Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mino ve Ianao fa Misy ny Fahagagana?

Mino ve Ianao fa Misy ny Fahagagana?

Mino ve Ianao fa Misy ny Fahagagana?

“Tsy mifanaraka amin’ny siansa ny fahagagana raha ny famaritana azy no jerena.”—RICHARD DAWKINS, MPAMPIANATRA SIANSA TALOHA.

“Tena misy ny fahagagana. Tsy mampihozongozona finoana izy ireny, fa vao mainka aza manaporofo hoe tia sy mifandray amin’ny zavaboariny foana Andriamanitra.”—ROBERT LARMER, MPAMPIANATRA FILOZOFIA.

“MINO ve ianao fa tena misy ny fahagagana?” Raha ireo tenin’olona ireo no jerena, dia misy mino fa misy tsy mino. Ary ianao?

Mety hisalasala ianao hamaly hoe: “Ie, mino aho!” Matahotra angamba ianao sao lazain’ny olona fa minomino foana na tsy nahita fianarana raha mino an’izany. Olona maro koa no mieritreritra toy izany.

Na koa mety ho resy lahatra ianao hoe tena nisy ny fahagagana, toy ireo resahin’ny Baiboly. Anisan’izany ilay hoe nampisaraka ny Ranomasina Mena i Mosesy. Mety hino koa ianao hoe mbola misy fahagagana ankehitriny. Izao, ohatra, ny tatitra vao haingana tao amin’ny boky natontan’i Graham Twelftree: “Olona maro any amin’ny tany tandrefana no mbola mino hoe misy ny fahagagana. Efa ho ny antsasaky ny mponina any Grande-Bretagne, ohatra, no mino izany ary olona 3 eo ho eo ao anatin’ny 4 any Etazonia.” Tsy ny Kristianina ihany anefa no mino ny fahagagana fa “saika ny fivavahana rehetra mihitsy”, araka ny Rakipahalalana Britannica Momba ny Fivavahana Eran-Tany (anglisy).

Na mety hilaza ianao hoe: “Tsisy fahagagana eo amin’ny fiainako, ka tsy haiko izany sady tsy raharahako!” Tokony handinika momba ny fahagagana anefa ianao. Nahoana?

Aoka hatao hoe voan’ny aretina tsy misy fanafany ianao. Misy gazety iray azo itokisana anefa milaza fa misy fanafody vaovao mety hahasitrana anao. Tsy mba hanokana fotoana kely handinihana izay lazainy ve ianao? Toy izany koa fa mampanantena ny Baiboly hoe kely sisa dia hisy fahagagana hitranga. Hisy vokany amin’ny olona rehetra eto an-tany izany. Dia tsy hanokana fotoana kely ve ianao handinihana raha azo antoka izay lazainy?

Andeha isika handinika an’ireo fahagagana ampanantenain’ny Baiboly. Hijery zavatra telo matetika lazain’ny olona anefa aloha isika.

[Efajoro, pejy 3]

INONA NO ATAO HOE FAHAGAGANA?

Ny fahagagana dia zava-mitranga hafakely, izay matetika no lazaina fa avy amin’ny hery lehibe lavitra noho ny an’ny olombelona sy ny an’ny natiora.