Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manampy ny Sahirana

Manampy ny Sahirana

“Hotahina izay manana fijery mangoraka, satria anomezany ho an’ny mahantra ny sakafony.”—OHABOLANA 22:9.

Nahoana ny olona no manao Krismasy?

Nanampy ny mahantra sy marary ary mijaly i Jesosy. Te hanahaka azy àry ny sasany, ka mieritreritra hoe amin’ny Krismasy no tsara indrindra anaovana izany. Amin’io mantsy matetika ny fikambanana mpanao asa soa no miezaka kokoa manangona fanomezana.

Inona no olana?

Variana miantsena sy miala voly ary mitsidika ny havany sy ny namany ny ankamaroan’ny olona rehefa fety. Zara raha manam-potoana sy hery ary vola hanampiana ny sahirana àry izy ireo. Manome fanomezana ny fikambanana mpanao asa soa ihany angamba no vitany.

Inona no toro lalan’ny Baiboly?

“Aza miahotra manao soa amin’izay tokony hanaovan-tsoa raha mbola azon’ny tananao atao ihany.” (Ohabolana 3:27) Tsy hoe rehefa Krismasy ihany vao misy olona noana sy mijaly ary mahantra. Aza miandry rehefa fety àry vao manampy ny sahirana, raha “mbola azon’ny tananao atao ihany.” Hovalian-tsoa ianao raha tsara fanahy sy mangoraka ka mampiseho izany amin’ny atao.

“Isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia aoka ny tsirairay aminareo, any an-tokantranony any, mba hanokana vola, arakaraka izay azony.” (1 Korintianina 16:2) Te hanampy ny mahantra ny Kristianina fahiny ka nomen’ny apostoly Paoly an’io torohevitra io. Nahoana àry raha ‘manokana vola’ tsy tapaka omena ny sahirana na fikambanana mpanao asa soa azo itokisana? Mahazo antoka tsara ianao amin’izay hoe mikarakara ny sahirana araka izay anananao.

“Aza manadino hanao soa sy hizara amin’ny hafa, fa sorona toy izany no ankasitrahan’Andriamanitra.” (Hebreo 13:16) Mariho fa tsy hoe asaina ‘mizara amin’ny hafa’ fotsiny isika, fa tokony “hanao soa” na hanampy azy ireo koa. Tokony hampiofanin’ny ray aman-dreny hanampy olona ny zanany. Ohatra hoe manampy ny be taona amin’ny raharahany, manoratra karta na mitelefaonina na mamangy ny marary mba hampaherezana azy ireo, na koa mikarakara ankizy hafa mahantra na manan-kilema. Ho tsara fanahy sy hahay hangoraka foana ny zanany amin’izay.

Tokony hampiofanin’ny ray aman-dreny hanampy ny be taona sy marary ary ankizy sahirana ny zanany. Ho tsara fanahy sy hahay hangoraka foana izy ireo amin’izay