Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MANATÒNA AN’ANDRIAMANITRA

‘Nahariharinao Tamin’ny Zaza Izany’

‘Nahariharinao Tamin’ny Zaza Izany’

Te hahafantatra ny marina momba an’Andriamanitra ve ianao? Ohatra hoe iza izy, inona no zavatra tiany sy tsy tiany, ary inona no tiany hatao. Ampahafantarin’i Jehovah Andriamanitra ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly, ny marina rehetra momba azy. Tsy ny olona rehetra anefa no hahatakatra tsara an’izay voalaza ao rehefa mamaky azy io. Andeha hojerentsika izay nolazain’i Jesosy momba izany.—Vakio ny Matio 11:25.

Nankany amin’ny tanàna telo tany Galilia i Jesosy, indray mandeha. Nanao fahagagana maro izy tao. Mbola tsy nanaiky hanara-dia azy ihany anefa ny mponina tao, ka nanameloka azy ireo i Jesosy. (Matio 11:20-24) Mety hilaza angamba ianao hoe: ‘Efa nahita maso ny fahagagana nataon’i Jesosy ve ry zareo, dia mbola tsy niraharaha ny fampianarany ihany?’ Efa donto ny fon’izy ireo ka izany no nahatonga azy tsy niraharaha.—Matio 13:10-15.

Nilaza i Jesosy fa tsy hahatakatra ny marina lazain’ny Baiboly isika raha tsy ampian’Andriamanitra sady manetry tena. Hoy izy: “Ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany ô, midera anao ampahibemaso aho, satria efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny mahira-tsaina izany, fa nahariharinao tamin’ny zaza kosa.” Tsy ny olona rehetra àry no hahatakatra ny marina ao amin’ny Baiboly. I Jehovah ihany no manapa-kevitra hoe iza no ampahafantariny an’izany, satria izy no “Tompon’ny lanitra sy ny tany.” Tsy miangatra anefa izy rehefa manao izany. Nahoana àry izy no mampahafantatra ny marina amin’ny olona sasany, nefa tsy manao izany amin’ny olon-kafa?

Ny manetry tena no tian’i Jehovah, fa tsy ny manambony tena. (Jakoba 4:6) Afeniny amin’ny “hendry sy ny mahira-tsaina” àry ny marina. Manambony tena sy miseho ho mahavita tena mantsy izy ireny ka tsy mitady ny fanampian’Andriamanitra. (1 Korintianina 1:19-21) Ampahafantariny ny marina kosa ny “zaza”, izany hoe ny olona miezaka manatona azy sy manetry tena toy ny ankizy. (Matio 18:1-4; 1 Korintianina 1:26-28) Nahita karazan’olona hoatr’ireo i Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra, tamin’izy tetỳ an-tany. Nahita fianarana, ohatra, ny mpitondra fivavahana tamin’izany, nefa maro tamin’izy ireo no tsy nahazo izay nolazainy satria nanambony tena. Nisy mpanarato kosa nahatakatra izay nampianariny, satria nanetry tena. (Matio 4:18-22; 23:1-5; Asan’ny Apostoly 4:13) Nisy koa anefa mpanankarena sy nahita fianarana lasa mpanara-dia an’i Jesosy, satria tena nanetry tena izy ireo.—Lioka 19:1, 2, 8; Asan’ny Apostoly 22:1-3.

Te hahafantatra ny marina momba an’Andriamanitra àry ve ianao? Hitantsika teo fa tsy tian’Andriamanitra ny olona miseho ho hendry, ary tena mampahery izany. Ny olona heverin’izy ireo ho ambany kosa no tiany. Ho anisan’ny olona ampahafantarin’i Jehovah ny marina momba azy àry ianao, raha mianatra ny Teniny sy manetry tena. Hisy dikany ny fiainanao dieny izao, ary hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao ampanantenainy ianao amin’ny hoavy tsy ho ela. Izany no “tena fiainana”! a1 Timoty 6:12, 19; 2 Petera 3:13.

Famakiana Baiboly Amin’ny Janoary

Matio 1-21

a Mampianatra Baiboly maimaim-poana any an-tokantrano, amin’ny alalan’ny boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho faly izy ireo hampianatra anao ny marina momba an’Andriamanitra sy izay kasainy hatao.