Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manatòna An’Andriamanitra

Mankahala ny Tsy Rariny i Jehovah

Mankahala ny Tsy Rariny i Jehovah

“NANJAKAZAKA tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.” (Mpitoriteny 8:9) Efa 3 000 taona lasa eo ho eo izay no nanoratana an’ireo teny ireo, ary izany mihitsy no ataon’ny olona ankehitriny. Matetika ny olona no tia manampatra fahefana, indrindra fa amin’izay tsy misy mpiaro na mahantra. Ahoana no fahitan’i Jehovah an’izany? Mamaly izany ny Ezekiela 22:6, 7, 31.—Vakio.

Nilaza i Jehovah, tao amin’ny Lalàna nomeny ny Israelita, fa tsy tokony hanjakazaka mihitsy ny olona manana fahefana. Tsy maintsy tsara fanahy sy nanaja ny mahantra izy ireo, raha tsy izany tsy notahin’i Jehovah ilay firenena. (Deoteronomia 27:19; 28:15, 45) Nampiasa ny fahefany tamin-kabibiana anefa ny mpitondra tany Jerosalema sy Joda, tamin’ny andron’i Ezekiela.

‘Nanampatra fahefana izy ireo mba handatsahan-dra.’ (Andininy 6) Ahoana moa no isian’ny rariny raha ny mpitondra tokony hanara-dalàna aza manjakazaka sy mamono ny tsy manan-tsiny? Izy ireo tokony hampirisika ny olona hankatò lalàna indray ve no mandika lalàna?

Nilaza koa i Ezekiela fa tsy ny mpitondra ihany no tsy nankatò ny Lalàn’i Jehovah. Hoy izy: ‘Samy natao tsinontsinona na ny ray na ny reny.’ (Andininy 7) Tsy nanaja ny fahefana nomen’Andriamanitra ny ray aman-dreny ny olona, ka toy ny hoe nandrava ny fototr’ilay firenena, dia ny fianakaviana.—Eksodosy 20:12.

Tena tian’Andriamanitra ny Israelita ka nomeny Lalàna. Tsy niraharaha an’izany anefa izy ireo matoa tsy nankatò. Nanararaotra ny olona tsy nisy mpiaro izy ireo. Voalazan’ny Lalàna, ohatra, fa tsy tokony hampijaly ny vahiny nipetraka tao amin’ny taniny izy ireo. (Eksodosy 22:21; 23:9; Levitikosy 19:33, 34) Mbola ‘nanambaka’ ny vahiny ihany anefa izy ireo.—Andininy 7.

Nampijaly ny “kamboty ray sy ny mpitondratena” koa izy ireo. (Andininy 7) Fantatr’i Jehovah tsara izay ilain’ireo maty ray na reny na maty vady. Nampanantena izy fa handringana an’izay mampijaly ny ankizy tsy misy mpiaro sy ny maty vady.—Eksodosy 22:22-24.

Tsy nankatò ny Lalàn’Andriamanitra àry ny Israelita. Tsy noraharahainy koa hoe fitiavana azy no nanomezana an’ilay Lalàna. Mbola nanao zava-dratsy hafa koa aza izy ireo. Nilaza àry i Jehovah hoe: “Hampihariko amin’izy ireo ny fanamelohako.” (Andininy 31) Tanteraka tokoa izany satria navelany handrava an’i Jerosalema sy hambabo ny olona tao ny Babylonianina, tamin’ny 607 T.K.

Hitantsika tamin’ireo tenin’i Ezekiela ireo fa halan’i Jehovah ny tsy rariny, ary mangoraka an’ireo iharan’izany izy. Mbola tsy niova izy hatramin’izao. (Malakia 3:6) Mampanantena izy fa kely sisa dia hofoanany ny tsy rariny sy izay mahatonga izany. (Ohabolana 2:21, 22) Nahoana raha mianatra bebe kokoa momba an’io Andriamanitra “tia rariny” io sy mamantatra ny fomba ifandraisana aminy?—Salamo 37:28.

Famakiana Baiboly amin’ny Aogositra:

Ezekiela 21-38

[Teny notsongaina, pejy 27]

Nilaza i Jehovah fa tsy tokony hanjakazaka mihitsy ny olona manana fahefana