Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Inoana ve ny Fahagagana Resahin’ny Baiboly?

Azo Inoana ve ny Fahagagana Resahin’ny Baiboly?

Azo Inoana ve ny Fahagagana Resahin’ny Baiboly?

AHOANA raha misy olona mitantara zavatra tsy fahita aminao? Azo antoka fa arakaraka ny fomba itantarany an’ilay izy no inoanao azy na tsia. Mety hiankina amin’ilay olona mihitsy koa anefa izany, ohatra hoe malaza ho miteny ny marina foana ve izy. Raha niteny ny marina taminao foana izy hatramin’izay fa tsy mbola nandainga mihitsy, dia tsy hino azy ve ianao?

Toy izany koa ny fahagagana lazain’ny Baiboly. Samy tsy nisy nahita azy ireny isika. Azo fantarina anefa raha azo inoana izay voalazan’ny Baiboly momba azy ireny na tsia. Amin’ny fomba ahoana? Diniho ireto:

Matetika no teny imason’olona no nitranga ireny fahagagana ireny. Nisy fotoana aza olona an’arivony na an-tapitrisany mihitsy no nahita azy ireny. (Eksodosy 14:21-31; 19:16-19) Tsy natao tany amin’ny takontakona izy ireny.

Tsy be filirony ireny fahagagana ireny. Tsy nisy fitaovana na sehatra manokana nampiasaina tamin’izany. Matetika izy ireny no natao tampotampoka na noho ny fangatahan’olona. (Marka 5:25-29; Lioka 7:11-16) Tsy niomana akory aza ilay nanao fahagagana.

Tsy natao hahazoana laza na voninahitra na harena ireny fahagagana ireny. Natao hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra kosa izy ireny. (Jaona 11:1-4, 15, 40) Voaheloka izay olona nitetika ny hahazo harena tamin’ny fanaovana fahagagana.—2 Mpanjaka 5:15, 16, 20, 25-27; Asan’ny Apostoly 8:18-23.

Isan-karazany ny fahagagana tantarain’ny Baiboly, ka azo antoka fa tsy avy tamin’ny herin’olombelona izy ireny. Anisan’izany ny hoe lasa tony ny ranomasina sy ny tafio-drivotra, niova ho divay ny rano, natsahatra ny orana ary natao avy indray avy eo, sitrana ny marary, ary nahita ny jamba. Hita avy amin’ireny sy ny fahagagana hafa fa tsy maintsy ho hery mihoatra lavitra noho ny an’ny olombelona no nanao azy ireny. Vitan’io hery io daholo na inona na inona.—1 Mpanjaka 17:1-7; 18:41-45; Matio 8:24-27; Lioka 17:11-19; Jaona 2:1-11; 9:1-7.

Tsy nolavin’ny mpanohitra hoe nitranga ireny fahagagana ireny. Na ny mpanohitra an’i Jesosy aza tsy nanda hoe maty i Lazarosy tamin’i Jesosy nanangana azy. Efa efatra andro be izao mantsy i Lazarosy no maty. (Jaona 11:45-48; 12:9-11) Niaiky koa ny mpanoratra ny Talmoda, boky masina jiosy, fa nanana hery nanaovana fahagagana i Jesosy. Efa taonjato maro talohan’izy ireo anefa i Jesosy no maty. Tian’izy ireo ho fantatra fotsiny hoe avy taiza no nahazoany izany hery izany. Rehefa nentina teo amin’ny fitsarana jiosy koa ny mpianatr’i Jesosy, dia tsy nisy nanontany hoe: “Nanao fahagagana ve ianareo?”, fa hoe: “Fahefana avy aiza, ary tamin’ny anaran’iza no nanaovanareo izao?”—Asan’ny Apostoly 4:1-13.

Hitantsika teo àry fa azo itokisana tanteraka ny fahagagana lazain’ny Baiboly. Misy antony hafa koa anefa tokony hatokisana azy ireny. Rehefa mitantara, ohatra, ny Baiboly, dia matetika no lazainy ny anaran’ny olona sy ny toerana ary ny fotoana. Na ny mpitsikera Baiboly aza gaga satria marina daholo ny tsipiriany voalaza ao. An-jatony izay ny zavatra nolazain’ny Baiboly mialoha, efa tanteraka hatramin’ny tsipiriany madinika indrindra. Ahitana torohevitra hanatsarana ny fifandraisana amin’ny hafa koa ao, ary tsy manan-tsahala izy ireny. Olona isan-tsokajiny no efa nandray soa tamin’izy ireny.

Nahoana raha manokana fotoana handinihana tsara ny Baiboly raha mbola tsy matoky tanteraka izay lazainy ianao? Arakaraka ny hianaranao azy io mantsy no vao mainka hatokisanao azy. (Jaona 17:17) Ho hitanao amin’izay fa tena marina ny zavatra tantarainy momba ireo fahagagana fahiny. Rehefa mino azy ireny ianao, dia tsy ho sarotra aminao ny hino izay lazain’ny Baiboly fa hitranga tsy ho ela.

[Sary, pejy 7]

Na ny mpanohitra an’i Jesosy aza tsy nanda hoe maty i Lazarosy