Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Nahoana no maro no mieritreritra hoe misy ny Mpamorona?

Mahavariana ny nanaovana antsika

Hoy ny poety iray, 3 000 taona teo ho eo izay: “Mahagaga sy mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy.” (Salamo 139:14) Tsy gaga tokoa ve ianao rehefa mieritreritra hoe sela iray monja no lasa zazakely? Maro àry no mino hoe nisy namorona ny zavamananaina.—Vakio ny Salamo 139:13-17; Hebreo 3:4.

Ilay nanao ny tany ho azo iainana sy namorona an’izao rehetra izao ihany no namorona ny zavamananaina. (Salamo 36:9) Niresaka tamintsika olombelona izy ary nampahafantariny antsika ny momba azy.—Vakio ny Isaia 45:18.

Avy amin’ny biby ve isika?

Betsaka ny zavatra ao amin’ny vatantsika mitovy amin’ny an’ny biby. Tsy midika anefa izany hoe avy amin’ny biby isika, fa samy nataon’ny Mpamorona ho afaka hiaina eto an-tany fotsiny isika sy ny biby. Nataony avy tamin’ny vovoka koa ny olombelona voalohany, fa tsy avy tamin’ny biby.—Vakio ny Genesisy 1:24; 2:7.

Misy zavatra roa lehibe tsy mampitovy ny olona amin’ny biby. Voalohany, afaka mamantatra sy mitia ary manaja ny Mpamorona ny olombelona. Faharoa, noforonina hiaina mandrakizay izy ireo, fa tsy toy izany kosa ny biby. Mbola mety maty anefa aloha izao ny olombelona satria tsy nankatò an’Andriamanitra ny olona voalohany.—Vakio ny Genesisy 1:27; 2:15-17.