Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TANTARAM-PIAINANA

“Hitako Izany, Nefa Tsy Azoko ny Heviny”

“Hitako Izany, Nefa Tsy Azoko ny Heviny”

Notrotroin’i Neny aho, indray andro, tamin’ny 1975, tamin’izaho roa taona. Tamin’izay izy no nahatsikaritra voalohany fa nisy zavatra hafahafa tamiko. Nisy namanay nanjera zavatra mavesatra be mantsy ary nidoboka be ilay izy, nefa izaho tsy nihontsina akory na ny kely aza. Mbola tsy nahay niteny ihany koa aho na efa feno telo taona aza. Nentina tany amin’ny dokotera àry aho, ary nilaza izy ireo fa marenina aho. Kivy be mihitsy ny fianakaviako!

Telo lahy iray vavy izahay ary izaho no farany. Mbola kely aho dia efa nisaraka i Dada sy Neny, ka i Neny irery no voatery nitaiza anay. Mbola tsy hoatran’ny amin’izao ny fampianarana ny ankizy marenina tatỳ Frantsa tamin’izany, ary nampijaly be aza izany indraindray. Nanana tombony anefa aho raha oharina amin’ny marenina hafa.

Tamin’izaho dimy taona tany ho any

Be dia be ny mpampianatra nieritreritra tamin’izany fa mila miteny izy ireo rehefa mampianatra marenina. Asaina mijery ny molony ny ankizy mba hahazoany izay ampianarina azy, ary terena hiteny rehefa hamaly. Tsy azo natao mihitsy, tatỳ aminay, ny nanao tenin’ny tanana tany am-pianarana. Ny tanan’ny ankizy sasany aza nofatorana tao an-damosiny mihitsy tao am-pianarana.

Nisy dokotera nampianatra ahy hiteny tamin’izaho mbola kely. Nianatra nandritra ny ora maromaro isan-kerinandro izahay. Notazonina teo amin’ny saokako na ny lohako aho, ka noterena hamerimberina feo tsy reko akory. Tsy mba afaka niresaka tamin’ny ankizy hafa aho. Nahatsiaro ho nijaly be mihitsy aho tamin’ireny.

Nalefa tany amin’ny sekoly kilasimandry ho an’ny marenina aho, tamin’izaho enin-taona. Tany aho vao tafaraka tamin’ny ankizy marenina. Voarara koa anefa ny nanao tenin’ny tanana tany. Raha sendra tratra izahay, dia voaringo-bolo na voakapoka ny tanana. Niafina nanao tenin’ny tanana anefa izahay ka kaody noforoninay no nampiasainay. Ela ny ela ka afaka nifampiresaka tamin’ny ankizy ihany aho! Nahafinaritra ny fiainako ny efa-taona nanaraka.

Nafindra tany amin’ny sekoly ho an’ny mandre anefa aho tamin’izaho folo taona. Nalahelo be mihitsy aho! Noheveriko hoe maty daholo ny ankizy marenina afa-tsy izaho. Nilaza ny dokotera fa tsy hahay hiteny sy hamaky molotra intsony aho raha misy manao tenin’ny tanana amiko. Tsy nianatra tenin’ny tanana àry ny fianakaviako, ary tsy navela hiarakaraka tamin’ny marenina aho. Nisy fotoana izahay nankany amin’ny dokotera ary nisy boky momba ny tenin’ny tanana teo ambony latabany. Hitako ny sary tamin’ny fonon’ilay boky ka notondroiko ilay izy sady hoy aho: “Ity omena  ahy!” Nafenin’ilay dokotera hoatran’ny tsy teo ilay boky. *

NANOMBOKA NIANATRA BAIBOLY

Niezaka nampianatra anay ny fitsipiky ny Baiboly foana i Neny. Nentiny nivory tany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Mérignac, akaikin’i Bordeaux, izahay. Mbola zaza aho ka zara raha nisy zavatra azoko tany. Nifandimby nipetraka teo akaikiko anefa ny olona, dia nandray naoty haseho ahy. Tia sy nikarakara be ahy ry zareo, ka nanohina ny foko izany. Nampianarin’i Neny Baiboly aho tany an-trano fa tsy tena azoko foana izay nianarako. Nahatsiaro ho hoatran’i Daniela mpaminany aho. Nisy anjely nilaza faminaniana taminy, nefa hoy izy: “Reko izany, nefa tsy azoko ny heviny.” (Daniela 12:8) Ny ahy indray hoe: “Hitako izany, nefa tsy azoko ny heviny.”

Nihanahafantatra ny marina tao amin’ny Baiboly ihany anefa aho. Tiako erỳ rehefa nisy azoko tsara ny zavatra nianarako, ka niezahako nampiharina izany. Naka lesona tamin’izay nataon’ny hafa koa aho. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa tokony hanana faharetana isika. (Jakoba 5:7, 8) Tsy azoko mihitsy ny dikan’izany, raha tsy efa nahita ny mpiray finoana amiko nampiseho an’io toetra io aho. Tena nahasoa ahy ny nandeha nivory.

DISO FANANTENANA ARY FALY BE INDRAY

I Stéphane, ilay nanampy ahy hahazo izay lazain’ny Baiboly

Nahita ankizy marenina nanao tenin’ny tanana teny an-dalana aho, indray andro. Mbola tsy ampy 20 taona aho tamin’izay. Niaraka tamin-dry zareo an-tsokosoko aho, ary nianatra Tenin’ny Tanana Frantsay. Nivory tany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah foana aho, ary nisy ankizilahy hoe Stéphane tany, niezaka hinamana be tamiko. Niezaka be mihitsy izy hiresaka tamiko, ka lasa te hinamana taminy koa aho. Diso fanantenana be tampoka anefa aho avy eo. Nogadraina mantsy i Stéphane fa tsy nety nanao miaramila. Nalahelo be mihitsy aho! Kivy loatra aho ka saika tsy nivory intsony.

Nafahana i Stéphane, 11 volana tatỳ aoriana. Tena tsy nampoiziko fa nanao tenin’ny tanana izy rehefa niresaka tamiko. Saika tsy nino mihitsy aho! Hay izy nianatra Tenin’ny Tanana Frantsay tany am-ponja! Nijery azy nanao tenin’ny tanana aho sady nandinika ny endriny. Vao mainka aho faly be nieritreritra hoe ho afaka hifampiresaka tsara amin’izay izahay.

IZAY VAO AZOKO IZAY AMPIANARIN’NY BAIBOLY

Nampianatra Baiboly ahy amin’izay i Stéphane. Izay aho vao nanomboka nampifandray izay kely mba fantatro avy tao amin’ny Baiboly. Tiako erỳ tamin’ny mbola kely ny nijery sary tsara tarehy tao amin’ny boky fianarana Baiboly. Nampitahaiko ny sarin’olona ary nodinihiko tamin’ny an-tsipiriany mba ho tadidiko. Nahafantatra momba an’i Abrahama sy ilay “taranaka” ary ny “vahoaka be” aho taloha. Rehefa nohazavaina tamin’ny tenin’ny tanana anefa ireny vao azoko tsara. (Genesisy 22:15-18; Apokalypsy 7:9) Izay vao hitako ny tena fiteniko!

Lasa nanohina ny foko ny zavatra noresahina tany am-pivoriana rehefa azoko tsara. Vao mainka aho te hianatra bebe kokoa. Nihanahafantatra zavatra maro tao amin’ny Baiboly aho rehefa nampian’i Stéphane. Nanokan-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra àry aho, ka natao batisa tamin’ny 1992. Marina fa efa niezaka be aho mba hivory sy hifandray tsara tamin’Andriamanitra. Mbola tsy dia be teny sy saro-kenatra ihany anefa aho, satria tsy mba afaka niresaka tamin’ny olona tamin’ny mbola kely.

NIEZAKA TSY HO SARO-KENATRA INTSONY

Marenina vitsivitsy izahay no niara-nivory taloha. Nakambana tamin’ny fiangonana mampiasa tenin’ny tanana any Pessac, any Bordeaux, anefa izahay, tatỳ aoriana. Nanampy be ahy izany ka vao  mainka aho nahalala zavatra be dia be tao amin’ny Baiboly ary nampihatra izay nianarako. Mbola tsy dia nahay niresaka tamin’olona aho. Rehefa niresaka tamin’ny namako mandre anefa aho, dia nataon-dry zareo izay hahazoako tsara ny resakay. Niezaka be hifandray tamiko, ohatra, i Gilles sy Elodie. Matetika aho no nasain’izy mivady hisakafo na hisotro kafe rehefa avy nivory. Lasa mpinamana be izahay. Tsara erỳ ny miaraka amin’ny olona mankatò ny fitsipik’Andriamanitra!

I Vanessa vadiko, izay tena nanampy ahy

Tao amin’io fiangonana io no nahitako an’i Vanessa. Sariaka be sy tsy manavakavaka izy sady mahatakatra ny manjo ny hafa. Tsy mba nieritreritra izy hoe tsy afaka miresaka amiko satria aho marenina. Vao mainka aza izany nohararaotiny mba hianarana miresaka amin’ny marenina. Nifankatia izahay ka nivady tamin’ny 2005. Nampiany aho mba hahay hiresaka sy tsy ho saro-kenatra be. Tena misaotra azy aho fa manampy ahy hamita tsara ny andraikitro izy.

FANOMEZANA HAFA AVY AMIN’I JEHOVAH

Nanasa ahy hiofana iray volana handika teny ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah atỳ Louviers, atỳ Frantsa, taoriana kelin’ny nivadianay. Efa taona vitsivitsy talohan’izay ny sampana no nanomboka namoaka DVD amin’ny Tenin’ny Tanana Frantsay. Mbola be dia be anefa ny asa ka nila fanampiana ny ekipa mpandika teny.

Nanao lahateny tamin’ny Tenin’ny Tanana Frantsay

Samy nahatsapa izahay sy Vanessa fa fanomezana avy amin’i Jehovah Andriamanitra ilay hoe hanompo any amin’ny sampana, ary tombontsoa be izany. Nitebiteby koa anefa izahay hoe hanao ahoana ilay antokona marenina nisy anay. Dia hataonay ahoana ny tranonay? Ary hahita asa any akaiky any ve i Vanessa? Nahagaga anefa fa nalamin’i Jehovah daholo ireo zavatra nampanahy anay ireo. Hitako hoe tena tia anay sy ny marenina rehetra i Jehovah!

MIRAY SAINA NY VAHOAKAN’I JEHOVAH

Miasa ao amin’ny fandikan-teny aho, ka izao vao tena hitako ny ezaka rehetra atao mba hanampiana ny marenina hifandray amin’i Jehovah. Faly erỳ aho rehefa mahita ny mpiara-miasa amiko miezaka miresaka amiko. Manohina ny foko ny mahita azy ireo manao an’izay tenin’ny tanana kely mba hainy. Tsy mahatsiaro ho voailikilika mihitsy aho. Hita mihitsy hoe tia ahy ry zareo. Miray saina tokoa ny vahoakan’i Jehovah!—Salamo 133:1.

Miasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny ao amin’ny biraon’ny sampana

Misaotra an’i Jehovah aho fa nataony nisy olona nanampy ahy foana tao amin’ny fiangonana. Faly koa aho fa afaka manao izay kely vitako mba hanampiana ny marenina hahafantatra an’ilay Mpamorona be fitiavana sy hifandray aminy. Kely sisa dia hesorina izay rehetra manakantsakana ny olona tsy hifampiresaka tsara. Ny rehetra mihitsy koa no hahay ny “fiteny madio”, dia ny marina momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany. (Zefania 3:9) Hiray saina toy ny fianakaviana ny rehetra amin’izay. Tsy andriko erỳ izany!

^ feh. 9 Tamin’ny 1991 ny fanjakana frantsay vao namoaka lalàna hoe azo atao ny manao tenin’ny tanana rehefa mampianatra ankizy marenina.