Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Taiza no nahazoana ireo vatosoa teo amin’ny saron-tratran’ny mpisoronabe fahiny?

Rehefa niala tany Ejipta ny Israelita ary tonga tany an-tany efitra, dia nandidy ny mpisoronabe hanao saron-tratra i Jehovah. (Eksodosy 28:15-21) Nisy vatosoa teo amin’ilay saron-tratra, toy ny robia, topaza, emeraoda, torkoazy, safira, jaspa, lesema, agata, ametista, krizolita, oniksa, ary jady. * Taiza no nahazoan’ny Israelita an’ireo?

Tena tian’ny olona fahiny ny vatosoa ary nampiasainy tamin’ny varotra. Avy tany amin’ny toerana lavitra be, ohatra, no nahazoan’ny Ejipsianina vatosoa. Nisy avy tany Iran sy Afghanistan ankehitriny, ary mety ho nisy koa aza avy tany Inde. Nisy vatosoa isan-karazany koa tany amin’ny toerana fitrandrahan’ny Ejipsianina. Nanana fahefana hitrandraka vatosoa tany amin’ny faritra nofeheziny ny mpanjaka ejipsianina. Notantarain’i Joba fa nihady lavaka tany ambanin’ny tany ny mpiara-belona taminy mba hitrandrahana zava-tsarobidy. Be dia be ny azon’izy ireo, fa ny safira sy ny topaza no tena noresahin’i Joba.—Joba 28:1-11, 19.

Milaza ny Eksodosy 12:35, 36 fa rehefa nandao an’i Ejipta ny Israelita, dia nataon’izy ireo “fongana ny fananan’ny Ejipsianina.” Mety ho avy tany Ejipta àry no nahazoan’ny Israelita ireo vatosoa natao teo amin’ny saron-tratran’ny mpisoronabe.

Nahoana ny divay no nataon’ny olona fanafody fahiny?

Nanao fanoharana i Jesosy, indray mandeha, hoe nisy lehilahy iray novonoin’ny jiolahy. Nisy Samaritanina iray avy eo namehy ny ratrany, ary nanisy “menaka sy divay” teo amin’ilay izy. (Lioka 10:30-34) Nanoro hevitra an’i Timoty namany koa ny apostoly Paoly hoe: “Aza misotro rano intsony fa divay kely sotroina, noho ny vavoninao sy noho ny tsy fahasalamanao matetika.” (1 Timoty 5:23) Azo atao fanafody tokoa ve ny divay, araka ny noresahin’i Jesosy sy Paoly?

“Sady mampitony fanaintainana no mamono otrikaretina sy manasitrana” ny divay, hoy ny boky Ny Divay Fahiny (anglisy). Nampiasaina be mba hitsaboana ny divay, fahiny, tany Ejipta sy Mezopotamia ary Syria. Misy boky milaza fa izy io no “fanafody tranainy indrindra nampiasain’ny olona, raha jerena ny tantara.” Hoy koa ny boky Ny Niandohan’ny Divay sy ny Tantarany (anglisy): “Hita tamin’ny andrana natao fa maty avy hatrany ny mikraobana tefoedra sy mikraoba hafa rehefa nasiana divay.” Misy zavatra mihoatra ny 500 ao amin’ny divay. Hita tamin’ny fikarohana ankehitriny fa manasitrana tokoa ny sasany amin’izy ireo. Mbola mitondra soa hafa eo amin’ny fahasalamana koa aza izy ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Tsy tena fantatra hoe ahoana no iantsoana an’ireo vatosoa ireo ankehitriny.

[Sary, pejy 26]

Sary eo amin’ny fasan’i Nakht, any Thèbes, Ejipta: Tantsaha manitsakitsaka voaloboka

[Sary nahazoan-dalana]

Gianni Dagli Orti/The Art Archive at Art Resource, NY