Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA | SAROBIDY AMIN’ANDRIAMANITRA VE IANAO?

Misy Dikany Amin’Andriamanitra ve Ianao?

Misy Dikany Amin’Andriamanitra ve Ianao?

“Ory sy mahantra aho. Mihevitra ahy i Jehovah.” *—DAVIDA, TANY ISRAELY FAHINY.

“Toy ny rano indray mitete avy amin’ny siny ireo firenena.” —ISAIA 40:15

Nieritreritra i Davida hoe nihevitra azy Andriamanitra. Tena tokony ho nanantena an’izany ve izy? Mihevitra anao koa ve Andriamanitra? Maro no mieritreritra hoe tsy misy dikany amin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra izy ireo. Nahoana?

Fantatr’izy ireo fa tena faran’izay ambony Andriamanitra raha oharina amin’ny olombelona. “Toy ny rano indray mitete avy amin’ny siny” no fahitan’Andriamanitra an’ireo firenena, ary “toy ny vovoka manify eo amin’ny mizana no fiheverana azy.” (Isaia 40:15) Nilaza aza ny mpanoratra iray fa “ny olona mieboebo no mihevitra hoe liana amin’izay ataony Andriamanitra.”

Misy indray mieritreritra hoe tsy misy dikany amin’Andriamanitra izy noho ny zavatra ataony. Hoy, ohatra, i Jim, lehilahy efa zokinjokiny: “Nivavaka foana aho mba ho tony sy hahay hifehy tena, nefa mbola tsy nahafehy ny hatezerako ihany. Nieritreritra àry aho hoe ‘angamba ity izaho ity efa mpanota matevin-koditra mihitsy ka tsy azon’Andriamanitra ovana intsony.’ ”

Tena lavitra ny olombelona tokoa ve Andriamanitra ka tsy miraharaha azy ireo? Ahoana no tena fiheverany ny olona tsy lavorary? Andriamanitra ihany no mahavaly an’izany. Manome toky antsika ny Teniny, dia ny Baiboly, fa “tsy lavitra antsika tsirairay izy”, ary tena mitady izay hahasoa antsika manokana. (Asan’ny Apostoly 17:27) Ahoana no anaporofoany an’izany? Efa nanao an’izany ve izy? Ho hitantsika ao amin’ireo lahatsoratra efatra manaraka izany.

^ feh. 3 Salamo 40:17. Jehovah no anaran’Andriamanitra, araka ny Baiboly.