Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Mbola Misy Foana ny Tsolotra?

Nahoana no Mbola Misy Foana ny Tsolotra?

“Nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.”—MPITORITENY 8:9.

MARINA mihitsy izany raha jerena ny tantara. Ny fitondram-panjakana no mahatonga ny olona hijaly be. Nisy olona te hampanjaka ny marina foana hatramin’izay, nefa tsy nahavita izany izy ireo noho ny fitiavan-tena sy ny tsolotra. Fa nahoana àry no mbola misy foana ny tsolotra? Ireto misy antony telo:

1. Ny ota.

Milaza ny Baiboly fa “eo ambany fahefan’ny ota” daholo isika. (Romanina 3:9) “Mitoetra” ao amintsika toy ny aretina manaranaka tsy mety sitrana ny ota. ‘Nanjaka’ tamintsika toy ny mpanjaka izy io nandritra ny taona maro. Manan-kery eo amintsika foana ny “lalàn’ny ota.” Mora manota àry ny olona ka izay hahasoa ny tenany aloha no tadiaviny na izay hahazoany harena na fahefana, na dia mety hampidi-kizo ny hafa aza izany.—Romanina 5:21; 7:17, 20, 23, 25.

2. Ity tontolo ratsy ity.

Tia tena sy tsy mety afa-po ny ankamaroan’ny olona, ka sarotra amin’ny sasany ny hiavaka amin’ny maro. Lasa te hahazo fahefana sy vola aman-karena mihoatra noho izay tena ilainy izy ireo noho izany. Mampalahelo fa vonona ny tsy hanara-dalàna mihitsy izy ireo mba hahazoana izany. Aleony “manaraka ny maro mba hanao ratsy”, toy izay tsy hanaiky hanao toy ny manodidina azy.—Eksodosy 23:2.

3. I Satana Devoly.

“Mamitaka ny tany rehetra misy mponina” i Satana, ilay anjely mpikomy. (Apokalypsy 12:9) Faly erỳ izy mampirisika ny olona hanao ratsy. Efa faniriana ao anatin’ny olona iray ny hoe te hiadana sy hanana ny ampy. Mety hohararaotin’i Satana anefa izany faniriana izany mba hahatonga an’ilay olona tsy hanao ny marina.

Tsy midika anefa izany hoe tsy maintsy manao izay tian’i Satana isika. Izany no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.