaky Baiboly, fa mety tsara ny toerana misy ny bokin’i Rota. Rehefa avy mamaky momba an’ireo ady sy fanafihana ao amin’ny bokin’ny Mpitsara isika, dia tonga eo amin’ilay boky kely izay mampahatsiahy antsika hoe tsy manadino an’ireo olon-tsotra miady amin’ny fiainana isan’andro mihitsy i Jehovah. Tsotra ilay tantara nefa mahasoa sady ianaran-javatra betsaka momba ny fitiavana, ny famoizana olona sy zavatra, ny finoana, ary ny tsy fivadihana.

[Sary, pejy 24]

Hendry i Rota ka niaraka tamin’i Naomy izy rehefa nidonam-pahoriana

[Sary, pejy 24, 25]

“Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro”

[Sary, pejy 27]

Vonona hiasa mafy sy hanao asa ambany i Rota mba hiveloman’izy sy Naomy