TANTARAM-PIAINANA
Mahery Aho na dia Malemy Aza
Tsy hieritreritra mihitsy izay mahita ahy hoe matanjaka aho. Sady mitaingina seza misy kodiarana mantsy aho no malemy, ary 29 kilao monja. Na mihareraka aza anefa ny vatako, dia tsy kivy aho noho ny hery ato anatiko. Aleo hohazavaiko izany.
Isaky ny mieritreritra ny fahazazako aho, dia ilay fiainanay nahafinaritra tany atsimon’i Frantsa no tsaroako. Trano kely tany ambanivohitra no nisy anay. Nanamboaran’i Dada savily aho, ary tiako erỳ ny nihazakazaka eran’ny zaridaina. Nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao aminay tamin’ny 1966, ary niresaka ela be tamin’i Dada ry zareo. Nanapa-kevitra ny ho lasa Vavolombelona izy, fito volana taorian’izay. Tsy ela koa i Neny dia lasa Vavolombelona, ary tiako be ny fomba nitaizan-dry zareo ahy.
Eto Espaina ny tanindrazanay, ary taoriana kelin’ny nifindranay teto no nanomboka narary aho. Lasa nanaintaina ny tanako sy ny kitrokeliko. Efa nitety dokotera nandritra ny roa taona izahay vao nahita dokotera nalaza ho mpitsabo aretin’ny tonon-taolana. Nilaza anefa izy hoe “tsy misy hevitra intsony.” Nitomany i Neny naheno an’izany. Nilaza ilay dokotera fa voan’ny aretina mamely ny tonon-taolana aho. Ny hery fanefitra ao amin’ny vatako ihany no mamono ny sela salama, ka lasa manaintaina sy mivonto ny tonon-taolako. Vao folo taona aho tamin’izay ka mbola tsy dia nahazo resaka. Fantatro anefa hoe vaovao ratsy ilay izy.
Nalefa tany amin’ny toeram-pitsaboana ankizy voan’ny aretina mitaiza aho, noho ny tenin’ny dokotera. Nampahatahotra be ilay trano. Tena hentitra ny fitsipika tao, ka notapahin’ny masera ny voloko ary fanamiana nalalaka be no nampanaoviny ahy. Nitomany aho nieritreritra hoe: ‘Marina raha ho vitako ny hiaritra an’izao!’
TENA NANAMPY AHY I JEHOVAH
Efa nampianarin’i Dada sy Neny hanompo an’i Jehovah aho, ka tsy nanaiky hanaraka ny fombafomban’ny Katolika tao amin’ilay toeram-pitsaboana. Tsy azon’ny masera mihitsy ny antony nandavako an’izany. Nitalaho tamin’i Jehovah aho mba tsy hahafoy ahy izy. Tsapako, taoriana kelin’izay, hoe tena niaro izy ka hoatran’ny hoe nisy ray be fitiavana iray namihina ahy mafy.
Navela hitsidika ahy vetivety i Dada sy Neny isaky ny asabotsy. Nitondrany boky ara-baiboly be dia be aho mba tsy hihena ny finoako. Tsy nahazo nitondrana boky ny ankizy tao, nefa izaho navelan’ny masera nanana azy ireny. Nahazo Baiboly mihitsy aza aho ary namaky azy io isan’andro. Noresahiko tamin’ny ankizy hafa tao koa fa manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany aho, ary tsy hisy harary intsony amin’izany. (Apokalypsy 21:3, 4) Nahatsiaro ho irery sy nalahelo aho indraindray, nefa faly satria nihanatanjaka ny finoako ary natoky kokoa an’i Jehovah aho.
Nampodin’ny dokotera ihany aho rehefa afaka enim-bolana. Tsy nihasalama aho akory, nefa faly fa tafody. Vao mainka nivilana sy nanaintaina ny tonon-taolako. Kely aina kely aho rehefa nanomboka nandray 11 taona, fa natao batisa ihany tamin’izaho 14 taona. Tapa-kevitra ny hanompo an’ilay Raiko any an-danitra araka izay vitako mantsy aho. Diso fanantenana taminy ihany anefa aho indraindray, ka nivavaka hoe: ‘Fa maninona no izaho no voan’izao, Jehovah ô? Mba sitrano re aho e! Tsy hitanao hoe mijaly be ve aho?’
Tena niaritra ny mafy aho rehefa lasa tanora. Tsy maintsy niaiky aho hoe tsy ho sitrana intsony. Nalahelo ny tenako aho rehefa nahita ny namako salama tsara sy nankafy fiainana. Nahatsiaro ho tsy nisy dikany aho, ka lasa saro-kenatra sy tsy be teny. Soa ihany fa nanampy ahy foana ireo tapaka sy namana. Lasa namako be, ohatra, i Alicia. Zokiko 20 taona izy ary nanampy ahy hifantoka amin’izay hahasoa ny hafa, fa tsy hifantoka amin’ny aretiko ka hitsetra tena fotsiny.
NAHITA FOMBA HANATSARANA NY FIAINAKO AHO
Narary be indray aho tamin’izaho 18 taona, ka na ny nivory aza nandreraka ahy. Nanararaotra nianatra Baiboly anefa aho rehefa tsy dia naninona. Takatro, rehefa nianatra ny Salamo sy ny bokin’i Joba aho, fa ny hahasalama antsika ara-panahy aloha izao no tena ifantohan’i Jehovah. Nivavaka matetika koa aho, ka nahazo “hery fanampiny” sy ny “fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.”—2 Korintianina 4:7; Filipianina 4:6, 7.
Tsy maintsy nampiasa seza misy kodiarana aho rehefa feno 22 taona. Nanahy aho sao tsy horaharahain’ny olona intsony, ka hoe olona farofy mandeha amin’ny seza misy kodiarana fotsiny no ho fahitany ahy. Tsy nampoiziko anefa fa lasa vitako indray ny zavatra sasany fanaoko taloha rehefa nampiasa an’ilay izy aho. Nahasoa ahy indray ilay zavatra tsy tiako teo aloha. Nisy an’izay namako atao hoe Isabel izay nampirisika ahy hitory niaraka taminy nandritra ny iray volana, mba hanatratrarana 60 ora.
Nihevitra aho tamin’ny voalohany hoe mba hevitra adaladala koa izany. Nangataka ny fanampian’i Jehovah anefa aho ka nataoko ihany ilay izy. Nampian’ny tao an-trano sy ny namako koa aho. Vetivety dia tapitra ilay iray volana satria be atao be aho. Tsy natahotahotra na saro-kenatra intsony aho. Tiako be ilay izy ka nanao mpisava lalana maharitra aho tamin’ny 1996, izany hoe nitory sy nampianatra adiny 90 isam-bolana. Iny no anisan’ny fanapahan-kevitra tsara indrindra noraisiko! Lasa nifandray kokoa tamin’Andriamanitra aho ary nihanatanjaka ny vatako. Afaka niresaka ny zavatra inoako tamin’ny olona maro aho ary afaka nanampy ny sasany taminy ho lasa naman’Andriamanitra.
MANOHANA AHY FOANA I JEHOVAH
Tratran’ny lozam-piarakodia aho tamin’ny 2001, ka tapaka ny tongotro roa. Niditra hopitaly aho. Nijaly be mihitsy aho, ka nivavaka mangina teo ambony fandrianako hoe: “Aza mahafoy ahy re Jehovah ô!” Tamin’izay ilay ramatoa narary teo akaikiko no nanontany hoe: “Vavolombelon’i Jehovah angaha ianao?” Tsy nanana hery hamaliana azy aho fa niatokatoka fotsiny. Hoy ihany izy: “Fantatro tsara ianareo, sady mpamaky ny gazetinareo aho.” Tena nampahery ahy ny teniny. Afaka nanome voninahitra an’i Jehovah aho na dia nahonena aza ny fahitana ahy. Tombontsoa be izany!
Nanapa-kevitra ny hitory bebe kokoa aho rehefa sitrasitrana. Natosik’i Neny tamin’ilay seza misy kodiarana aho, ka nitety ny marary tao amin’ilay efitra izahay. Ny tongotro tamin’io mbola nisy platra. Nitsidika marary vitsivitsy izahay isan’andro, nanontany ny fahasalamany, ary nametraka boky ara-baiboly. Nandreraka aloha ilay izy nefa nanome hery ahy i Jehovah.
Nihombo ny aretiko tato anatin’ny taona vitsivitsy. Nanampy trotraka an’izany ny nahafatesan’i Dada. Miezaka mijery lafy tsaran-javatra foana anefa aho. Miezaka miaraka amin’ny namako sy ny havako aho, raha mbola azo atao, ka lasa tsy mifantoka be amin’ny olana mahazo ahy. Mamaky sy mianatra Baiboly aho rehefa irery, na mitory an-telefaonina.
Matetika aho no manakimpy ny masoko, ka maka sary an-tsaina ny tenako ao amin’ilay tontolo vaovao ampanantenain’Andriamanitra
Miezaka mankafy zavatra tsotra koa aho, toy ny tsiotsio-drivotra mandalo amin’ny tarehiko na ny hanitry ny voninkazo. Mahita antony isaorana an’i Jehovah aho noho izany. Miezaka ny ho tia mihomehy koa aho. Indray andro, ohatra, niara-nitory izaho sy ny namako ary nisy fotoana izy niato kely mba handray an-tsoratra. Nandeha tampoka anefa ilay seza nisy kodiarana nitaingenako ka nanaraka fidinana, ary nidona tamin’ny fiara iray nijanona. Natahotra aloha izahay roa, fa rehefa hitanay hoe tsy naninona aho dia tapa-tsinay indray izahay.
Maro ny nofinofiko mbola ho tanteraka. Matetika aho no manakimpy ny masoko, ka maka sary an-tsaina ny tenako ao amin’ilay tontolo vaovao ampanantenain’Andriamanitra. (2 Petera 3:13) Alaiko sary an-tsaina hoe salama tsara aho ary mandehandeha sy mankafy fiainana. Ataoko an-tsaina ity tenin’i Davida Mpanjaka ity: “Aoka ianao hanantena an’i Jehovah, manàna herim-po ary hatanjaho ny fonao.” (Salamo 27:14) Mihareraka aho, nefa manatanjaka ahy i Jehovah. Mahery foana aho na dia malemy aza.