Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety Hisy ve ny Fahagagana? Zavatra Telo Matetika Lazain’ny Olona

Mety Hisy ve ny Fahagagana? Zavatra Telo Matetika Lazain’ny Olona

Mety Hisy ve ny Fahagagana? Zavatra Telo Matetika Lazain’ny Olona

VOALOHANY: Tsy misy ny fahagagana, satria tsy mifanaraka amin’ny lalàn’ny natiora izany. Anisan’ny lalàn’ny natiora ny hoe mianjera ny zavatra iray raha alatsaka. Ny mpahay siansa no nahalalantsika an’ireny lalàna ireny. Tsy mahafantatra ny lalàn’ny natiora rehetra anefa ny mpahay siansa. (Joba 38:4) Tsy voatery hifanaraka amin’ireny lalàna fantatsika ireny foana koa ny zava-misy, fa mety hisy zavatra maningana hitranga. Marina fa mety ho nandany ny androm-piainany ny mpahay siansa iray mba handinihana lalàn’ny natiora iray. Tsy maintsy mamerina mianatra an’ilay izy indray anefa izy, raha misy zavatra maningana tsy mifanaraka amin’ilay lalàna efa fantany.

Tsy mino afa-tsy izay fantany ny olona rehefa tsy mahalala ny zava-misy rehetra. Mampiseho izany ny tantara iray notantarain’i John Locke (1632-1704). Niresaka momba ny taniny tamin’ny mpanjakan’i Siam, hono, ny ambasadaoron’i Holandy. Nitantara izy fa nisy fotoana na ny elefanta aza afaka nandeha teo ambony rano tany Holandy. Tsy nino ilay mpanjaka fa noheveriny fa nandainga izy. Nanazava zavatra mbola tsy hitan’ilay mpanjaka fotsiny anefa ilay ambasadaoro. Tsy azon’ilay mpanjaka hoe rehefa mivaingana ny rano ka lasa gilasy, dia zakany na zavatra mavesatra be toy ny elefanta aza. Sarotra taminy ny nino an’izany satria tsy nahalala ny zava-nisy rehetra izy.

Betsaka koa ny zava-bita ankehitriny tsy noeritreretina hitranga mihitsy am-polony taona lasa izay. Anisan’izany ireto:

● Misy fiaramanidina afaka manidina tsy an-kijanona avy any amin’ny tany iray mankany an-tany hafa, ary afaka mitondra olona 800 mahery. Tsy mihetsiketsika be ilay izy rehefa mandeha, nefa 900 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehany.

● Afaka mifampiresaka sy mifankahita mivantana ny olona any amin’ny tany samy hafa amin’ny alalan’ny Internet.

● Hira an’arivony no azo tehirizina ao anaty fitaovana kely noho ny boatin’afokasoka.

● Vitan’ny dokotera mpandidy ny mamindra fo na taovan’olona iray ho ao amin’ny vatan’olona iray hafa.

Inona no hitantsika avy amin’izany? Raha ny olona aza mahavita zavatra noheverina fa tsy hitranga taona vitsivitsy lasa izay, mainka fa Andriamanitra? Namorona an’izao rehetra izao izy, ka azo antoka fa vitany ny manao fahagagana mbola tsy azontsika tsara na tsy vitantsika ny maka tahaka azy. *Genesisy 18:14; Matio 19:26.

FAHAROA: Miresaka fahagagana ny Baiboly mba hinoan’ny olona izay lazainy. Tsy mampirisika antsika hino ny fahagagana rehetra ny Baiboly. Mampitandrina antsika aza izy io mba tsy hino avy hatrany izay fahagagana hitantsika. Hoy, ohatra, ny 2 Tesalonianina 2:9, 10: “Ny fanatrehan’ilay tsy tan-dalàna dia araka ny asan’i Satana, miaraka amin’ny fahagagana rehetra, mbamin’ny famantarana sy fambara mandainga rehetra, ary amin’ny famitahana tsy marina rehetra.”

Nilaza koa i Jesosy fa ho betsaka ny olona hihambo ho mpanara-dia azy nefa tsy tena manara-dia azy akory. Misy aza hiteny hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô, moa ve izahay tsy efa naminany sy efa namoaka demonia ary efa nanao fahagagana maro tamin’ny anaranao?’ (Matio 7:22) Tsy eken’i Jesosy ho mpanara-dia azy anefa izy ireny. (Matio 7:23) Tsy nilaza mihitsy àry i Jesosy hoe avy amin’Andriamanitra daholo ny fahagagana.

Tsy milaza Andriamanitra hoe vao mahita fahagagana fotsiny ny mpanompony dia tokony hanam-pinoana. Tokony hanana porofo hafa kosa izy ireo vao hino zavatra iray.—Hebreo 11:1.

Anisan’ny fahagagana, ohatra, ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Taona vitsivitsy taorian’izany anefa, dia lasa nisalasala ny Kristianina sasany tany Korinto raha tena nitsangana tokoa izy. Ahoana no nanampian’ny apostoly Paoly azy ireo? Tsy nilaza fotsiny izy hoe nila nanana finoana bebe kokoa izy ireo, fa nanome porofo koa. Nilaza izy fa rehefa ‘natsangana tamin’ny maty i Jesosy tamin’ny andro fahatelo, dia niseho tamin’i Kefasy, ary avy eo tamin’izy roa ambin’ny folo lahy. Taorian’izany, dia rahalahy maherin’ny dimanjato no indray nisehoany, ka mbola velona ankehitriny ny ankamaroany.’—1 Korintianina 15:4-8.

Tsy maninona ve na nino an’ilay fahagagana ny Kristianina na tsia? Hoy i Paoly: “Raha tsy natsangana i Kristy, dia tena very maina ny fitoriantsika, ary very maina ny finoantsika.” (1 Korintianina 15:14) Tena zava-dehibe tamin’i Paoly àry ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Nino izy fa tena nisy ilay izy, satria olona an-jatony no nahita izany sady mbola velona aza izy ireo tamin’izany. Aleon’ireo vavolombelona ireo maty toy izay handa hoe tsy nahita ny zavatra hitany.—1 Korintianina 15:17-19.

FAHATELO: Zavatra fahita eo amin’ny natiora ihany ireny lazaina fa fahagagana ireny, fa tsy takatry ny olona tsy nahita fianarana fotsiny. Izany no lazain’ny manam-pahaizana sasany momba ny fahagagana voalazan’ny Baiboly. Raha tsy izany mantsy, hono, dia ho sarotra ihany ny hino azy ireny. Lazainy fa tsy avy amin’Andriamanitra izy ireny. Marina aloha fa mety ho nisy zavatra fahita eo amin’ny natiora, toy ny horohoron-tany na fihotsahan’ny tany, tamin’ny fahagagana sasany. Tsy nandinika ny fotoana nisehoan’izy ireny anefa ny manam-pahaizana nilaza an’izany.

Nanao fahagagana, ohatra, Andriamanitra tamin’ilay loza voalohany namelezany ny Ejipsianina. Niova ho ra ny Reniranon’i Neily tamin’izay. Nisy nilaza anefa hoe tsy fahagagana ilay izy, fa tany mena sy bibikely menamena no nahatonga an’ilay renirano ho mena. Milaza anefa ny Baiboly fa lasa ra mihitsy ilay izy, fa tsy hoe lasa ranom-potaka. Milaza koa ny Eksodosy 7:14-21 fa lasa ra ilay izy rehefa nikapoka an’ilay renirano tamin’ny tehiny i Arona, araka ny nasain’i Mosesy nataony. Ary na tany mena sy bibikely menamena aza no nahatonga an’ilay izy, dia fahagagana ihany satria tamin’ny fotoana nikapohan’i Arona an’ilay renirano no niova ilay rano.

Diniho koa izay nitranga rehefa akaiky hiditra ny Tany Nampanantenaina ny firenen’Israely. Tapi-dalan-kaleha izy ireo tamin’izay satria niakatra be ny Reniranon’i Jordana. Hoy ny Baiboly: “Raha vao tonga teo amin’i Jordana ny mpilanja an’ilay Vata, ka nitsoboka teo amin’ny morony ny tongotry ny mpisorona nilanja azy io, dia tsy nihetsika ny rano nidina avy tany ambony, fa niavosa ho toy ny tohodrano terỳ lavitra be terỳ, teny Adama.” (Josoa 3:15, 16) Tsy voalazan’ilay tantara raha horohoron-tany na fihotsahan’ny tany no nahatonga izany. Raha ny fotoana nisian’ilay izy anefa no jerena, dia hita hoe fahagagana izy io. Tamin’ny fotoana nolazain’i Jehovah fa hitrangan’ilay izy mihitsy mantsy no nitranga ilay izy.—Josoa 3:7, 8, 13.

Tena misy àry ny fahagagana raha ny Baiboly no jerena, fa tsy zavatra fahita eo amin’ny natiora fotsiny. Marina fa tsy fahita isan’andro ny fahagagana, nefa tsy midika akory izany hoe tsy hisy mihitsy izy ireny.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Raha misalasala ianao hoe misy Andriamanitra, dia jereo ny bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? sy ny hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Na anontanio izay nanome anao an’ity gazety ity.

[Sary, pejy 5]

Tsy nisy nieritreritra mihitsy, am-polony taona vitsivitsy lasa izay, hoe hahavita fiaramanidina ny olona, ka ho afaka hanidina an-jatony kilaometatra isan’ora