Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Mpamaky

Tsy Mampaninona An’Andriamanitra ve Raha Mifoka Sigara Aho na Mihinam-paraky?

Tsy Mampaninona An’Andriamanitra ve Raha Mifoka Sigara Aho na Mihinam-paraky?

▪ Te hahafantatra ny valin’izany angamba ianao, satria tsy misy lalàna miresaka sigara sy paraky ao amin’ny Baiboly. Azontsika fantarina anefa ny hevitr’Andriamanitra momba izany.

Milaza ny 2 Timoty 3:16 fa ‘avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Soratra Masina iray manontolo.’ Hita avy amin’ny toro lalana ao, fa tian’Andriamanitra hitandro fahasalamana isika. Alohan’ny handinihantsika azy ireny anefa, dia hojerentsika ny vokatry ny sigara sy paraky eo amin’ny fahasalamana.

Mankarary sady mahafaty aloha be ny sigara sy paraky. Ny 1 amin’ny olona 5 maty any Etazonia, ohatra, no maty noho ny fifohana sigara. Nilaza ny Foibe Amerikanina Miady Amin’ny Fidorohana Zava-mahadomelina, fa be dia be isan-taona no ‘maty novonoin’olona, namono tena, sy matin’ny toaka, zava-mahadomelina voarara, lozam-pifamoivoizana, ary SIDA.’ Na atambatra aza anefa, hono, ny isan’ny olona matin’ireo rehetra ireo, dia mbola vitsy ihany raha oharina amin’ny isan’ny matin’ny sigara.

Manimba ny fahasalaman’ny olona tsy mifoka ny mpifoka sigara. Mampidi-doza ny setroka sigara. Atahorana kokoa ho voan’ny aretim-po sy kanseran’ny havokavoka ny olona tratran’ny setroka sigara. Hitan’ny dokotera koa, vao haingana, fa misy poti-javatra simika mampidi-doza avy amin’ny setroka sigara. Miraikitra ela be amin’ny akanjo na lamba hafa, ohatra, izy ireny na tsy misy setroka intsony aza. Mankarary izy ireny, indrindra fa ho an’ny ankizikely, sady mety hahatonga azy ho votsa saina.

Manandevo ny sigara sy paraky. Lasa mitady sigara sy paraky foana izay zatra azy ireny. Milaza mantsy ny mpikaroka fa feno zavatra simika atao hoe nikôtinina ao amin’ny sigara sy paraky. Raha zatra mahazo an’izany ny vatana, dia ho sahirana vao tafala.

Inona kosa no lazain’ny Baiboly?

Tian’Andriamanitra hanaja ny aina isika. Nilaza izy, tao amin’ny Lalàna nomeny ny Israelita, fa tokony hanaja ny aina izay te hampifaly azy. (Deoteronomia 5:17) Tsy maintsy nanisy arofanina nanodidina ny tampon-tranony, ohatra, ny Israelita. Marin-tampona mantsy ny tranon’izy ireo, ka azo nandehandehanana. Niaro azy ireo tsy hianjera ka haratra na ho faty àry ilay arofanina. (Deoteronomia 22:8) Tsy maintsy nitandrina koa izy ireo mba tsy hampidi-doza olona ny biby fiompiny. (Eksodosy 21:28, 29) Asehon’ireo lalàna ireo àry fa tsy manaja ny aina izay mifoka sigara na mihinam-paraky. Manao fanahy iniana manimba ny fahasalamany sy ny an’ny hafa mantsy izy.

Irin’Andriamanitra ho tia azy sy ny olona rehetra isika. Nilaza i Jesosy Kristy fa tokony hankatò an’ireto didy roa lehibe indrindra ireto ny mpanara-dia azy: Ho tia an’Andriamanitra amin’ny fony sy ny tenany sy ny sainy ary ny heriny manontolo, ary ho tia ny namany tahaka ny tenany. (Marka 12:28-31) Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny aina. Tsy tia azy sady tsy mankasitraka ny fanomezany àry izay mifoka sigara na mihinam-paraky. (Asan’ny Apostoly 17:26-28) Tsy tia ny mpiara-belona aminy koa izy, satria mampidi-doza azy ireo.

Mandidy antsika Andriamanitra mba hanalavitra ny fanao maloto. Milaza ny Baiboly fa tokony hanadio ny tenany ho afaka amin’ny “zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina” ny Kristianina. (2 Korintianina 7:1) Tena mandoto anefa ny sigara sy paraky. Tokony hiala amin’izany àry izay te hampifaly an’Andriamanitra. Mety ho sarotra izany, nefa ho vitan’izy ireo satria hanampy azy Andriamanitra.