Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Inona no atao hoe Andro Fitsarana?

Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia nampiasa mpitsara Andriamanitra mba hamonjena ny vahoakany tamin’ny tsy rariny. (Mpitsara 2:18) Milaza ny Baiboly hoe hahafinaritra ilay Andro Fitsarana amin’ny hoavy, satria hamonjy ny olona rehetra hiharan’ny tsy rariny i Jehovah, ilay Mpitsara ny tany.—Vakio ny Salamo 96:12, 13; Isaia 26:9.

Notendren’Andriamanitra hampihatra ny rariny amin’ny maty sy ny velona i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 10:42; 17:31) Betsaka ny olona efa maty nefa tsy nahalala an’Andriamanitra akory. Hatsangan’i Jesosy amin’ny maty izy ireo, mandritra ny Andro Fitsarana, mba hianatra momba an’Andriamanitra sy ho tia azy.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 24:15.

Nahoana no haharitra arivo taona ny Andro Fitsarana?

Mandritra an’io arivo taona io no hatsangana ny maty. (Apokalypsy 20:4, 12) Mila fotoana izy ireo mba hianarana ny fomba fisainan’Andriamanitra sy hankatoavana azy. Asehon’ny Baiboly fa hotsaraina araka izay hataony aorian’ny hananganana azy amin’ny maty ny olona, fa tsy amin’izay nataony talohan’ny nananganana azy, araka ny hevitry ny olona.—Vakio ny Romanina 6:7.

Hazavain’ny Baiboly fa hisy andro fitsarana iray hafa ho avy tampoka alohan’ilay arivo taona. Antsoina hoe farany na fara andro izy io, araka ny noresahin’ny matoan-dahatsoratra amin’ity gazety ity. Handringana ny ratsy fanahy sy izay rehetra tsy tia azy Andriamanitra amin’izay. (2 Petera 3:7) Tokony hasehontsika àry hoe tena tia azy isika.—Vakio ny 2 Petera 3:9, 13.