MATOAN-DAHATSORATRA
Ilay Ady Nanova An’izao Tontolo Izao
Tovolahy an-tapitrisany no nandeha tany an’ady, 100 taona lasa izay. Nandao ilay akaniny tsy nananany ahiahy izy ireo, ary nafana fo erỳ satria hoe tia tanindrazana. Hoy ny tovolahy amerikanina iray, izay nanolo-tena handeha hiady tamin’ny 1914: “Manantena hoavy mamirapiratra aho ka faly sy mientam-po.”
Tsy ela anefa dia lasa hatezerana ilay hafanam-po. Tsy nisy nanampo hoe hihitsoka tany Belzika sy Frantsa nandritra ny taona maro ireo tafika lehibe. Fantatra amin’ny hoe Ady Lehibe Voalohany io ady io ankehitriny.
Lehibe iny ady iny raha ny isan’ny maty sy ny naratra no resahina. Misy milaza fa 10 tapitrisa teo ho eo no maty tamin’izy iny, ary 20 tapitrisa teo ho eo no naratra mafy. Hadisoana lehibe koa no nahatonga azy iny. Nisy disadisa teo amin’ny mpitondra eoropeanina sasany, ary tsy vitan’izy ireo ny nisakana izany tsy ho lasa ady maneran-tany. Ny tena misongadina angamba dia hoe namela holatra lehibe iny ady iny. Nanova an’izao tontolo izao izy iny, ary mbola misy akony hatramin’izao izany.
HADISOANA NITERAKA OLANA LEHIBE
Fahadisoan-kevitra no nampipoaka ny Ady Lehibe I. Milaza ny boky iray fa toy ny jamba mifampitantana ireo mpitondra eoropeanina, teo antenatenan’ny 1914, ka tsy hainy akory hoe hitondra azy any an-kady ny diany.
Nisy namono ny printsin’i Aotrisy. Herinandro vitsivitsy taorian’izay, dia rafitra ny ady teo amin’ireo firenena matanjaka eoropeanina. Nisy nanontany toy izao ny Chancelier alemà, andro vitsivitsy taorian’ny nanombohan’ny ady: “Fa inona no nahatonga an’izao?” Hoy izy: “Tsy hay mihitsy e!”
Tsy voavinavinan’ireo mpitarika mihitsy ny mety ho vokatry ny fanapahan-keviny. Ireo miaramila tany an’ady no nahatsapa izany. Hitan’izy ireo hoe nandiso fanantenana azy ny mpitondra, namitaka azy ny mpitondra fivavahana, ary namadika azy ny jeneraliny. Tamin’ny fomba ahoana?
Ny mpitondra: Nampanantena izy ireo fa hitondra tontolo vaovao sy tsara kokoa io ady io. Hoy ny Chancelier alemà: “Miady ho an’ny orinasantsika isika, miady ho an’ny fandrosoana efa vitantsika, ary miady ho an’ny hoavintsika.” I Woodrow Wilson, filoha amerikanina, indray namorona teny faneva hoe ilaina ilay ady “mba hanjaka ny demokrasia.” Nihevitra kosa ny tany Grande-Bretagne fa “ady hamaranana ny ady” izy io. Diso hevitra anefa izy rehetra.
Ny mpitondra fivavahana: Nazoto nanohana ny ady izy ireo. Hoy ny boky Ny Tantaran’izao Tontolo Izao Navoakan’i Columbia (anglisy): “Nampirisika ny olona hiady ireo mpitondra ny tenin’Andriamanitra. Nampirongatra fankahalana ilay ady lehibe.” Tsy nampihena an’izany ny mpitondra fivavahana, fa vao mainka nampitombo. Hoy ny boky Tantaran’ny Fivavahana Kristianina (anglisy): “Tsy vitan’ny mpitondra fivavahana, ary tsy tian’ny ankamaroany, ny hihevitra ny finoana ho zava-dehibe kokoa noho ny fitiavan-tanindrazana. Te hanamora zavatra ny ankamaroany, ka nampitoviny ny fitiavan-tanindrazana sy ny Fivavahana Kristianina. Nampirisihina hifamono amin’ny anaran’ny Mpamonjy azy ny miaramila tao amin’ny antokom-pivavahana rehetra.”
Ireo jeneraly: Nampanantena izy ireo fa vetivety dia ho azo ny fandresena. Tsy ela anefa dia hita hoe tsy nisy afaka nandresy ny mpifanandrina. Miaramila an-tapitrisany no niatrika an’ilay nolazain’ny mpahay tantara hoe “ny fampahoriana mafy indrindra natrehin’ny olona hatramin’izay.” Mbola nalefan’ireo jeneraly hisetra an’ireo tifitra vary raraka ihany ny miaramilany, na dia efa be aza no maty. Tsy mahagaga raha maro no nikomy.
Inona no vokatry ny Ady Lehibe I teo amin’ny olona? Hoy ny bekotromaroholatra iray: ‘Ny toe-tsaina sy ny fitondran-tenan’ny taranaka iray manontolo no nosimban’iny ady iny.’ Fanjakana maro no indray nanjavona, rehefa tapitra ilay ady. Hita hoe vao fiandohan’ny vonoan’olona mahatsiravina tamin’ilay taonjato nahafaty olona be indrindra iny ady iny. Lasa fanaon’ny olona ny nitolona sy nikomy.
Nahoana iny ady iny no nampikorontana an’izao tontolo izao? Loza lehibe sendra nitranga fotsiny ve izy iny? Misy ifandraisany amin’ny hoavintsika ve ny valin’izany?