Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Azo Atao Ihany ve ny Manao ny Marina?

Azo Atao Ihany ve ny Manao ny Marina?

‘Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.’—HEBREO 13:18.

HITANTSIKA teo fa ny Devoly sy ny ota ary ity tontolo ratsy ity no mahatonga ny olona hanao tsolotra. Hahavita hanao ny marina foana anefa isika, raha mifandray tsara amin’Andriamanitra sy mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly, izay hita hoe mahasoa foana hatramin’izay. Ireto misy ohatra roa amin’izany:

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao.”—Romanina 12:2, Fandikan-teny Protestanta.

“Rehefa nianatra Baiboly aho, dia nahita hoe mahazo tombony ianao raha manao ny marina foana.”—GUILHERME

Tantara tena nisy: Lehiben’orinasa any Brezila i Guilherme ary mandeha tsara ny orinasany. Miaiky izy fa tsy mora foana ny manao ny marina. Hoy izy: “Mora manao ny tsy marina ny mpandraharaha. Mety ho te hanatratra ny tanjon’ny orinasa mantsy izy na te ho tafavoaka rehefa misy fifaninanana ara-toe-karena. Olona maro no mihevitra fa ara-dalàna ny manome na mandray tsolotra. Sarotra àry ny manao ny marina, indrindra raha mitantana orinasa ianao ka mampiasa vola be mba hampandehanana an’ilay izy.”

Tsy nanaiky hanao ny tsy marina mihitsy anefa i Guilherme. Hoy izy: “Azo atao foana ny manao ny marina na dia tsy mampaninona ny olona aza raha tsy manara-dalàna ny mpandraharaha. Mila manaraka fitsipika hentitra momba ny tsara sy ratsy fotsiny ianao. Rehefa nianatra Baiboly aho, dia nahita hoe mahazo tombony ianao raha manao ny marina foana. Tsy enjehin’ny eritreritra, ohatra, ianao, milamin-tsaina, ary manaja tena. Lasa te hanahaka anao koa ny hafa.”

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanankarena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fanimban-tena. Fitiavam-bola mantsy no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao.”—1 Timoty 6:9, 10.

“Faly aho satria lasa tsara laza noho izaho nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly.”—ANDRÉ

Tantara tena nisy: Tompon’orinasa mpametraka fitaovana fiarovana amin’ny loza i André. Matetika izy no manao asa ho an’ny fikambanana iray mpikarakara lalao baolina kitra. Indray mandeha, taorian’ny lalao lehibe iray, dia nandeha tany amin’ny biraon’ny fitantanam-bola izy mba hampiseho ny faktiora. Mbola sahirana nanisa ny vola azo tamin’ny tapakila fidirana tamin’ilay lalao anefa ny mpiasa tao. Efa hariva be koa tamin’izay ka maimaika be ilay tompon’andraikitra nanome ny volan’ireo mpamatsy azy, anisan’izany i André.

Hoy i André: “Teny an-dalana hody aho vao nahita fa nihoatra ny vola nomen’ilay tompon’andraikitra ahy. Tsy ho fantany mihitsy aloha hoe iza no nahazo vola mihoatra e! Mampalahelo anefa izy satria izy no tsy maintsy hanolo an’ilay vola banga. Niverina tany àry aho. Tsy maintsy nisisika tao anaty olona be dia be avy nijery baolina aho mba hamerina ilay vola. Gaga be ilay tompon’andraikitra satria mbola tsy nisy namerina vola taminy hoatr’izany mihitsy.”

Hoy ihany i André: “Lasa nanaja be ahy ilay tompon’andraikitra noho izaho nanao ny marina. Efa aman-taonany izany no nitranga ary be dia be izahay tamin’izany no mpamatsy an’ilay fikambanana. Izaho irery anefa sisa no mbola miara-miasa aminy izao. Faly aho satria lasa tsara laza noho izaho nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly.”

Afaka mandà foana àry isika na dia betsaka aza ny mety hitaona antsika hanao kolikoly, satria afaka manampy antsika Andriamanitra. Tsy ampy anefa ny ezaka ataon’ny tsirairay raha tiana ho foana tanteraka ny kolikoly. Tsy vitan’ny olombelona tsy lavorary mantsy ny manafoana ny tena antony mahatonga azy io. Midika ve izany fa tsy hisy farany izy io? Hanazava izay lazain’ny Baiboly momba izany ny lahatsoratra manaraka.