Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanaiky ny Tenin’Andriamanitra Ilay Fianakaviana Hindoa

Nanaiky ny Tenin’Andriamanitra Ilay Fianakaviana Hindoa

TSY hadinoko mihitsy izay nitranga tamin’ny alatsinainy 22 Aogositra 2005. Niara-nisakafo maraina izahay mianakavy tamin’izay. Natahorana ho faty aho satria nisy nivonto be tao amin’ny atidohako. Rehefa avy nivavaka i Krishna vadiko, dia noresahiko tamin’ny fianakaviako izany.

Hoy aho: “Hiditra hopitaly aho fa hodidiana, ary mety ho faty satria sarotra be ilay fandidiana. Efa amboary ny sainareo na inona na inona hitranga. Efa nalamiko mialoha daholo ny momba ny fandevenana ahy, raha sanatria maty aho. Ho anareo efa manompo an’i Jehovah, aza miala aminy mihitsy. Fa ho anareo mbola tsy manompo azy kosa, miangavy anareo aho mba hianatra Baiboly amin’izay dia hanatrika ny fivorianay. Amin’izay mba samy hino isika fa hiaina mandrakizay ao amin’ilay tontolo vaovao ho avy ary tsy harary intsony rehefa ho lasa paradisa ny tany.”

Alohan’ny hitantarako hoe nanao ahoana ilay fandidiana, dia aleo aloha horesahiko ny mombamomba ahy sy ny fomba nahalalako an’ilay tena Andriamanitra.

Ny fahazazako

Izaho sy Neny

Tany Durban, any amoron-tsirak’i Afrika Atsimo, izahay no nipetraka. Tranobe vita tamin’ny hazo sy vy ny tranonay ary teny ambony havoana no nisy azy io. Nila niakatra zana-tohatra 125 avy teny amin’ny arabe izahay vao tonga teny. Nisy lalan-kely teny an-tampon’ilay tohatoha-bato ary kirihitra no teny amin’ny sisiny. Vavahady vy no teny amin’ny faran’ilay lalan-kely ary nisy tempolin’ny bebenay teo akaikiny. Feno sarin’andriamanitra hindoa ilay tempoly. Nilaza i Bebe fa “zanaky ny tempoly” aho. Mandir kī baccā izany amin’ny teny hindi. Ny andriamanitra nivavahanay, hono, mantsy no nahatonga ahy ho teraka. Nisy tohatra menamena mangirana nankeo amin’ny varavarana fidirana, teo ampitan’ilay tempoly. Ngeza be ilay trano ary nisy lalantsara lava be. Nalalaka be koa ny lakozia ary nisy lafaoro saribao tao. Efitra fatoriana fito no tao anatiny ary iray teny ivelany. Nisy 27 izahay no nipetraka tao, dia i Dadabe sy Bebe, Dada sy ny zandriny telo lahy ary ny zandriny faravavy, niampy ny fianakaviany avy. Sonny Deva no anaran’i Dada ary Gargee Devi no anaran’i Neny.

Ny tranonay

Maro an-trano izahay ka tsy mora ny nikarakara izay nilainay. Lasa nifandray be anefa izahay ary namela fahatsiarovana mahafinaritra be dia be izany. Nifampizara raharaha ny vinantovavy efatra, anisan’izany i Neny. Nifandimby nahandro sakafo sy nanadio trano izy ireo. I Dadabe no loham-pianakaviana ary izy no nividy sakafo ho an’ny rehetra. Isaky ny alarobia izy sy Bebe no niantsena ka nividy hena sy voankazo ary legioma ho an’ny herinandro. Fanaonay ny nipetraka teo ambanin’ny hazo kesika iray sady niandry azy ireo avy tany an-tsena. Tazana avy teny mantsy ny arabe. Raha vao hitanay nivoaka ny bisy izy ireo niaraka tamin’ny harom-be, dia nihazakazaka nidina tamin’ilay tohatoha-bato izahay ary nanampy azy hitondra entana.

Eo akaikin’ilay zana-tohatra 125

Nisy hazo palmie avo be teo an-jaridainanay ary nisy karazana maritaina nanao akany tao. Nisiotsioka sy nanidintsidina teo amin’ilay hazo ireo vorona ireo. Matetika i Bebe no nipetraka teo an-tohatra teo akaikin’ny varavarana fidirana sady nitantara angano taminay. Hoatran’ny hoe ilay feom-borona no nadikany taminay. Nahafinaritra be mihitsy ny fiainanay tamin’izany. Nifampizara ny mamy sy ny mangidy izahay mianakavy, ka niaraka nihomehy sy nitomany ary nilalao. Fa ny tena tsara indrindra dia hoe tao izahay no nanomboka nianatra momba an’i Jehovah, ilay Mpamorona, sy Jesosy Kristy Zanany.

Tamin’ny mbola tsy nianatra Baiboly izahay, dia nanao ny fombafomban’ny Hindoa isan’andro. Nisy fety be fanaonay koa matetika, ka nanasa vahiny maro be izahay mba hanamasina andriamanitra isan-karazany. Nahita fanahy i Bebe tamin’ny fety sasany, ary nifampiresaka tamin’izy ireny. Nisy biby natao sorona avy eo tamin’ny 12 ora alina katroka, mba hampitonena an’ireo fanahy. I Dadabe kosa nalaza ho tia nanao asa soa teo an-tanàna, satria mpanome vola hanamboarana sekolim-panjakana sy tempolin’ny Hindoa izy.

Lasa nahalala an’i Jehovah izahay

Narary i Dadabe tamin’ny 1972 ka maty. Volana vitsivitsy taorian’izay, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah roa niresaka tamin’i Indervathey, na Jane, nenitoanay. Nomen’izy ireo gazety Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izy tamin’izay. Tsy nampandrosoiny tao an-trano anefa izy ireo satria tsy nandray azy ireny mihitsy izahay. Nanenina izy ka rehefa niverina izy ireo tatỳ aoriana, dia nampandrosoiny ary notantarainy azy ireo ny olana tao an-tranony. Mpisotro toaka be mantsy ny vadiny ary efa nampirisihin’ny havanay sy ny mpiray tanàna taminay hisaraka izy. Nohazavain’ireo Vavolombelona ny hevitr’Andriamanitra momba ny fanambadiana. (Matio 19:6) Gaga be i Nenitoa rehefa nahalala ny torohevitry ny Baiboly sy ilay fampanantenana hoe hihatsara ny fiainana eto an-tany amin’ny hoavy. * Tsy nisaraka indray izy ary lasa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona. Rehefa nianatra tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny izy ireo, dia nangalatra nihaino azy ireo avy tany amin’ny efitranony avy i Neny sy ny rahavaviny am-panambadiana roa hafa.

Nianatra Baiboly daholo izy ireo tatỳ aoriana. Noresahin’i Nenitoa Jane tamin’ny hafa izay nianarany, ary matetika koa izahay no namakiany tantara avy tao amin’ny boky Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe. * Nony fantatry ny dadatoanay anefa hoe nianatra Baiboly ny vadin-dry zareo, dia nataony izay tsy hianaran’izy ireo intsony. Nalain’ilay dadatoanay izay, ohatra, ny bokinay rehetra sy ny Baiboly iray, dia nodorany. Novonoin’izy ireo sy nitenenany ratsy koa izahay satria nivory tany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. I Dada irery no tsy mba nanao toy izany, fa navelany hianatra Baiboly foana izahay. Nivory foana i Neny sy ny rahavaviny am-panambadiana, ary nampitomboiny foana ny fitiavany an’i Jehovah Andriamanitra.

Natao batisa i Nenitoa Jane tamin’ny 1974 ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Natao batisa koa i Neny sy ny nenitoanay hafa, tsy ela taorian’izay. Tsy nanao ny fombafomban’ny Hindoa intsony koa i Bebe, tatỳ aoriana. Nanarakaraka an-dry zareo nivory fotsiny aho nandritra ny taona maro. Namonjy fivoriambe izahay, indray mandeha, ary nisy Vavolombelon’i Jehovah atao hoe Shameela Rampersad niteny tamiko hoe: “Ary mba rahoviana indrỳ no hatao batisa?” Dia hoy aho: “Mbola tsy afaka ny hatao batisa aho satria tsisy mampianatra Baiboly.” Nilaza izy avy eo fa afaka mampianatra ahy. Natao batisa aho tamin’ny fivoriambe nanaraka, tamin’ny 16 Desambra 1977. Lasa 18 taminay 27 tatỳ aoriana no vita batisa. Mbola Hindoa anefa i Dada tamin’izaho hodidiana.

“Aza manahy na amin’inona na amin’inona”

Nampahery be ahy ny Filipianina 4:6, 7, indrindra rehefa fantatra hoe nisy nivonto be tao amin’ny atidohako. Voalaza ao hoe: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” Sarotra ny tsy ‘hanahy na amin’inona na amin’inona’, indrindra raha fantatrao fa mety ho faty ianao na rahoviana na rahoviana. Nitomany fotsiny aho tamin’ny voalohany. Nivavaka anefa aho ka lasa nahatsapa ny “fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.”

Toy ny hoe nitantana sy nitarika ahy foana tamin’ny tanako ankavanana i Jehovah Andriamanitra. (Isaia 41:13) Nanampy ahy izy ka lasa sahy nanazava tamin’ny mpitsabo aho hoe tsy hampidiran-dra satria te hankatò ny didin’ny Baiboly. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29) Nanaiky tsy hampiasa ra àry ilay dokotera mpandidy sy ny mpanao fanatoranana. Nilaza ilay mpandidy, taorian’izay, fa nety tsara ilay fandidiana ary afaka tanteraka ilay nivonto. Nilaza koa izy fa mbola tsy nahita marary nodidiana tany amin’ny atidoha sitrana haingana be hoatr’ahy.

Nampianatra Baiboly teo am-pandriana tany an-trano aho roatokombolana taorian’izay. Iray volana sy tapany teo ho eo taorian’ilay fandidiana koa aho dia efa nitondra fiara sy nitory ary nivory indray. Misaotra an’ireo mpiray finoana amiko aho nanampy ahy rehefa niara-nitory izahay. Tsy navelan’izy ireo handeha irery mihitsy aho ary nataony izay hahatonga ahy ho tody soa aman-tsara tany an-trano. Nihaino famakiana Baiboly noraisim-peo koa aho ary niezaka nifandray tamin’i Jehovah foana, ka izany no anisan’ny nahatonga ahy ho sitrana haingana.

Faly aho fa nanaiky hianatra Baiboly i Dada taorian’ny fandidiana ahy. Natao batisa izy tamin’izy 73 taona, ary mazoto manompo an’i Jehovah izy izao. Maherin’ny 40 izao ny havanay manompo an’i Jehovah. Tsy mahita tsara intsony ny masoko havia, ary vy no mitazona ny karandohako. Tsy andriko izay hahatongavan’ny Paradisa ka hataon’i Jehovah “vaovao ny zava-drehetra.”—Apokalypsy 21:3-5.

Izaho sy ny vadiko (ankavia), ny zanakay vavy, ary i Dada sy Neny

Sambatra aho manana vady tena tia ahy. Mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Manan-janakavavy mahafatifaty atao hoe Clerista koa aho, ary manampy ahy hahavita hitory manontolo andro foana izy. Be dia be koa ny fitahiana nomen’i Jehovah ahy. Maro tamin’ny olona nampianariko Baiboly, ohatra, no nanova ny fiainany ary 30 mahery tamin-dry zareo no efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra ka natao batisa.

Tena mino aho fa hanafaka antsika amin’ity tontolo feno fijaliana ity i Jehovah Andriamanitra ary hanova ny tany ho Paradisa. Tsy andriko erỳ izay hahatongavan’izany!

^ feh. 12 Manazava bebe kokoa ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany ny toko 3 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 13 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.