Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miaraka Amin’ny Fianakaviana

Miaraka Amin’ny Fianakaviana

“Tsara sy mahafinaritra erỳ rehefa miara-monina amim-piraisan-tsaina ny mpirahalahy!”—SALAMO 133:1.

Nahoana ny olona no manao Krismasy?

‘Nahafinaritra’ ny Israelita erỳ ny niara-nanao fety tany Jerosalema. Fianakaviana iray na “mpirahalahy” daholo mantsy izy ireo satria samy taranak’i Israely na Jakoba. Tsy andrin’ny fianakaviana maro koa ny ho tafaraka sy hankafy fotoana “mahafinaritra” rehefa Krismasy.

Inona no olana?

Hoy ny Rakipahalalana Momba ny Fankalazana Krismasy sy Taom-baovao (anglisy): “Misy olana madinidinika eo amin’ny samy mpianakavy mandritra ny taona. Matetika izany no mipoaka rehefa tafavory manao fety izy ireo.”

Inona no toro lalan’ny Baiboly?

‘Aoka ianareo hamaly babena ny ray aman-dreninareo mbamin’ny raibe sy ny renibenareo.’ (1 Timoty 5:4) Ataovy izay azonao atao mba hamangiana foana ny havanao. Afaka mifampiresaka matetika amin’izy ireo ianao, na lavitra be aza izy ireo. Afaka manoratra taratasy, ohatra, ianao, na mitelefaonina, na mandefa e-mail, na miresaka aminy mivantana amin’ny Internet. Zara raha hisy tsy fifanarahana eo aminareo amin’izay.

‘Tery amin’ny fanehoana firaiketam-po ianareo. Koa mba halalaho ny fonareo.’ (2 Korintianina 6:12, 13) Raha indray mandeha isan-taona fotsiny ianareo no mihaona amin’ny havanareo, dia ho lasa vahiny be aminareo izy ireo, indrindra fa amin’ny ankizy. Lasa mihafahafa amin’ny dadabeny sy bebeny na ny havany mipetraka lavitra ny ankizy sasany. Ampirisiho ‘hihamalalaka’ àry izy ireo ka ho tia olona maro. Manokàna, ohatra, fotoana hiarahanareo tsy tapaka amin’ny dadabeny sy bebeny. * Hahay hangoraka sy hanaja olon-dehibe ny zanakareo amin’izay.

“Tsara erỳ ny teny lazaina amin’ny fotoana mety!” (Ohabolana 15:23) Inona no azonareo atao mba tsy hampisara-bazana anareo ny tsy fifanarahana na olana hafa? Mahaiza mifidy “fotoana mety” hiresahana an’izay zavatra lehibe tokony hodinihina. Raha mifampiresaka tsara foana ianareo, dia ho mora aminareo ny hifanatona rehefa hamaha olana. Hankafy fotoana “mahafinaritra” ianareo amin’izay rehefa tafaraka.

^ feh. 9 Jereo ny lahatsoratra hoe “Nahoana Aho no Tokony Hifankahalala Tsara Amin’i Dadabe sy Bebe?” sy hoe “Ahoana no Ifandraisako Akaiky Kokoa Amin’i Dadabe sy Bebe?”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Mey sy 8 Jona 2001, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.