Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manolotra Fanomezana

Manolotra Fanomezana

“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—ASAN’NY APOSTOLY 20:35.

Nahoana ny olona no manao Krismasy?

Hita amin’io tenin’i Jesosy io fa samy sambatra ny olona manome sy omena fanomezana. Te ho sambatra hoatr’izany ny olona maro ka mihevitra izy ireo hoe tsy maintsy manolotra fanomezana izy rehefa Krismasy. Nisy fanadihadiana natao, ohatra, tany Irlandy tamin’ny 2011. Hita fa nihoatra ny 500 euros (1 450 000 ariary eo ho eo) ny vola noeritreretin’ny tokantrano tsirairay hividianana fanomezana tamin’ny Krismasy. Nisy olana ara-toe-karena anefa tamin’izany.

Inona no olana?

Maro no mahatsapa fa tsy mahasambatra akory ny manomana fanomezana amin’ny Krismasy, fa vao mainka mampiady saina. Mahatsiaro ho voatery hividy zavatra tsy takatry ny volany mantsy izy ireo. Miantsena daholo koa ny rehetra amin’io ka feno olona any an-tsena sady milahatra be. Lasa mahasorena ny olona àry ny mividy fanomezana.

Inona no toro lalan’ny Baiboly?

Hoy i Jesosy: “Aoka ianareo ho zatra manome.” * (Lioka 6:38) Tsy amin’ny fotoana eritreretin’ny olona hoe tokony hanolorana fanomezana ihany no asain’i Jesosy manao fanomezana ny mpanara-dia azy. Tiany ho zatra manome amin’ny fo kosa izy ireo.

“Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” (2 Korintianina 9:7) Inona no dikan’izany? Manazava ny boky iray fa ‘tsy tokony hahatsapa ho voatery isika rehefa manome fanomezana.’ Tokony ‘hanome amim-pifaliana’ kosa isika. Amin’izay isika tsy hahatsapa ho voatery hanome fanomezana ho an’ny olona iray amin’ny fotoana voafaritra toy ny amin’ny Krismasy.

“Raha misy aloha ny fahavononana hanome, dia ankasitrahana indrindra izany raha araka izay ananan’ilay olona, fa tsy araka izay tsy ananany.” (2 Korintianina 8:12) Fahita amin’ny dokam-barotra rehefa fety ny toe-tsaina hoe “mitrosa aloha dia avy eo manefa.” Tsy tian’Andriamanitra hidi-trosa mba hividianana fanomezana lafo vidy anefa ny Kristianina. Raha manome ‘araka izay ananany’ kosa izy, dia tsy hoe tsara fotsiny izany fa ankasitrahan’Andriamanitra koa.

^ feh. 8 ‘Manome’ fotsiny no andikan’ny Baiboly sasany an’io. Te hilaza asa mitohy anefa i Jesosy raha jerena ilay matoanteny grika tany am-boalohany nampiasainy. “Zatra manome” àry no andikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao azy io mba hamoahana tsara izany hevitra izany.