Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manatòna An’ilay Mpihaino Vavaka

Manatòna An’ilay Mpihaino Vavaka

Manatòna An’ilay Mpihaino Vavaka

TSY afaka manaporofo ny zavatra inoany ny olona maro milaza fa mino an’Andriamanitra. Tsy hainy koa ny manazava hoe nahoana ny fivavahana no manao zava-dratsy ary nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy. Tsy fantany akory ny Andriamanitra ivavahany fa dia mivavaka fotsiny izy.

Tsy voatery ho toy izany anefa ianao. Afaka ny hino an’Andriamanitra ianao rehefa mahafantatra azy ka lasa tia sy mankasitraka azy. Miorina amin’ny porofo ny tena finoana. (Hebreo 11:1) Hahalala an’Andriamanitra ianao ary ho afaka hifampiresaka aminy toy ny mpinamana, raha mianatra ny marina momba azy. Nisalasala, ohatra, ireto olona ireto raha tena misy Andriamanitra, nefa nivavaka ihany izy ireo. Diniho izay nolazainy.

Patricia, ilay voaresaka tany aloha. “Niaraka tamin’ny namako folo teo ho eo aho, indray mandeha, ary niady hevitra momba ny fivavahana izy ireo. Notantaraiko tamin-dry zareo hoe nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao an-tranonay ary niresaka tamin’ny dadanay, izay tsy mino an’Andriamanitra. Nandeha nivoaka ny trano aho tamin’izay, satria tsy tiako ilay resaka. Hoy ny iray taminay: ‘Mety ho marina ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah an!’

“Hoy ny iray hafa: ‘Andao ho any amin’ny fivorian-dry zareo dia ho hita eo e!’ Dia nandeha tokoa izahay. Tsy tena resy lahatra izahay nefa nisy taminay mbola nankany foana, satria sariaka be ireo Vavolombelona.

“Nampiova hevitra ahy anefa ny zavatra henoko, indray alahady. Nohazavain’ilay mpandahateny hoe nahoana ny olona no mijaly. Tamin’izay vao fantatro hoe hay natao lavorary ny olona tamin’ny voalohany, fa olona iray no nahatonga ny olombelona rehetra hanota sy ho faty. Nohazavaina koa hoe nahoana i Jesosy no tsy maintsy maty mba hamerenana an’izay nafoin’ilay lehilahy voalohany. * (Romanina 5:12, 18, 19) Azoko tampoka ny zava-drehetra. Hay tena misy Andriamanitra mikarakara antsika! Nanohy nianatra Baiboly aho ary izay vao mba nahatsapa hoe tena misy ilay ivavahako.”

Allan, efa voaresaka tany aloha. “Tonga tao an-tranonay ny Vavolombelon’i Jehovah, indray andro, ary nampandrosoin’ny vadiko satria nahaliana azy izay noresahin’izy ireo momba ny fiainana mandrakizay eto an-tany. Tezitra aho. Nentiko tany an-dakozia ny vadiko ary navelanay teo ny vahiny. Hoy aho taminy: ‘F’ianao ve adala e! Zavatra hoatran’izany ve dia inoanao?’

“Hoy izy: ‘Mandehana àry porofoy amin-dry zareo hoe diso izy e!’

“Mazava ho azy fa tsy afaka nanaporofo na inona na inona aho. Tsara fanahy be izy ireo ary nanome ahy boky momba ny hoe nisy ho azy ve ny fiainana sa nisy namorona. Nirindra tsara ny hevitra tao ary tena nandresy lahatra ahy ka tapa-kevitra aho hoe hianatra bebe kokoa momba an’Andriamanitra. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ireo Vavolombelona àry aho. Tsy nitovy mihitsy tamin’izay noeritreretiko momba ny fivavahana ny voalazan’ny Baiboly. Lasa voafaritra kokoa ny vavaka nataoko rehefa nihanahalala an’i Jehovah aho. Nanana toetra ratsy koa aho ka nivavaka mba hampiany. Azoko antoka fa namaly ahy i Jehovah.”

Andrew, any Angletera. “Mpiziriziry amin’ny hevitro aho ary tia siansa. Nino ny evolisiona anefa aho satria fotsiny hoe izay no inoan’ny olona. Tsy nety nino an’Andriamanitra aho noho ny zava-dratsy rehetra hitako.

“Lasa saina ihany anefa aho hoe: ‘Maninona no misy izao zava-dratsy rehetra izao, raha misy Andriamanitra? Maninona no be dia be ny heloka bevava sy ny ady?’ Nivavaka aho indraindray rehefa nanana olana. Tsy fantatro akory anefa hoe iza no niresahako.

“Nomen’ny olona taratasy mivalona iray, avy eo, ny vadiko. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io ary Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity? no lohateniny. Io mihitsy ilay fanontaniana napetrako matetika. Rehefa avy namaky an’ilay taratasy mivalona aho dia nieritreritra hoe sao dia tokony handinika ny Baiboly ihany. Nahazo an’ilay boky hoe Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? * koa aho rehefa nanao vakansy. Tsapako fa nila nianatra Baiboly bebe kokoa aho rehefa nahafantatra hoe mifanaraka amin’ny tena siansa ny Baiboly. Nanaiky àry aho rehefa nasain’ny Vavolombelon’i Jehovah hianatra Baiboly. Rehefa fantatro ny fikasan’i Jehovah, dia lasa tena nisy izy tamiko ary azoko niresahana tsara.”

Jan, any Londres, izay Protestanta hatramin’ny fahakeliny. “Tsy nivavaka intsony aho satria mihatsaravelatsihy ny fivavahana ary be dia be ny fijaliana. Tsy nianatra intsony koa aho ary nihira sy nitendry gitara mba hivelomana. Tamin’izay aho no nihaona tamin’i Pat. Katolika izy taloha fa lasa tsy mpino hoatr’ahy.

“Nipetraka tao amin’ny trano iray tsy nisy nipetraka intsony izahay, niaraka tamin’ny olon-kafa niala tamin’ny fianarana sy liana tamin’ny fivavahana tatsinanana. Nafana ny resakay momba ny fiainana ary nitohy hatramin’ny alina be izany. Samy tsy nino an’Andriamanitra izahay sy Pat nefa tsapanay fa tsy maintsy nisy zavatra nampisy ny aina, any ho any.

“Teraka ny zanakay lahy rehefa nifindra tany amin’ny faritra avaratr’i Angletera izahay mba hitady asa. Narary izy indray alina ary nivavaka tamin’ilay Andriamanitra tsy ninoako aho. Niady koa izaho sy Pat, tsy ela taorian’izay, ka nentiko ny zaza ary iny aho no lasa. Nivavaka indray aho sao mba hisy hihaino ihany. Tatỳ aoriana vao fantatro hoe nivavaka koa i Pat.

“Nisy Vavolombelon’i Jehovah nankany amin’i Pat, ny androtr’iny, ary nampiseho azy ny torohevitra sasany ao amin’ny Baiboly. Nantsoin’i Pat aho ary nanontaniany raha te hianatra Baiboly hiaraka aminy. Nanaiky aho. Nianaranay fa mila misora-panambadiana izahay raha te hampifaly an’Andriamanitra. Toa sarotra be izany raha jerena ny fifandraisanay.

“Tianay ho fantatra bebe kokoa ny momba ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly sy ny antony isian’ny fijaliana ary ny hoe inona ny Fanjakan’Andriamanitra. Hitanay tsikelikely hoe tena mikarakara antsika Andriamanitra. Te hanaraka ny teniny izahay ka nisoratra. Nanampy anay hitaiza ny zanakay telo mianadahy ny fahendrena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tena azonay antoka fa nihaino ny vavakay i Jehovah.”

Diniho ny porofo

Voafitaky ny fivavahan-diso ireo olona voaresaka tato. Lasa fantatr’izy ireo sy ny olon-kafa an-tapitrisany anefa ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy. Voamarikao ve hoe inona no nandresy lahatra azy ireo fa tena mihaino vavaka i Jehovah? Ny fahalalana marina tsara ny Baiboly.

Te hahita porofo ve ianao hoe misy Andriamanitra? Ho faly hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahafantaranao ny marina momba an’i Jehovah sy hanatonanao an’ilay “Mpihaino vavaka.”—Salamo 65:2.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Manazava bebe kokoa momba ny hasarobidin’ny vidim-panavotana nataon’i Jesosy ny toko 5 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 12 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 10]

“Rehefa fantatro ny fikasan’i Jehovah, dia lasa tena nisy izy tamiko ary azoko niresahana tsara”

[Sary, pejy 9]

Tokony hanana porofo ny olona manana ny tena finoana ary tokony haniry hahalala ny marina momba an’Andriamanitra