Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Inona no fanantenana ho an’ny maty?
Toy ny olona matory ny maty, satria tsy mahatsiaro tena ary tsy afaka manao na inona na inona. Afaka manangana ny maty anefa ny Mpamorona, ka ho velona indray izy ireny. Mba hanaporofoana an’izany, dia nomeny hery hananganana ny maty i Jesosy.—Vakio ny Mpitoriteny 9:5; Jaona 11:11, 43, 44.
Nahoana ny maty no toy ny olona matory?
Nampanantena Andriamanitra fa hatsangany ireo maty ao amin’ny fitadidiany, ka hiaina ao amin’ny tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana. Miandry ny fotoana hananganany azy izy ireo. Efa tsy andrin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ny hananganana ny maty.—Vakio ny Joba 14:14, 15.
Inona no hitranga rehefa hatsangana ny maty?
Hitovy amin’ny endriny taloha ihany ny endrik’ilay olona hatsangana amin’ny maty, ary ho tadidiny ny namany sy ny fianakaviany. Na lasa vovoka aza ny vatany, dia afaka mamorona vatana vaovao ho azy Andriamanitra.—Vakio ny 1 Korintianina 15:35, 38.
Olona vitsivitsy ihany no hatsangana ho any an-danitra. (Apokalypsy 20:6) Hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany kosa ny ankamaroan’ireo hatsangana amin’ny maty. Hanana fiainam-baovao indray izy ireo, ary ho afaka hiaina mandrakizay.—Vakio ny Salamo 37:29; Asan’ny Apostoly 24:15.