Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho An’ny Mpamaky

Ho An’ny Mpamaky

Tamin’ny Jolay 1879 no nanomboka navoaka ity gazety vakinao ity. Nisy fandrosoana foana teo amin’izao tontolo izao taorian’izay, ka efa niova imbetsaka koa ny endrik’ity gazety ity. Mbola hisy fiovana indray manomboka amin’ity laharana ity.

Mihabetsaka ny olona tia maka na mamaky fanazavana ao amin’ny Internet, any amin’ny tany maro. Bokotra kely fotsiny mantsy no tsindriana, dia efa mahita fanazavana tsy hita afa-tsy ao amin’ny Internet. Misy boky sy gazety maro azo vakina koa ao.

Nohatsarainay àry ny tranonkalanay ao amin’ny www.pr418.com, ka lasa manintona kokoa ny endriny sady lasa mora hitadiavana fanazavana. Afaka mamaky boky sy gazety amin’ny fiteny 430 mahery ny olona mitsidika an’io tranonkala io. Tsy ho hita ato amin’ity gazety ity intsony ny lahatsoratra sasany mpiseho tato, a manomboka amin’ity volana ity. Ho azonao vakina ao amin’io tranonkala io anefa izy ireny.

Hamoaka lahatsoratra betsaka kokoa izahay, ary ao amin’ny Internet ihany no ahitana izany. Lasa 16 pejy àry ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana ho an’ny besinimaro fa tsy 32 pejy intsony, manomboka amin’ity gazety ity. Efa misy amin’ny fiteny 204 izao Ny Tilikambo Fiambenana. Mety ho afaka hamoaka azy io amin’ny fiteny maro kokoa izao izahay, satria efa vitsy ny pejiny.

Manantena izahay fa hihabetsaka ny olona handre an’ilay hafatra mamonjy aina ao amin’ny Baiboly noho izany fanovana izany. Vonona hanome fanazavana mahaliana foana izahay, na ato amin’ity gazety ity na ao amin’ny Internet, mba hanampiana an’ireo olona tia Baiboly sy te hahafantatra izay tena voalaza ao.

Ny Mpampanonta

a Anisan’izany ireto: “Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora”, izay manampy ny tanora hianatra Baiboly, ary ilay hoe “Andao Hianatra Baiboly!”, izay natao hampianaran’ny ray aman-dreny ny zanany telo taona no ho midina.