Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpiaro ny Fahamarinana ve Ianareo?

Mpiaro ny Fahamarinana ve Ianareo?

Fizarana Diplaoman’i Gileada, Kilasy Faha-132

Mpiaro ny Fahamarinana ve Ianareo?

ANDRO niavaka ny 10 Martsa 2012 tao amin’ny foibem-pampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Patterson, New York. Tamin’io mantsy no nozaraina ny diplaoman’ny kilasy faha-132 amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada. Olona an’arivony no nanatrika ary maro tamin’izy ireo no avy any an-tany hafa. Maro no tonga tany Patterson. Nisy koa nanaraka mivantana an’ilay fandaharana tamin’ny tele tany amin’ny Betela maromaro. Nisy 9 042 ny mpanatrika raha atambatra.

Tsy andrin’ny rehetra ny nihaino izay holazaina amin’ireo mpianatra za-draharaha ireo. Tsy hoatran’ny mpianatra teo aloha mantsy izy ireo, fa efa mpanompo manontolo andro manokana daholo. Nisy Betelita, mpisava lalana manokana, mpiandraikitra mpitety faritany, ary misionera, saingy mbola tsy nanatrika an’io sekoly io mihitsy.

I Gerrit Lösch, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no nanolotra ny fandaharana sady nanao ny lahateny fanokafana. Nampisaintsaina toy izao izy: “Mpiaro ny Fahamarinana ve Ianareo?” Nohazavainy fa mpiaro ny fampianarana rehetra ao amin’ny Baiboly ny Kristianina. Tsy mampianatra ny fahamarinana fotsiny àry izy ireo, fa manampy ny olona ho tia azy io koa.

Hoy ihany ny Rahalahy Lösch: “Ahoana no ahalalantsika fa marina ny fampianarantsika?” Tsy ny isan’ny olona manaiky an’ilay izy, hoy izy, no ahalalana izany. Marina fa an-tapitrisany no manaraka ny fivavahana marina ankehitriny. Vitsy kely anefa no nanao izany tamin’ny Pentekosta taona 33. Nilaza izy avy eo fa misy antony dimy ahalalana fa marina ny fivavahantsika: 1) Manaraka ny fampianaran’i Jesosy foana isika, 2) mifankatia, 3) manaraka ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena, 4) tsy mandray anjara amin’ny politika na ady, ary 5) mitondra ny anaran’Andriamanitra.

“Ankatoavy foana ny tari-dalana omena anareo”

I Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny manaraka. Nitondra valizy teny amin’ny lampihazo izy, ka te hahalala izay hitranga ny mpanatrika. Nalaina avy tao amin’ny Isaia 50:5 ilay lahateniny hoe “Ankatoavy Foana ny Tari-dalana Omena Anareo.” Izao no resahin’io andinin-teny io momba an’i Jesosy Kristy: “Izaho kosa tsy mba nikomy na nivily lalana.”

Nilaza ny Rahalahy Jackson fa mitarika antsika amin’ny alalan’ny fanahy masina sy ny Baiboly ary ny fandaminany i Jehovah. Nampirisihiny àry ny mpianatra mba hanaraka an’ireny tari-dalany ireny avy hatrany. Niresaka an’ilay fanoharana momba ny talenta ao amin’ny Matio 25:14-30 izy avy eo. Toy ny hoe nitovy ny talenta nomena ny mpanompo tsirairay, satria nomena araka ny fahaizany avy izy ireo. Tokony ho nanao izay fara vitany izy ireo. Nahazo teny fiderana ny roa hoe “tsara sady mendri-pitokisana.” Tsy voatery hoe rehefa mahita vokatra be dia be àry ny olona iray vao lazaina fa mendri-pitokisana, fa rehefa mankatò ny tari-dalana omena azy.

Nolazain’ilay tompony hoe “ratsy fanahy sady kamo” ary “tsy misy ilana azy” ilay mpanompo fahatelo. Naleviny mantsy ny talenta nomena azy. Tsy vola madinika ny talenta. Mitovy lanja amin’ny denaria 6 000 izy io ary milanja 20 kilao eo ho eo. Mitovy amin’izany ny lanjan’ny valizy misy entana azo entina rehefa handeha fiaramanidina. Mila hery izany hoe mandevina zavatra mitovy habe amin’ny valizy izany. Nanao zavatra ihany àry ilay mpanompo satria nandevina an’ilay talenta izy. Tsy izay nasaina nataony anefa no nataony. Tsy tokony ho lany fotoana manao zavatra hafa koa àry ny misionera. Ohatra hoe variana manoratra taratasy ho an’ny tapaka sy namana, mikarokaroka ao amin’ny Internet, miaraka amin’ny namana, manao raharaham-barotra. Mety ho reraka be mantsy izy rehefa hariva ny andro, nefa tsy izay nasaina nataony no nataony. Hoy àry ny Rahalahy Jackson: “Araho foana ny tari-dalana omena anareo!”

“Aza misalasala mihitsy”

Izany no lahatenin’i Anthony Morris, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Hoy izy: ‘Tsy ampifandraisina mihitsy ny hoe mino sy misalasala ao amin’ny Baiboly. Tsy misalasala ny olona manam-pinoana. Vitan’i Satana ny nitaona an’i Eva hisalasala, nefa izy lavorary. Mety ho vitany koa àry ny hampisalasala antsika. Hatanjaho ny finoanao, dia tsy hisalasala mihitsy ianao.’ Niresaka momba an’i Petera tamin’izy “nandeha teo ambony rano” izy taorian’izay. Rehefa “nahita ny tafio-drivotra” i Petera, dia nanjary natahotra ka “nanomboka nilentika.” Nihazona azy i Jesosy sady nilaza hoe: “Nahoana ianao no nanjary nisalasala?” (Matio 14:29-31) Hoy ilay rahalahy avy eo: “Ho be atao ianareo rehefa manompo manontolo andro. Mety hahavariana ny olona izay rehetra ataonareo, ka toy ny hoe mandeha eny ambony rano ny fahitany anareo. Aza misalasala mihitsy anefa rehefa mamely ny tafio-drivotra.”

Nilaza avy eo ny Rahalahy Morris fa tsy mora ny miatrika fotoan-tsarotra toy ny tafio-drivotra. Hisy farany ihany anefa izany. Nampirisihiny ireo mpianatra handinika izay nataon’i Paoly sy Silasy tamin’izy ireo nigadra tany Filipy. Hoy ny Asan’ny Apostoly 16:25: “Nivavaka sy nihira fiderana ho an’Andriamanitra i Paoly sy Silasy rehefa tokony ho misasakalina, ary ren’ny voafonja hafa izy ireo.” Mariho fa tsy nivavaka fotsiny izy ireo, fa nihira koa. Nihira mafy be izy ireo matoa henon’ny voafonja hafa. Nilaza ny Rahalahy Morris fa na dia tsy manga feo aza isika, dia tsy tokony ho menatra hihira mihitsy, indrindra rehefa tojo zava-tsarotra. Teo am-pamaranana, dia novakiny ny Hira 135 hoe “Aoka Isika Hiaritra Hatramin’ny Farany”, ao amin’ny fihirana Mihirà ho An’i Jehovah.

Lahateny hafa

“Te ho Ela Velona ve Ianao?” Izany no lahatenin’i Robert Luccioni, avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Fividianana Entana. Nalaina avy tamin’ny tenin’i Davida Mpanjaka ao amin’ny Salamo 34:12 izy io. Noresahiny tao amin’ilay lahateny hoe ahoana no ahafahana miatrika zava-tsarotra sady mifandray tsara amin’i Jehovah foana. Niresaka momba ny 1 Samoela toko faha-30 koa izy hoe nenjehin’i Saoly Mpanjaka i Davida. Voatery nandositra tany Ziklaga izy sy ny lehilahy niaraka taminy ary ny fianakavian’izy ireo. Nobaboin’ny Amalekita anefa ny fianakavian’izy ireo tany. Nanome tsiny an’i Davida àry ireo lehilahy ireo sady nitady hitora-bato azy. Tsy kivy anefa izy fa “nankahery tena tamin’ny alalan’i Jehovah Andriamaniny.” (1 Samoela 30:6) Nangataka tari-dalana taminy izy ary nanaraka izany, ka nanafaka an’ireo babo. Nilaza ilay mpandahateny avy eo fa raha matoky an’i Jehovah toy izany ireo mpianatra, ary manaraka ny tari-dalany foana, dia ho ela velona ka hahita zava-tsoa. Hahafinaritra ny fiainan’izy ireo rehefa hanao ny andraikitra sarobidy ankinina aminy izy ireo.

“Banjino Ilay Hoavy Mahafinaritra.” Izany no lahatenin’i Michael Burnett, anisan’ny mpampianatra amin’ny Sekolin’i Gileada. Nilaza izy fa nanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro ka hatramin’ny fiposahany ny fotoam-piambenana, tany Israely fahiny. Nozaraina telo ilay izy ka adiny efatra avy ny tsirairay. Tamin’ny roa ka hatramin’ny enina ora maraina ny fiambenana farany. Mandritra an’io no tena sarotra ny miari-tory, satria amin’io no tena maizina sy mangatsiaka indrindra. Rehefa niambina, ohatra, ny mpanao salamo, dia nisaintsaina ny tenin’i Jehovah mba tsy ho resin-tory tamin’io fotoam-piambenana farany io. (Salamo 119:148) Hoy àry ilay rahalahy: “Mila miambina ianareo. Ho maizina mantsy ny fiainanareo indraindray, izany hoe hiatrika fotoan-tsarotra ianareo. Ho hitanareo koa fa tena mangatsiaka eto amin’ity tontolo ity, satria tsy manam-pitiavana ny olona. Eritrereto mialoha àry izay hatao rehefa sendra an’izany ianareo.” Nilaza izy avy eo fa tokony hanohy hianatra an’ireo hevi-dalina ao amin’ny Baiboly izy ireo. Hahavita hiambina izy ireo amin’izay ka hifandray tsara amin’i Jehovah foana. Izao no nanazavany an’izany: “Mivavaka amin’i Jehovah ianareo isan’andro satria tianareo ho lasa namanareo izy. Vakio isan’andro koa àry ny Baiboly mba hahafahany hiresaka aminareo. Efa kely sisa dia ho maraina ny andro ka tsy hisy intsony ny zava-tsarotra. Eritrereto tsara àry izay hampiasanareo ny fotoananareo. Hibanjina an’ilay hoavy mahafinaritra ianareo amin’izay.”

“Efa Voaofana Hanao ny Asanareo Ianareo.” Izany no lahatenin’i Mark Noumair, anisan’ny mpampianatra. Nalaina avy tao amin’ny 1 Petera 5:10 izy io. Hoy izy: “Nahoana moa ianareo no nasaina hianatra atỳ amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana, nefa efa za-draharaha? Satria efa hainareo tsara ny fanompoana ataonareo. Olona maro no maka andro tsy iasana ka mandeha miofana, na dia efa hainy tsara aza ny asany. Nampiofanin’i Jehovah koa ianareo nandritra ny dimy volana, ka lasa ‘mafy orina sy matanjaka.’ Nianatra bebe kokoa momba ny Teniny sy ny fandaminany ianareo, ka afaka hiantsoroka izay andraikitra mavesatra miandry anareo. Diniho, ohatra, ny hazo fanaovana trano. Tsy hivilana na ho tapaka ilay izy raha mafy tsara, na mavesatra be aza ny zavatra eo amboniny. Hiatrika zava-tsarotra koa ianareo rehefa hiara-hanompo amin’ny rahalahy sy anabavy, ka ho hita tsara ny vokatry ny fampiofanana anareo. Mbola hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly foana ve ianareo amin’izay? Mahazaka zavatra mavesatra ny hazo mafy. Misy fibra be dia be mifanetinety kely mantsy ao aminy. Toy ireny fibra ireny ny fampiofanana azonareo. Ireny no hahatonga anareo hatanjaka sy ho azo itokisana ka ho vonona tsara amin’izay asa miandry anareo. Efa nanao ny anjarany i Jehovah, ka enga anie ianareo hanao ny anjaranareo koa. Avelao ilay ‘Mpampianatra Lehibe Indrindra’ hamita ny fampiofanany anareo.”

Fitantarana sy fanadinadinana

Mampahery foana ny mihaino izay lazain’ny mpianatra rehefa fizarana diplaoma. Toy izany koa tamin’ity indray mandeha ity. Nanao fampisehoana ny fitoriana nataony vao haingana ny mpianatra sasany. Niandry adiny enina tao amin’ny seranam-piaramanidina, ohatra, ny mpivady frantsay iray, tamin’izy ireo ho any amin’ilay Sekolin’i Gileada. Niresaka tamin’ny lehilahy roa niandry fiaramanidina koa izy ireo, rehefa tao amin’ny hotely fisakafoana. Rehefa nilaza ilay lehilahy iray hoe avy any Malawi, dia niteny chichewa izy ireo. Gaga ilay lehilahy ka nanontany hoe ahoana no nahaizan’izy ireo ny fiteniny. Nilaza izy mivady fa misionera tany Malawi izy ireo. Rehefa niteny indray ilay lehilahy iray hafa fa avy any Cameroun, dia niteny frantsay izy ireo ka gaga izy. Nanaja ny Vavolombelon’i Jehovah izy mirahalahy, ka nitorian’ireo misionera.

Nisy mpivady roa hafa koa nadinadinin’i Nicholas Ahladis, avy ao amin’ny Sampan-draharaha Foiben’ny Fandikan-teny. Avy tany Aostralia ilay mpivady iray no nifindra tany Timaoro Atsinanana. Tany amin’io tany rotidrotiky ny ady io mantsy izy ireo no voatendry ho misionera. Ilay mpivady iray hafa kosa niala tany Korea mba hanompo any Hong-Kong. Tsy andrin’izy ireo erỳ ny hiverenana any amin’ireo tany ireo, mba hampihatra izay nianarany.

Rehefa voazara ny diplaoma, dia nisy solontenan’ny mpianatra namaky taratasy fisaorana noho ilay fampiofanana. Nanao fanamarihana ny Rahalahy Lösch teo am-pamaranana. Nampiasa sarin-teny koa izy hoe tsara tarehy toy ny avana ny fahamarinana, toy ny tany lonaka any an-tany efitra izy io, ary toy ny vatofantsika miaro amin’ny ranomasina misamboaravoara. Hoy izy avy eo: “Manana tombony be isika mahalala ny marina. Arovy àry ny fahamarinana, ary ampio ho lasa mpiaro azy io koa ny hafa.”

[Tabilao/Sarintany, pejy 31]

ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY

12 tany nanana solontena

36 salanisan-taona

20 salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana

15 salanisan’ny taona nanompoana manontolo andro

[Sarintany]

(Jereo ny gazety

Notendrena any amin’ireo tany aseho eto ambany ireo mpianatra:

TANY NANENDRENA

BELIZE

BÉNIN

CAMEROUN

CAP-VERT

CÔTE D’IVOIRE

EKOATERA

ETAZONIA

GABON

GÉORGIE

GUINÉE

HONG-KONG

KAMBÔDZA

LIBERIA

MADAGASIKARA

MALAWI

PEROA

REPOBLIKA DOMINIKANINA

SAMOA

SÃO TOMÉ SY PRÍNCIPE

TIMAORO ATSINANANA

ZIMBABWE

[Sary, pejy 31]

Ny Kilasy Faha-132 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Iap, R.; Iap, J.; Ng, T.; Ng, P.; Laurino, F.; Laurino, B.; Won, S.; Won, S.

2) Morales, N.; Morales, M.; Zanutto, J.; Zanutto, M.; Rumph, I.; Rumph, J.; Germain, D.; Germain, N.

3) Atchadé, Y.; Atchadé, Y.; Thomas, C.; Thomas, E.; Estigène, C.; Estigène, P.

4) Ehrman, D.; Ehrman, A.; Bray, J.; Bray, A.; Amorim, M.; Amorim, D.; Seo, Y.; Seo, Y.

5) Simon, J.; Simon, C.; Seale, C.; Seale, D.; Erickson, J.; Erickson, R.

6) McCluskey, D.; McCluskey, T.; Brown, A.; Brown, V.; Mariano, D.; Mariano, C.; Loyola, Y.; Loyola, C.

7) Rutgers, P.; Rutgers, N.; Foucault, P.; Foucault, C.; Wunjah, J.; Wunjah, E.