TANTARAM-PIAINANA
Mahantra Nefa Manankarena Ara-panahy
Teraka tamin’ny Desambra 1939 aho. Trano mbola tsy vita no nipetrahan-dry Dada sy Dadabe tao Cotiujeni, tanànan’ny tantsaha any amin’ny faritra avaratr’i Moldavia ankehitriny. Lasa Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, taoriana kelin’ny 1930. Lasa Vavolombelona koa i Neny, rehefa hitany hoe nahay Baiboly kokoa noho ilay pretra tao an-tanàna i Dadabe.
Nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona i Dada sy ny rahalahiny ary Dadabe, tamin’izaho telo taona, noho izy ireo tsy nety nanao miaramila. I Dada ihany no tsy maty tany. Nody izy tamin’ny 1947, rehefa tapitra ny Ady Lehibe II, ary tapaka ny hazon-damosiny. Tsy niala tamin’ny finoany mihitsy anefa izy, na lasa kilemaina aza.
NIOVA TAMPOKA NY FIAINANAY
Nalefa sesitany tany Siberia izahay mianakavy sy ny Vavolombelona an-jatony tao Moldavia, tamin’izaho sivy taona. Nafatratra tao anaty vagao fitondrana omby izahay, tamin’ny 6 Jolay 1949. Naharitra 12 andro tsy an-kiato ny dia, tamin’ny lalana 6 400 kilaometatra mahery, mandra-pahatonga tao amin’ny garan’i Lebyazhe. Efa niandry anay tao ny polisy teo an-toerana. Nozarazaraina tamin’ny toerana samihafa izahay, ka sekoly kely efa aolo no nipetrahanay. Vizana be izahay sady kivy. Nikalo moramora hira iray noforonin’ny Vavolombelona tamin’ny Ady Lehibe II ny vehivavy zokiolona iray. Tsy ela izahay rehetra dia niara-niredona an’ilay hira hoe:
“Rahalahy maro no nalefa sesitany any lavitra any.
Nisy nentina nianavaratra ary nisy nentina niantsinanana.
Fampijaliana sy fisedrana mahatsiravina no natao taminy, noho izy ireo nanao ny asan’Andriamanitra.”
Afaka namonjy fivoriana isaky ny alahady izahay, tatỳ aoriana. Tany amin’ny 13 kilaometatra niala ny tranonay no nanaovana azy, ka vao mangiran-dratsy izahay no niainga. Ririnina tamin’izany ka hatreny am-balahana ny lanezy, ary 40 degre ambanin’ny zero ny mari-pana. Olona tsy latsaka ny 50 izahay no nisisika tao amin’ny efitra kely iray. Natomboka tamin’ny hira iray na roa na telo ny fandaharana. Nisy vavaka avy amin’ny fo avy eo, narahin’ny dinidinika ara-baiboly naharitra adiny iray teo ho eo. Nihira indray izahay, ary nisy fiaraha-midinika avy eo. Tena nampahery ireny fotoana ireny!
NIATRIKA OLANA VAOVAO
Nahazo fahalalahana kokoa ireo Vavolombelona nalefa sesitany, tamin’ny 1960. Na mahantra aza izahay, dia afaka nitsidika an’i Moldavia ihany aho, ary nihaona tamin’i Nina. Efa Vavolombelona koa ny ray aman-dreniny sy ny bebe sy dadabeny. Nivady izahay, tsy ela tatỳ aoriana, ary niverina tany Siberia. Tany no teraka i Dina zanakay vavy, tamin’ny 1964, ary Viktor zanakay lahy, tamin’ny 1966. Nifindra tatỳ Ukraine izahay, roa taona taorian’izay, ary nipetraka tamin’ny trano kely iray eto Djankoy. Any amin’ny 160 kilaometatra miala an’i Yalta, ao amin’ny saikinosin’i Crimée, izy io.
Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Crimée tamin’izany, toy ny tany an-toeran-kafa nanerana ny Firaisana Sovietika. Tsy hentitra be anefa ny fanjakana teto, sady tsy nahery vaika ny fanenjehana. Tsy nazoto nanompo intsony àry ny rahalahy sasany. Aleo, hono, mba mitady fiainana metimety, fa efa mafy ny nanjo tany Siberia.
ZAVA-NITRANGA NAMPITAINTAINA
Nekena ho ara-dalàna ny asantsika nanerana ny Firaisana Sovietika, tamin’ny 27 Martsa 1991. Tonga dia nandamina fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana nanerana an’i Ukraine, izahay. Niisa fito ilay izy ary naharitra roa andro avy. Ny anay ilay tany Odessa, izay tokony hanomboka ny 24 Aogositra. Tonga iray volana mialoha aho, mba hanampy tamin’ny fanomanana an’ilay kianja hanaovana azy io.
Niasa tontolo andro izahay, ary matetika no natory tamin’ny dabilio tao amin’ilay kianja rehefa alina. Anabavy maro no nanadio ny toerana fijanonan’ny fiara nanodidina azy io. Fako 70 taonina teo ho eo no nariana. Vahiny 15 000 no nantenaina ho tonga, ka nivezivezy eran’ny tanàna ireo rahalahy tao amin’ny sampan-draharahan’ny filasiana, mba hitady toerana hasiana azy ireo. Nisy vaovao ratsy anefa!
Voasambotra tao Yalta i Mikhaïl Gorbatchev, filohan’ny URSS, ny 19 Aogositra, dimy andro talohan’ny fotoana tokony hanombohan’ilay fivoriambe. Tsy nekena hanao an’ilay fivoriambe indray izahay. Nanomboka niantso tany amin’ny biraon’ny fivoriambe ireo rahalahy vahiny hoe: “Dia ahoana izany, nefa izahay efa namandrika toerana tamin’ny bisy sy lamasinina?” Nivavaka mafy ireo rahalahy tompon’andraikitra, ary nilaza hoe: “Tongava ihany e!”
Mbola nanohy ny fanomanana ireo rahalahy, ary nivavaka foana. Nitsena an’ireo Vavolombelona avy tany amin’ny lafivalon’ny Firaisana Sovietika ireo rahalahy tao amin’ny sampan-draharahan’ny fitaterana, ary nitondra azy ireo tany amin’ny toerana hilasiany. Nankany amin’ny manam-pahefana foana ireo rahalahy anisan’ny Komitin’ny Fivoriambe, isan’andro, fa tsy nahita mangirana.
VALIM-BAVAKA
Nitondra vaovao tsara ireo rahalahy ny alakamisy 22 Aogositra, roa andro talohan’ny hanombohan’ny fivoriambe: Nahazo alalana hanao fivoriambe izahay! Tsy omby tratra ny hafalianay rehefa nanao ny hira sy ny vavaka fanokafana. Mbola nijanonjanona izahay rehefa tapitra ny fandaharana ny asabotsy hariva, ary niresadresaka tamin’ny namana. Tena natanjaka ny finoan’ireo rahalahy, satria nahavita niaritra an’ireo fitsapana mafy indrindra izy ireo.
Nisy fandrosoana be nandritra ny 22 taona nanaraka. Maro ny Efitrano Fanjakana naorina eran’i Ukraine. Nihamaro koa ny mpitory: Nisy 25 000 izy ireo tamin’ny 1991 fa lasa 150 000 mahery ankehitriny!
MBOLA MANANKARENA ARA-PANAHY
Mbola ilay tranonay eto Djankoy ihany no ipetrahanay. Efa lasa 40 000 izao ny mponina eto. Mbola vitsy ny fianakaviana vavolombelona teto, tamin’izahay niverina avy tany Siberia tamin’ny 1968, nefa misy fiangonana enina eto izao.
Nitombo koa ny ankohonako. Efa manana zafiafy aho izao, ary manompo an’i Jehovah daholo izahay.