Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Be Fitiavana i Mosesy

Be Fitiavana i Mosesy

INONA NO ATAO HOE FITIAVANA?

Firaiketam-po amin’ny olona ny hoe fitiavana. Raha be fitiavana ny olona iray, dia asehony an’ilay olona tiany amin’ny teniny sy ny ataony izany, na dia misy zavatra tsy maintsy afoiny aza.

AHOANA NO NAMPISEHOAN’I MOSESY FA BE FITIAVANA IZY?

Tia an’Andriamanitra i Mosesy ary nasehony tamin’ny nataony izany. Mifanaraka amin’ity lazain’ny 1 Jaona 5:3 ity ny zavatra nataony: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny.” Nanaraka ny didin’Andriamanitra foana i Mosesy. Nasaina niresaka tamin’i Farao Mpanjaka, ohatra, izy ary nampatahotra be izany nefa nataony. Nankatò koa izy rehefa nasaina nanao zavatra tsotra kely, ohatra hoe nanatsotra ny tehiny teo amin’ny Ranomasina Mena. Nanao izay nasaina nataony foana izy, na mora izany na sarotra.—Eksodosy 40:16.

Tia ny Israelita iray firenena taminy koa i Mosesy. Neken’izy ireo fa i Mosesy no nampiasain’i Jehovah hitarika azy ireo, ka nankany aminy izy ireo rehefa nanana olana. Nihaino azy ireo i Mosesy “nanomboka tamin’ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro.” (Eksodosy 18:13-16) Tsy maintsy hoe reraka be izy tamin’izany, satria tontolo andro be izao izy nihaino ny zava-nanahirana an’ireo Israelita. Tia azy ireo anefa i Mosesy, ka faly izy nanampy azy ireo.

Tsy hoe nihaino ny olona tiany fotsiny i Mosesy fa nivavaka ho azy ireo koa. Nivavaka ho an’izay ratsy toetra taminy mihitsy aza izy. Nimenomenona taminy, ohatra, i Miriama anabaviny indray mandeha, ka nataon’i Jehovah boka. Tsy hoe faly akory i Mosesy satria voa i Miriama, fa tonga kosa izy dia nivavaka hoe: “Mba miangavy re, Andriamanitra ô! Mba sitrano re izy e!” (Nomery 12:13) Tsy maintsy hoe tia olona i Mosesy matoa nivavaka ho an’ny hafa toy izany.

AHOANA NO ANAHAFANTSIKA AN’I MOSESY?

Tokony ho tena tia an’Andriamanitra isika, amin’izay hahavita hitandrina ny didiny ‘amin’ny fo.’ (Romanina 6:17) Ary raha mankatò azy amin’ny fo isika, dia ho faly izy. (Ohabolana 27:11) Handray soa koa isika raha manao izany. Raha noho isika tia an’Andriamanitra mantsy no antony hanompoantsika azy, dia tsy vitan’ny hoe hanao ny tsara fotsiny isika, fa hahita fifaliana koa rehefa manao izany.—Salamo 100:2.

Tokony ho tia ny hafa koa isika ka hahafoy tena ho azy ireo. Raha misy namantsika na havantsika, ohatra, mitantara amintsika izay manahirana azy, dia tokony hampiseho isika hoe tia azy. Hihaino tsara azy isika, hiara-miory aminy, ary hampiseho fa miahy azy.

Afaka mivavaka ho an’ny olona tiantsika koa isika. Indraindray mantsy tsy hitantsika izay hatao rehefa misy miresaka amintsika ny manahirana azy. Mety hilaza mihitsy aza isika hoe: “Tena tsy hitako re izay hatao e! Ao fa hivavaka ho anao aho!” Tadidio anefa fa “misy heriny lehibe sady tena misy vokany ny fitalahoan’ny olo-marina.” (Jakoba 5:16) Mety ho ny vavaka ataontsika no hahatonga an’i Jehovah hanao zavatra ho an’ilay olona, ary mety ho tsy nanao an’izany izy raha tsy nivavaka isika. Ny mivavaka ho an’ny olona tiantsika àry no zavatra tsara indrindra azontsika atao ho azy ireo. *

Be dia be mihitsy àry ny azo ianarana avy amin’i Mosesy. Na dia olombelona toa antsika ihany aza izy, dia tena niavaka satria nanam-pinoana sy nanetry tena ary be fitiavana. Vao mainka isika handray soa arakaraka ny hanahafantsika azy, ary handray soa koa ny hafa.—Romanina 15:4.

^ feh. 8 Tsy maintsy miezaka mafy manao izay takin’Andriamanitra isika, raha tiantsika hihaino ny vavaka ataontsika izy. Manazava izany ny toko 17 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.