Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Resadresaka Mahaliana: Mankany An-danitra ve ny Tsara Fanahy Rehetra?

Resadresaka Mahaliana: Mankany An-danitra ve ny Tsara Fanahy Rehetra?

Resadresaka Mahaliana: Mankany An-danitra ve ny Tsara Fanahy Rehetra?

TIAN’NY Vavolombelon’i Jehovah ny miresaka momba ny Baiboly amin’ny mpiara-belona aminy. Misy fanontaniana manitikitika ny sainao ve? Misy tianao ho fantatra ve momba izay inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fanaon’izy ireo? Aza misalasala àry manontany an’izay Vavolombelona mihaona aminao. Ho faly izy hamaly anao.

Toy izao ny resadresaka fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny olona. Aoka hatao hoe Mamy no anaran’ilay Vavolombelona, ary Rado ilay olona iresahany.

Hanao inona any an-danitra ny olona hiakatra any?

Mamy: Araka ny hevitrao, hanao ahoana ny fiainana amin’ny hoavy?

Rado: Raha ny eto an-tany aloha dia tsisy azo antenaina e! Nefa manantena aho fa ho tsara fiafara ny tsara fanahy, satria hiakatra any an-danitra.

Mamy: Tsara kosa izany. Misy firesahana be dia be momba ny fiainana any an-danitra tokoa aloha ao amin’ny Baiboly e! Voalaza ao fa misy olona hiakatra any. Efa noeritreretinao ve hoe inona no hataon’izy ireo any?

Rado: Hiaraka amin’Andriamanitra dia hidera azy mandrakizay.

Mamy: Mety hahafinaritra tokoa izany. Fa izao! Tsy ny tombontsoa ho azon’ireo hiakatra any fotsiny no lazain’ny Baiboly, fa ny andraikitra lehibe miandry azy ireo any koa.

Rado: Dia inona izany?

Mamy: Ity voalazan’ny Apokalypsy 5:10 ity, hoe: “Ary nataonao [nataon’i Jesosy] fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo, ka ho mpanjaka hitondra ny tany.” Inona, hono, ny andraikitra miandry azy ireo any?

Rado: Ho mpanjaka hitondra ny tany.

Mamy: Izay mihitsy.

Hanjaka amin’iza izy ireo?

Mamy: Raha ho lasa mpanjaka àry ireo olona ireo, dia tsy tokony hisy vahoaka hanjakany ve, hozy ianao? Tsy misy ilana fitondrana mantsy raha tsy misy vahoaka.

Rado: Azoko ny tianao hahatongavana.

Mamy: Ka hanjaka amin’iza àry izy ireo?

Rado: Angamba hanjaka amin’ireo olona mbola tsy maty ka mbola tsy niakatra any an-danitra.

Mamy: Mety ho marina izany raha hiakatra any an-danitra daholo ny tsara fanahy rehetra. Misy hevitra hafa anefa ity. Mety hitranga ve ny hoe tsy hiakatra any an-danitra ny tsara fanahy sasany?

Rado: Tsy misy Kristianina mino an’izany e!

Mamy: Izao mantsy no nahatonga ahy nanontany an’izany. Mba vakio ange azafady ity lazain’ny Salamo 37:29 ity e!

Rado: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”

Mamy: Misaotra anao. Aiza, hono, ny tsara fanahy no hiaina?

Rado: Eto an-tany.

Mamy: Izay indrindra. Sady tsy hoe vetivety fotsiny, fa hozy hoe: “Honina eo mandrakizay.”

Rado: Mety ho izao ange no tiany hotenenina e! Hoe hisy olona tsara fanahy foana eto an-tany. Rehefa maty isika ka miakatra any an-danitra, dia hisy olona tsara fanahy indray ho teraka hisolo antsika.

Mamy: Betsaka aloha no mieritreritra toa anao izany e! Kanefa mety ho hafa mihitsy ny tian’ilay andinin-teny holazaina. Mety te hilaza izy hoe tena hiaina mandrakizay eto an-tany mihitsy ny tsara fanahy.

Rado: Tsy azoko mihitsy.

Ho lasa paradisa ny tany

Mamy: Misy andinin-teny hafa miresaka ny fiainan’ny olona eto an-tany amin’ny hoavy. Jereo ange, ohatra, ity Apokalypsy 21:4 ity e! Hozy hoe: “Hofafany [Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” Tsy hahafinaritra ve izany?

Rado: Ie. Fa ny fiainana any an-danitra no toa resahiny amin’io ko!

Mamy: Marina aloha fa tsy ho faty na alahelo na hanaintaina intsony ny olona ho any an-danitra e. Kanefa jereo indray ange ilay andininy e! Hatao ahoana, hono, ny fahafatesana?

Rado: Hoe: “Tsy hisy fahafatesana intsony.”

Mamy: Izay indrindra. Manaiky angamba ianao fa matoa lazaina hoe tsy hisy intsony ny zavatra iray, dia midika izany fa tsy maintsy ho efa nisy ilay izy teo aloha, sa ahoana?

Rado: Ie!

Mamy: Efa nisy maty ve anefa tany an-danitra? Tsy eto an-tany ihany ve no misy maty?

Rado: Marina aloha izany e!

Mamy: Hitanao amin’izay? Ampianarin’ny Baiboly fa hisy tsara fanahy vitsivitsy hiakatra any an-danitra. Lazainy koa anefa hoe be dia be no hiaina mandrakizay eto an-tany. Ary mino aho fa efa henonao ilay hoe: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.”—Matio 5:5.

Rado: Ie. Henoko foana izany any am-piangonana.

Mamy: Ka raha handova ny tany àry ny malemy fanahy, tsy midika ve izany hoe hisy olona hiaina eto an-tany? Dia ho tanteraka amin’izy ireo ity voalazan’ny Apokalypsy ity. Hahita ny tany hiova tanteraka izy ireo satria hesorin’Andriamanitra ny zava-dratsy rehetra, na dia ny fahafatesana aza.

Rado: Azoko ny tianao holazaina. Fa tsy mandresy lahatra ahy anefa raha andininy iray na roa fotsiny.

Mamy: Marina ny anao. Be dia be anefa ny andinin-teny miresaka momba ny fiainana eto an-tany amin’ny hoavy. Raha mbola manam-potoana kely ianao, dia hovakiko aminao ny andinin-teny tiako indrindra.

Rado: Tsy maninona ka!

“Tsy hisy intsony ny ratsy fanahy”

Mamy: Ny andininy 29 tao amin’ny Salamo 37 no novakintsika teo. Aleo indray hojerentsika ny andininy 10 sy 11. Mba azonao vakina ve azafady?

Rado: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.”

Mamy: Misaotra anao. Araka ny andininy 11, aiza, hono, ny “mpandefitra” na ny tsara fanahy no hiaina?

Rado: Hozy hoe “handova ny tany.” Kanefa, tsy ny amin’izao isika miteny izao ve no resahiny eo e? Fa angaha moa tsy miaina eto an-tany ny tsara fanahy amin’izao?

Mamy: Eny e. Jereo tsara anefa ilay teniny hoe “ho finaritra amin’ny fiadanam-be” ny tsara fanahy. Miadana be ve ny olona amin’izao andro izao?

Rado: Tsy miadana aloha e.

Mamy: Inona àry no tian’ireo andinin-teny ireo hotenenina? Omeko ohatra ianao. Ataontsika hoe manana trano ianao ary ampanofainao ilay izy. Ny mpanofa sasany mikarakara tsara ny efitra hofany sady mahay miara-monina amin’ny hafa, ka faly erỳ ianao mampanofa ny tranonao amin-dry zareo. Ny sasany indray ratsy toetra ka simbany ny tranonao. Tsy vitan’izay fa manakorontana ny manodidina koa ry zareo. Raha tsy miova ry zareo, dia inona no hataonao?

Rado: Roahiko ry zareo.

Mamy: Izany koa no hataon’Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy. Jereo indray ange ilay andininy 10 e! Izao no lazainy: “Tsy hisy intsony ny ratsy fanahy.” Toy ny hoe horoahin’Andriamanitra izay olona manakorontana ny hafa. Dia afaka ny hiaina am-piadanana eto an-tany ny tsara fanahy amin’izay. Azoko antoka aloha fa tsy izany no nampianarina anao e!

Rado: Ie! Tsy mampianatra an’izany mihitsy ny fiangonanay.

Mamy: Marina koa ilay teninao teo hoe tsy ampy raha andinin-teny iray na roa monja no jerena. Ny Baiboly iray manontolo mihitsy mantsy no mila dinihina raha tiana ho fantatra ny hoavin’ny tsara fanahy. Kanefa raha ny andinin-teny rehetra teo no jerena, tsy ekenao ve hoe mety hisy tsara fanahy vitsivitsy ho any an-danitra, nefa koa be dia be no hiaina mandrakizay eto an-tany?

Rado: Raha ny andinin-teny rehetra nojerentsika teo aloha, dia marina izany e! Kanefa mbola hodinihiko tsara ny amin’izany.

Mamy: Fa izao koa! Ahoana indray ny amin’ireny tsara fanahy be dia be efa maty ireny? Efa lasa any an-danitra daholo ve izy ireny sa aiza no misy azy ireny izao?

Rado: Tsy efa lasa any daholo ve ry zareo, sa ahoana?

Mamy: Angamba soratako amin’ny taratasy ny andinin-teny sasany miresaka an’izany, dia efa azonao jerijerena sy eritreretina mialoha. * Miverina aho amin’ny manaraka, dia handinika an’ireo indray isika. Mety aminao ve?

Rado: Ie, mety tsara ka! Misaotra anao.

[Fanamarihana ambany pejy]