Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Hoatran’ny ahoana Andriamanitra?

Fanahy tsy hita maso Andriamanitra. Izy no namorona ny lanitra sy ny tany ary ny zavamananaina rehetra. Tsy nisy namorona izy, izany hoe tsy nanam-piandohana. (Salamo 90:2) Tiany hitady azy sy hahafantatra ny marina momba azy ny olona.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:24-27.

Azontsika fantarina ny anaran’Andriamanitra. Afaka mahalala ny toetrany sasany koa isika, rehefa mandinika ny zavatra noforoniny. (Romanina 1:20) Mila mianatra ny Baiboly anefa isika, raha te hahafantatra tsara azy. Manampy antsika izy io hahafantatra ny toetrany mahatehotia.—Vakio ny Salamo 103:7-10.

Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny tsy rariny?

Mankahala ny tsy rariny i Jehovah, ilay Mpamorona antsika. (Deoteronomia 25:16) Noforoniny tahaka ny endriny ny olona, ka tsy mahagaga raha maro no mankahala ny tsy rariny. Tsy Andriamanitra no mahatonga ny tsy rariny. Nomeny safidy malalaka kosa ny olona. Mampalahelo fa maro no mampiasa izany amin’ny fomba ratsy, ka lasa manao ny tsy rariny. Mampalahelo an’i Jehovah izany.—Vakio ny Genesisy 6:5, 6; Deoteronomia 32:4, 5.

Tia rariny i Jehovah ary tsy havelany hisy mandrakizay ny tsy rariny. (Salamo 37:28, 29) Mampanantena ny Baiboly fa tsy ho ela i Jehovah dia hanafoana ny tsy rariny.—Vakio ny 2 Petera 3:7-9, 13.

Mampanantena ny Baiboly fa tsy ho ela Andriamanitra dia hampanjaka ny rariny