Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ianaro ny Tenin’Andriamanitra

Misy Heriny eo Amintsika ve ny Anjely?

Misy Heriny eo Amintsika ve ny Anjely?

Hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity ny fanontaniana mety ho napetrakao. Ho hitanao ato hoe aiza ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao momba izany.

1. Iza moa ireo anjely?

Zavaboary ambony kokoa noho ny olombelona ny anjely. Tsy hita maso izy ireo ary mipetraka any an-danitra. Tsy hita maso koa ilay tena Andriamanitra ary namorona ny anjely izy talohan’ny namoronany ny tany. (Joba 38:4, 7; Matio 18:10) Misy anjely an-tapitrisany manodidina an’i Jehovah.—Vakio ny Salamo 103:20, 21; Daniela 7:9, 10.

2. Manampy ny olona ve ny anjely?

Nanampy an’ilay olo-marina antsoina hoe Lota ny anjely. Mpanao ratsy ny mpiara-monina tamin’i Lota ka nanapa-kevitra ny handringana an’ilay tanàna Andriamanitra. Nasain’ny anjely roa nandositra i Lota sy ny fianakaviany. Tsy niraharaha ny olona sasany satria noheverin’izy ireo fa vazivazy ilay fampitandremana. Tsy maty kosa i Lota sy ireo zanany vavy satria nankatò ny fampitandreman’Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo anjely.—Vakio ny Genesisy 19:1, 13-17, 26.

Milaza ny Baiboly fa manampy ny olona koa ny anjely ankehitriny ka mitarika an’ireo mazoto mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14) Ahitana fampitandremana io vaovao tsara io. Toa an’ilay fampitandremana nomena an’i Lota, dia tsy vazivazy ilay izy, ary omen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny anjely.—Vakio ny Apokalypsy 1:1; 14:6, 7.

Afaka mampiasa anjely Andriamanitra mba hanatanjahana antsika rehefa manana olana isika. Nampiasa anjely izy mba hampaherezana an’i Jesosy.—Vakio ny Lioka 22:41-43.

Kely sisa dia hampiasa anjely Andriamanitra mba handringanana ny ratsy fanahy izay mahatonga ny fijaliana. Ho maivamaivana tokoa ny olona amin’izay.—Vakio ny 2 Tesalonianina 1:6-8.

3. Manan-kery eo amintsika ve ny anjely ratsy?

Anjely maro no nikomy tamin’Andriamanitra tany an-danitra, toa an’ireo olona maro tsy nankatò an’Andriamanitra sy nanao ratsy. (2 Petera 2:4) Antsoina hoe demonia ireny anjely mpikomy ireny ary i Satana Devoly no filohany. Mamitaka ny olona izy ireo.—Vakio ny Apokalypsy 12:9.

Ampiasain’i Satana ny raharaham-barotra mamitaka sy ny fitondran’olombelona ary ny fivavahan-diso mba hifehezana ny olona sy hitarihana azy ireo hiala amin’Andriamanitra. I Satana àry no mahatonga ny tsy rariny sy ny herisetra ary ny fijalian’ny olombelona.—Vakio ny 1 Jaona 5:19.

4. Ahoana no amitahan’ny demonia ny olona?

Olona maro no voafitak’i Satana amin’ilay fampianarany hoe lasa fanahy ny maty sady afaka miresaka amin’izy ireo. Milaza kosa ny Baiboly fa tsy afaka manao na inona na inona ny maty. (Mpitoriteny 9:5) Mamitaka ny olona anefa ny demonia ka maka tahaka ny feon’ireo maty. (Isaia 8:19) Mampiasa mpamoha angatra, mpilaza ny hoavy, mpisikidy, ary mpanandro koa izy ireo. Mampitandrina antsika amin’ireny ny Tenin’Andriamanitra. Raha manan-javatra misy ifandraisana amin’ny demonia na ny asan’ny maizina àry isika, dia tokony hanary izany.—Vakio ny Deoteronomia 18:10, 11; Asan’ny Apostoly 19:19.

Tsy hatahotra an’ireo demonia isika raha tia an’i Jehovah. Hanohitra ny Devoly isika ary hanatona an’Andriamanitra raha mianatra Baiboly sy mampihatra izay lazainy. Mahery noho ny demonia i Jehovah. Afaka mampahery antsika ireo anjeliny tsy mivadika rehefa ilaina.—Vakio ny Salamo 34:7; Jakoba 4:7, 8.

Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 10, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.