Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

MPITSARA ny lehilahy iray ary Katolika hiringiriny hatramin’ny mbola kely, nefa lasa Vavolombelon’i Jehovah. Mpampihorohoro ny lehilahy iray hafa, nefa tsy nahery setra intsony fa lasa mpitory. Inona no nahatonga azy ireo hiova?

“Lasa haiko kokoa ny atao hoe mety sy tsy mety.”—SEBASTIÃO ALVES JUNQUEIRA

TERAKA: 1946

FIRENENA: BREZILA

FIAINANY TALOHA: KATOLIKA HIRINGIRINY

NY FIAINAKO TALOHA: Tany ambanivohitra, tany amin’ny enina kilaometatra eo ho eo avy eo Piquete, izahay no nipetraka. Namboly sy niompy ny ray aman-dreniko ary izany no fivelomanay. Tany Piquete aho no nianatra ka nividy bisikileta efa tranainy aho handehanako tany. Nahantra ny mponina tany aminay, nefa nadio ny tanàna sady tsy dia nisy olon-dratsy. Niasa tamina orinasa iray mpanao fitaovam-piadiana ho an’ny tafika ny ankamaroan’ny lehilahy tany.

Nazoto nianatra aho ka tafiditra tany amin’ny Sekolin’ny Tafika ana Habakabaka, tany an-tanàn-dehibe tsy lavitra teo. Lasa serizà aho tamin’ny 1966. Nianatra lalàna koa aho ka nahazo diplaoma. Te ho lasa sefon’ny polisy aho tatỳ aoriana, ka nanao fanadinam-panjakana. Afaka tamin’ilay izy aho tamin’ny 1976. Nasaina niandraikitra fonja aho indraindray. Matetika no nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tany, nangataka alalana hitory tamin’ny voafonja. Nitory tamiko foana koa ry zareo. Tena nanaja an’Andriamanitra aho ka nihaino an-dry zareo. Gaga be aho nahalala hoe hay Andriamanitra manana anarana hoe Jehovah, ary afaka minamana aminy isika.

Nihanisondrotra tamin’ny asako aho. Nanao fanadinana hafa indray mantsy aho tamin’ny 1981 ka lasa mpitsara. Voatendry ho mpitsara tao amin’ny fitsarana ambony tao São Paulo aho tamin’ny 2005.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Taorian’ny nahazoako an’ilay diplaomana lalàna, dia nanomboka namaky Baiboly aho. Tsy fanaon’ny fianakaviana katolika mihitsy anefa izany. Katolika hiringiriny aho, ary misy mompera sy eveka ny fianakavianay. Nanampy ny mompera koa aza aho rehefa Lamesa, ka namaky bokim-bavaka talohan’ny nanaovany toriteny. Tezitra be àry i Neny rehefa hitany hoe namaky Baiboly aho. Nataony izay hanakiviana ahy ka nolazainy fa ho lasa adala aho. Mbola namaky ihany aho na izany aza, nefa tsy naninona akory. Vao mainka aza izany nanova ny fomba fisainako.

Vao mainka aho nazoto namaky Baiboly, satria be dia be ny zavatra tiako ho fantatra. Anisan’izany ny momba ny mompera sy ny andraikiny. Namaky boky momba ny tolona nataon’ny eglizy ho an’ny mahantra koa aho. Tsy mitombina mihitsy anefa izay lazain’ny mpomba azy io ao amin’ilay boky ka tsy nisy azoko.

Nanana mpitsabo nify izay aho tamin’izany ary Bodista izy. Nisy boky hoe Ahoana no Nampisy ny Olombelona: Evolisiona sa Famoronana? * (frantsay) nomen’olona azy ary nomeny ahy izy io. Nieritreritra aho hoe tsara raha vakiko miaraka amin’ny boky Ny Fiandohan’ny Karazan-javamananaina (anglisy), nosoratan’i Charles Darwin, ilay izy. Tena mampiaiky sy mitombina ny zavatra lazain’ilay boky Evolisiona. Resy lahatra aho fa tsy marim-pototra ny hoe nivoatra miandalana ny zavaboary.

Vao mainka be dia be ny zavatra tiako ho fantatra rehefa namaky an’ilay boky Evolisiona aho. Te hahazo boky hafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah àry aho. Nisy mpanamboatra fiara Vavolombelon’i Jehovah izay, natoron’ny olona ahy. Niresaka taminy aho dia nomeny boky hovakiko. Tsy nety nianatra Baiboly tamin’izy ireo aho tamin’izany. Nieritreritra aho hoe vitako irery izany.

Rehefa nanambady aho, dia nieritreritra hoe tokony hiara-hamaky Baiboly izahay mianakavy. Niaraka nianatra sy namaky Baiboly àry izahay isan-kerinandro. Nanan-danja be ny pretra sy eveka tamin’ny fianakavianay. Nampianarina anay mantsy hoe amin’ny alalan’izy ireny no hahazoana famonjena. Gaga be anefa aho rehefa namaky ny tenin’i Jesosy tamin’i Tomasy, ao amin’ny Jaona 14:6, hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” Nodinihiko tsara izany, ka resy lahatra aho hoe amin’ny alalan’i Jesosy no hamonjen’i Jehovah antsika.

Vao mainka niova ny fiheverako ny Eglizy Katolika sy ny fampianarany. Namaky ny Ohabolana 1:7 mantsy aho hoe: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana. Fa hamavoin’ny adala kosa ny fahendrena sy ny fananarana.” Teo koa ny Jakoba 1:5 hoe: “Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra, fa malala-tanana amin’ny rehetra izy sady tsy manome tsiny. Dia homena azy izany.” Tena te hahazo an’izany fahalalana sy fahendrena izany aho. Tsy mba nampianatra an’izany anefa ny eglizy ka tsy niangona intsony aho.

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona ny vadiko tamin’ny 1980. Nanatrika teo aho rehefa sendra tao an-trano. Nanaiky hianatra koa aho tatỳ aoriana. Tamin’ny 1994 anefa ny vadiko vao natao batisa ary izaho tamin’ny 1998, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah izahay.

NY SOA NORAISIKO: Mbola kely ny zanakay efatra mianadahy, dia efa nampianarinay ny fitsipik’i Jehovah ka nandray soa tamin’izany. (Efesianina 6:4) Miezaka manampy ny olona iray fiangonana aminy mba hifandray tsara amin’i Jehovah foana ny roa lahy. Mazoto mitory kosa ny roa vavy. Manokana ora be dia be isam-bolana ny vadiko mba hanampiana ny olona hianatra Baiboly. Izaho kosa mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonanay.

Lasa haiko kokoa ny atao hoe mety sy tsy mety, nony lasa Vavolombelon’i Jehovah aho. Miezaka manahaka an’i Jehovah aho rehefa mitsara. Hadihadiko tsara daholo ny zava-misy rehetra ary miezaka ny hahay handanjalanja aho. Raha misy zavatra azo leferina koa, dia mangoraka aho ka leferiko izany.

Efa nitsara raharaha maro aho, toy ny herisetra, fandikan-dalàna, fametavetana ankizy, ary heloka bevava hafa. Tsy hoe lasa tsy mihontsina intsony amin’ny zava-dratsy anefa aho. Tsiravina aho isaky ny mijery vaovao, mahita hoe miharatsy fitondran-tena be ny olona. Misaotra an’i Jehovah aho fa nampahafantariny ny antony itomboan’ny faharatsiana sady omeny fanantenana tsara momba ny hoavy.

‘Tsy nampiova ahy ny fonja.’—KEITH WOODS

TERAKA: 1961

FIRENENA: IRLANDY AVARATRA

FIAINANY TALOHA: MPAMPIHOROHORO

NY FIAINAKO TALOHA: Teraka tamin’ny 1961 aho, tany Portadown, tanàna be mponina any Irlandy Avaratra. Protestanta izahay. Lehibe tao amin’ny site nisy Protestanta sy Katolika aho ary nahantra be ny ankamaroan’ny mponina. Na izany aza, dia nifandray tsara sy nifampihinana ny manta sy ny masaka ny mpiray tanàna.

Mahamenatra ahy ny fomba fiainako taloha. Nisy korontana ara-politika sy ara-pivavahana tany Irlandy Avaratra tamin’ny 1974, ary nandray anjara tamin’izany aho. Lasa tsy nilamina intsony ny tao an-tanànanay. Nampiofana tovolahy roa tany am-piasana, ohatra, ny dadanay indray alina. Mpitantana ny Orinasa Mpanamboatra Karipetra any Ulster mantsy izy. Mpiray tanàna taminay izy roa lahy ary Katolika. Tamin’izay mihitsy anefa no nisy nitoraka baomba teo am-baravarankelin’ny tranon-dry zareo. Maty tsy tra-drano ny ray aman-dreniny sy ny zandriny lahy.

Nitombo ny korontana ary nipoaka ny ady. Nisy nandoro ny tranon’ny Protestanta tany amin’ny faritry ny Katolika, ary nampijalina ny Katolika tany amin’ny faritry ny Protestanta. Lasa Protestanta sisa no tao amin’ilay tanànanay. Nosamborina aho taorian’izay ary nigadra telo taona, satria anisan’ny nanapoaka baomba.

Ninamana be tamin’ny mpanao politika nalaza iray aho tany am-ponja. Protestanta koa izy. Toy ny mpirahalahy mihitsy izahay ary izaho aza no vavolombelona tamin’ny mariaziny. Tsy nampiova anay anefa ny fonja. Vao afaka tany mantsy izahay, dia nanohy ny hetsika politika efa fanaonay. Vao mainka niharatsy aza ny zavatra nataonay. Nigadra indray ilay namako vokatr’izany ary nisy namono tany izy.

Nisy nitady hamono koa aho. Nisy nanapoaka baomba tao anaty fiarako indray mandeha. Vao mainka anefa izany nahatonga ahy hafana fo kokoa tamin’ilay tolona ho an’ny fivavahana sy ny tanindrazana.

Nisy fanadihadiana momba ilay korontana teto Irlandy Avaratra nalefa tamin’ny tele anglisy iray. Anisan’ny nandray anjara tamin’ilay izy aho ka nahita olana indray. Indray alina, ohatra, rehefa nody aho dia tsy tao intsony ny vadiko fa nandao ahy. Tsy navela hitaiza ny zanako intsony koa aho. Tadidiko fa nijery fitaratra aho tamin’izany ary nilaza hoe: “Raha misy tokoa ianao Andriamanitra, dia mba ampio aho.”

Nihaona tamin’i Paul olom-pantatro izay aho ny asabotsy taorian’izay. Lasa Vavolombelon’i Jehovah izy ka niresaka tamiko momba ny Baiboly. Nandefasany Tilikambo Fiambenana aho roa andro tatỳ aoriana. Hitako tao ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 18:36, hoe: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako. Raha anisan’ity tontolo ity ny fanjakako, dia ho niady ny oloko mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho. Tsy avy amin’izany anefa ny fanjakako.” Tena nampieritreritra ahy ireo teny ireo. Niova aho nanomboka tamin’izay.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nianatra Baiboly tamin’i Paul aho, ary i Bill no nanohy izany avy eo. Tsy mora ny nampianatra ahy satria be fanontaniana be aho. Nitondrako mpitondra fivavahana be dia be koa izy, mba hanaporofoana fa tsy marina ny teniny. Hitako anefa hoe marina ny azy satria avy ao amin’ny Baiboly.

Niteny tamin’i Bill aho, indray mandeha, hoe aza tonga mampianatra ahy fa misy barazy manodidina ny tanànanay. Mety hisy haka sy handoro mantsy ny fiarany raha nankany izy. Tonga ihany anefa izy. Tsy nitondra fiara izy fa bisikileta. Ataon’ny olona inona moa bisikileta! Indray mandeha koa, tamin’izahay nianatra Baiboly tao an-trano, dia tonga hisambotra ahy ny polisy sy ny miaramila. Rehefa nentin’izy ireo aho, dia niantsoantso i Bill hoe matokia an’i Jehovah. Nisy vokany be tamiko izany rehetra izany.

Gaga be angamba ny olona sasany tany amin’ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’izaho nivory voalohany. Lava be mantsy ny voloko, nikavina aho, ary nanao palitao hoditra namantarana ny antoko politika nisy ahy. Gaga anefa aho fa nandray tsara ahy ry zareo ary tsara fanahy daholo.

Mbola niaraka tamin’ny namako taloha aho na dia efa nianatra Baiboly aza. Latsa-paka tato am-poko ihany anefa izay nianarako tamin’ny farany. Tsapako fa tsy maintsy niala tamin’ny firehan-kevitra ara-politika narahiko aho raha te hanompo an’i Jehovah. Tsy maintsy niova namana koa aho. Tsy mora tamiko izany. Nahavita niova ihany anefa aho rehefa nanohy nianatra Baiboly sy niantehitra tamin’i Jehovah. Notapahiko ny voloko dia tsy nanao kavina intsony aho ary nividy kompile. Lasa tsara fanahy tamin’ny olona koa aho.

NY SOA NORAISIKO: Mpanao heloka bevava sady mpampihorohoro no nahafantaran’ny mpitandro filaminana ahy taloha. Tamin’izaho nanatrika fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany tany Navan, any Irlandy, ohatra, dia nisy mpitandro filaminana nanaraka ahy teny an-dalana nandroso sy niverina. Natahorana hanakorontana mantsy aho. Tsy malaza ratsy toy izany intsony anefa aho izao. Tsy misy manara-maso intsony aho rehefa hamonjy fivoriambe. Mitory an-kalalahana miaraka amin-dry Paul sy Bill ary ny mpiray finoana hafa koa aho.

Niova aho ka lasa anisan’ny fiangonana. Nihaona tamin’ny Vavolombelona antsoina hoe Louise aho, ary nivady izahay. Tafaraka indray koa izaho sy ny zanako lahy.

Manenina aho rehefa mitodika ny lasa satria nampalahelo sy nampijaly olona. Nieritreritra aho taloha hoe tena nety ny nataoko, nefa diso hevitra aho. Manana tanjona sy fanantenana aho izao. Tena miaiky aho fa afaka manova olona tokoa ny Baiboly.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

[Teny notsongaina, pejy 12]

Tezitra be i Neny rehefa hitany hoe namaky Baiboly aho