Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

INONA no nanampy ny vehivavy iray any Philippines tsy hiboboka toaka intsony sy hanatsara ny fiainam-pianakaviany? Nahoana ny lehilahy iray tany Aostralia izay tia karate no lasa mpitory ny vaovao tsara? Vakio izay nolazain’izy ireo.

“Ela be aho vao nahavita niova.”—CARMEN ALEGRE

TERAKA: 1949

FIRENENA: PHILIPPINES

FIAINANY TALOHA: MPIBOBOKA TOAKA

NY FIAINAKO TALOHA: Teraka tany San Fernando, any amin’ny faritanin’i Camarines Sur, aho. Tatỳ Antipolo, faritanin’i Rizal, foana anefa aho no nipetraka rehefa lehibe. Be tendrombohitra atỳ ary rakotra ahi-maitso. Tanàna kely tsy be mponina i Antipolo tamin’izaho vao nifindra tatỳ. Zara raha nisy olona teny an-dalana rehefa hariva. Lasa tanàna lehibe sy be mponina anefa i Antipolo izao.

Nihaona tamin’i Benjamin aho rehefa nifindra kelikely tatỳ, ary nivady izahay tatỳ aoriana. Sarotra tsy araka ny nieritreretako azy ilay hoe manambady. Nanomboka nisotro toaka be aho mba hamonoana eritreritra. Lasa nasiaka aho ary hita teo amin’ny fifandraisako tamin’ny vady aman-janako izany. Tsy nahafehy tena aho sady tsy nanam-paharetana tamin’izy ireo. Tsy nanaja ny vadiko koa aho. Tsy nahafinaritra mihitsy ny fiainanay tao an-trano.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Vavolombelon’i Jehovah i Editha zaobaviko ary nasainy nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona izahay mivady. Nanaiky izahay satria nanantena fa hanatsara ny fiainanay izany.

Maro ny zavatra fantatray rehefa nianatra Baiboly izahay. Tena nanohina ny foko ny Apokalypsy 21:4. Resahin’io andininy io hoe hanao ahoana ireo hiaina ao amin’ny Paradisa rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Voalaza ao fa hofafan’Andriamanitra “ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” Te ho anisan’ny olona hahazo an’ireo fitahiana ireo aho.

Tsapako fa nila nanova ny toetrako sy ny fahazarako aho. Ela be aho vao nahavita niova. Afaka tamin’ny toaka ihany aho tatỳ aoriana, ary lasa tsara fanahy sy manam-paharetana amin’ny vady aman-janako. Lasa manaja sy manohana ny vadiko koa aho satria izy no loham-pianakaviana.

Gaga be izahay sy Benjamin rehefa nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy miloka izy ireo, tsy miboboka toaka, tsy manavakavaka, sady manaja olona. Resy lahatra izahay hoe io no fivavahana marina.—Jaona 13:34, 35.

NY SOA NORAISIKO: Nihatsara be ny fifandraisanay tao an-trano. Sambatra am-panambadiana izahay sy Benjamin ary faly izahay mampianatra Baiboly ny hafa. Mianatra Baiboly koa izao ny zanakay mirahalahy sy ny vadiny avy. Enga anie izy ireo ka hanompo an’i Jehovah toa anay koa. Izany mantsy no tena mahasambatra.

‘Nahatsapa Aho hoe Tsy Hisy Haharesy Mihitsy.’MICHAEL BLUNSDEN

TERAKA: 1967

FIRENENA: AOSTRALIA

FIAINANY TALOHA: TENA TIA KARATE

NY FIAINAKO TALOHA: Nihalehibe tatỳ Albury, atỳ Nouvelle-Galles Atsimo, aho. Tanàna tsara tarehy sy mandroso i Albury ary malaza ho milamina, na dia misy heloka bevava toy ny tanàn-dehibe maro aza.

Niadana aho tamin’ny mbola kely. Na dia nisaraka aza ny ray aman-dreniko tamin’izaho fito taona, dia tsy nataon’izy ireo ory na inona na inona izahay efatra mianadahy. Nianatra tany amin’ny sekoly tsara indrindra tatỳ aminay aho. Tian’i Dada ho lasa mpandraharaha aho rehefa vita ny fianarako. Ny fanatanjahan-tena anefa no nahaliana ahy kokoa, ary havanana tamin’ny hazakazaka am-bisikileta sy ny karate aho. Lasa mpanamboatra fiara aho ary afaka nanokana fotoana betsaka tamin’ny fanatanjahan-tena.

Nirehareha erỳ aho hoe mety tsara ny toe-batako. Nisy fotoana aho nahatsapa hoe tsy hisy haharesy mihitsy. Azoko nampiasaina hanararaotana ny hafa ny tanjako. Nampianatra ahy hanaraka lalàm-pifehezana ambony sy fitsipi-pitondran-tena tsara anefa ilay mpampianatra karate, satria fantany fa mitady hanararaotra ny tanjako aho. Nantitranteriny fa zava-dehibe ny mankatò sy tsy mivadika.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Lasa fantatro fa halan’i Jehovah ny herisetra, rehefa nianatra Baiboly aho. (Salamo 11:5) Hoy aho tamin’ny voalohany hoe tsy karazana herisetra ny karate fa fanatanjahan-tena tsy mampidi-doza. Nihevitra aho fa mifanaraka amin’ny Baiboly ilay izy satria mampirisika hanana toetra tsara sy fitsipika ambony. Tena nanam-paharetana ilay mpivady Vavolombelona nampianatra ahy. Tsy nilaza mihitsy izy ireo hoe tsy tokony hanao haiady intsony aho. Nanohy nampianatra ahy ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly fotsiny izy ireo.

Niova ny fomba fijeriko rehefa nihanahalala ny Baiboly sy nifandray bebe kokoa tamin’i Jehovah aho. Nanohina ny foko ny modelin’i Jesosy, Zanak’i Jehovah. Natanjaka be izy nefa tsy nahery setra mihitsy. Nisy vokany lalina teo amiko ilay teniny ao amin’ny Matio 26:52 hoe: “Ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.”

Nitombo ny fitiavako sy ny fanajako an’i Jehovah arakaraka ny nahalalako azy. Tena nanohina ny foko ny nieritreritra hoe mikarakara ahy ilay Mpamorona mahay sy mahery. Fantatro fa raha sanatria mandiso fanantenana azy aho na kivy tanteraka, dia tsy hanary ahy mihitsy izy raha mbola mitady azy koa aho. Nampahery ahy ilay fampanantenany hoe: “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana anao amin’ny tananao ankavanana, eny, izaho Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’ ” (Isaia 41:13) Tsapako izany fitiavany izany ka tsy tiako hatakalo na inona na inona.

Fantatro fa ny hiala amin’ny karate no ho mafy indrindra amiko. Fantatro koa fa hampifaly an’i Jehovah izany, ary resy lahatra aho fa mendrika hamoizana ny zava-drehetra izy. Ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:24 angamba no tena nahatonga saina ahy. Hoy izy: “Tsy misy mahay manompo tompo roa.” Tsapako fa tsy ho vitako mihitsy ny hoe sady hanompo an’i Jehovah amin’ny fomba feno no hanao karate, satria tsy maintsy ny karate foana no ho lasa loha laharana. Tsy maintsy nifidy izay ho tompoko aho.

Sarotra ny niala tamin’ny karate. Nifamahofaho be ny fihetseham-poko. Faly aho satria nampifaly an’i Jehovah, nefa toy ny hoe namadika an’ilay mpampianatra karate ahy koa. Matetika ny olona mpanao haiady no mihevitra hoe fahotana tsy azo avela ny mivadika amin’olona. Aleon’ny sasany aza mamono tena mihitsy, toy izay henjehin’ny eritreriny.

Tsy vitako ny nanazava tamin’ilay mpampianatra karate hoe nahoana aho no niala. Niala fotsiny aho ary nanapaka ny fifandraisako taminy sy tamin’ireo namako hafa mpanao karate. Fantatro fa nety ny nataoko rehefa tsy nanao karate intsony aho. Nanenjika ahy koa anefa ny eritreritro satria tsy mba nanararaotra niresaka momba ny zavatra inoako aho. Toy ny hoe mbola tsy nanompo an’i Jehovah akory aho dia efa nandiso fanantenana azy. Nampiady saina ahy daholo izany. Imbetsaka aho no niezaka nivavaka tamin’i Jehovah nefa nitomany avy eo.

Tsy maintsy ho nahita zavatra tsara tao amiko i Jehovah matoa nampirisika ny rahalahy sy anabavy tao amin’ny fiangonana mba hampahery ahy. Tena tia sy nampahery ahy izy ireo ary ninamana tamiko. Nanampy ahy koa ilay tantaran’i Davida sy Batseba ao amin’ny Baiboly. Na dia nanao fahotana lehibe aza i Davida dia namela ny helony i Jehovah rehefa tena nibebaka izy. Nanampy ahy tsy ho kivy loatra tamin’ny zavatra tsy nety nataoko iny tantara iny.

NY SOA NORAISIKO: Tsy niraharaha ny hafa aho tamin’izaho mbola tsy nianatra Baiboly. Lasa nahay nihevitra ny hafa anefa aho noho ny fanampian’i Jehovah sy ny vadiko. Efa fito taona izahay no nivady ary tahin’i Jehovah izahay ka mampianatra Baiboly olona maromaro. Manana olana lehibe ny sasany amin’izy ireo. Faly be aho rehefa mahita olona mahatsapa ny fitiavan’i Jehovah ka miova. Tsy hitovy amin’izany mihitsy ny fifaliana tsapako raha lasa mpanao karate matihanina aho.

[Teny notsongaina, pejy 14]

“Tena nanohina ny foko ny nieritreritra hoe mikarakara ahy ilay Mpamorona mahay sy mahery”

[Efajoro/Sary, pejy 15]

“Misaotra Anareo Amin’ireny Lahatsoratra Ireny!”

Tianao ve ny namaky an’ireo tantara etsy aloha? Vao 2 monja amin’ireo tantara 50 mahery navoakan’ny Tilikambo Fiambenana nanomboka tamin’ny Aogositra 2008 ireo. Inona no itiavan’ny olona an’ilay andian-dahatsoratra hoe “Manova Olona ny Baiboly”?

Tsy mitovy ny toe-javatra niainan’ny olona resahin’ireny lahatsoratra ireny. Azo lazaina hoe tafita ny sasany amin’izy ireo nefa tsy tena nisy dikany ny fiainany, talohan’ny nianarany momba an’i Jehovah Andriamanitra. Nanana olana lehibe ny hafa satria nahery setra na nidoroka zava-mahadomelina na niboboka toaka. Nisy vitsivitsy kosa mbola kely dia efa nahalala an’i Jehovah saingy tsy nanompo azy elaela. Asehon’ireny fitantarana ireny fa azo atao ny miova mba hampifaliana an’Andriamanitra ary mahasoa foana izany. Inona no vokatr’izy ireny teo amin’ny mpamaky?

Nanampy vehivavy maromaro tao amin’ny fonja iray ilay lahatsoratra tao amin’ny gazety 1 Febroary 2009. Manazava izany ny mpamaky iray.

▪ “Tsapan’ny voafonja maro ny zavatra niainan’ireo olona resahin’ilay lahatsoratra. Tena nisy vokany ireo sary ‘taloha’ sy ‘tatỳ aoriana.’ Nisy vokany koa ny filazana kely momba ny fiainan’izy ireo taloha. Mitovy amin’ny an’ny voafonja maro mantsy ny zavatra niainan’izy ireo. Nianatra Baiboly ny voafonja roa rehefa namaky an’ireo tantara ireo.”—C. W.

Tena nanohina ny fon’ny olona sasany ireny tantara ireny. Mitantara ny fiainan’i Guadalupe Villarreal, ohatra, ny gazety 1 Aprily 2011. Lehilahy tia lehilahy izy nefa niova satria te hanompo an’i Jehovah. Maro ny taratasy nalefan’ny mpamaky momba an’iny fitantarana iny fa mariho ny roa amin’izy ireo:

▪ “Nanohina ny foko ny tantaran’i Guadalupe. Mahafinaritra ny mahita hoe manova tanteraka ny olona iray ny fitiavany an’i Jehovah sy ny Teniny.”—L. F.

▪ “Niezaka nitory tamin’ny olon-drehetra aho taloha, anisan’izany ny lehilahy tia lehilahy sy ny vehivavy tia vehivavy. Voamariko anefa tato ho ato fa lasa tsy raharahaiko izy ireny na ialako mihitsy. Iny lahatsoratra iny mihitsy no nilaiko. Nanampy ahy hanana ny fomba fijerin’i Jehovah izy iny, hoe mety ho lasa mpanompony ny olona toy ireny.”—M. K.

Tian’ny olona maro koa ny tantaran’i Victoria Tong, tao amin’ny gazety 1 Aogositra 2011. Nitantara ny fijaliany tamin’izy mbola kely i Victoria. Nilaza izy hoe na dia efa nanompo an’i Jehovah ela be aza izy, dia mbola natahotra foana sao tsy tiany. Tantarainy hoe inona no nanampy azy tsikelikely mba hiaiky hoe tian’i Jehovah. Mariho izay nolazain’ny olona sasany momba ny tantarany:

▪ “Nisy heriny be teo amiko ny tantaran’i Victoria. Betsaka koa no efa nozakaiko. Manamelo-tena foana aho na dia efa ela be aza no Vavolombelona vita batisa. Te hiezaka bebe kokoa anefa aho noho ny tantaran’i Victoria, mba hahitako ny zavatra hitan’i Jehovah ao amiko.”—M. M.

▪ “Zatra nijery sary vetaveta aho tamin’izaho tanora ary niady mafy tamin’izany. Resin’izany indray aho vao haingana. Nitady ny fanampian’ny anti-panahy kristianina aho ary efa tsy manao an’ilay izy intsony. Nanome toky ahy ny anti-panahy hoe tia ahy sy mamindra fo amiko i Jehovah. Mbola mahatsiaro ho tsy misy dikany ihany anefa aho indraindray. Toy ny hoe tsy afaka ny ho tia ahy mihitsy i Jehovah. Tena nanampy ahy ny tantaran’i Victoria. Hay rehefa mieritreritra aho hoe tsy afaka mamela ny heloko i Jehovah, dia toy ny milaza fa tsy ampy hanaronana ny fahotako ny soron’ny Zanany! Nohetezako iny lahatsoratra iny mba hovakiko sy hosaintsainiko isaky ny mitady hieritreritra aho hoe tsy misy dikany. Misaotra anareo amin’ireny lahatsoratra ireny!”—L. K.